Testamenta Taloha 2022
15–21 aogôsitra. Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86: “Holazaiko izay nataony ho an’ny fanahiko”


“15–21 aogôsitra. Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86: -Holazaiko izay nataony ho an’ny fanahiko,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“15–21 aogôsitra. Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
Jesoa mitazona fanilo

Saving That Which Was Lost [Mamonjy ilay very], nataon’i Michael T. Malm

15–21 aogôsitra

Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86

“Holazaiko izay nataony ho an’ny fanahiko”

Afaka mitondra vokatra mahery vaika amin’ireo ankizy ny ohatra asehonao amin’ny maha-mpianatra ny filazantsara anao. Zarao amin’izy ireo ny zavatra niainanao ara-panahy tamin’ny fianarana ny filazantsara.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Zarao amin’ny ankizy ny andininy iray avy amin’ny salamo na fihirana na hiran’ny ankizy iray izay manampy anao hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy. Omeo fahafahana hanao torak’izany ny ankizy tsirairay.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Salamo 51:10

Rehefa manao safidy ratsy aho dia afaka manampy ahy hiova Jesoa Kristy.

Ampio ireo ankizy hahatakatra fa anisan’ny fiainana an-tany ny fahadisoana ary afaka mahazo fanampiana avy amin’i Jesoa Kristy isika handresena izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Mizarà tantara tsotsotra, avy amin’ny fiainanao na avy amin’ny Namana na Liahona, momba an’ankizy nanao safidy ratsy saingy nahazo fanampiana avy amin’ny Mpamonjy mba ho lasa tsaratsara kokoa. Vakio ny Salamo 51:10 ary zarao ny fifaliana tsapanao rehefa manampy anao ny Mpamonjy mba hanana “fo madio” sy “fanahy marina.”

  • Asehoy ny ankizy ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity. Tondroy ny sary tsirairay ary angataho ireo ankizy hanoritsoritra ny zavatra hitany. Vakio ny fanazavana mba hanampiana ny ankizy hianatra momba ny fibebahana sy ny famelan-keloka.

Salamo 71:8

Afaka miresaka amin’ny hafa momba an’i Jesoa Kristy aho.

Ny teny feno finoana avy amin’ny ankizy iray dia manana hery miavaka hanohina fo. Omeo toky ireo ankizy fa afaka manampy ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy.

Sary
ankizilahy anankiroa mipetraka amin’ny seza

Afaka miresaka amin’ny hafa isika momba ny zavatra nataon’i Jesoa ho antsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Salamo 71:8 ary manaova sarina vava ngeza be eny amin’ny solaitrabe. Asaivo manampy anao izy ireo hameno ilay vava amin’ny zavatra izay afaka milaza amin’ny hafa momba an’i Jesoa Kristy.

  • Ampitampitao mba ho jeren’ny tsirairay ny sarin’i Jesoa Kristy. Angataho ireo ankizy mba hifandimby hihazona ilay sary ary hilaza zavatra iray fantany momba Azy. Inona no nataony ho antsika? (Ireo sary ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara dia afaka manome hevitra ho amin’izany.)

Salamo 86:7

Maheno sy mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

Maro amin’ireo Salamo no tahaka ny vavaka amin’ Andriamanitra mba hahazoana fanampiana na fitarihana na fiarovana. Eritrereto ny fomba azonao anampiana ireo ankizy hanorina ny finoany fa maheno sy mamaly azy ireo ny Ray any An-danitra rehefa mivavaka izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ny ankizy ny fomba firesahan’izy ireo aman’olona mipetraka lavitra. Asehoy zavatra izay azontsika ampiasaina mba hifandraisana izy ireo, toy ny telefaonina na taratasy. Vakio amin’izy ireo ny Salamo 86:7. Ahoana no fomba hiantsoantsika ny Ray any An-danitra? Amin’ny fomba ahoana no hamaliany antsika?

  • Asao ireo ankizy hilalao an-tsehatra ny zavatra ataon’izy ireo isan’ andro, toy ny mifoha maraina, na misakafo maraina, na miainga ho any an-tsekoly, na mandeha matory. Ampio izy ireo hahita fotoana mandritra ilay andro mba hivavahana amin’ny Ray any An-danitra. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mivavaka Aminy isika amin’ny fotoana rehetra, ary haheno antsika foana Izy.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny vavaka toy ny hoe “Vavaky ny ankizy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 6–7). Lazalazao ny momba ny fotoana iray izay namalian’ Andriamanitra ny vavaka nataonao.

Salamo 77:11

“Hampahatsiaro ny asan’i Jehovah aho.”

Afaka manorina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ny soratra masina amin’ny fanampiana antsika hahatsiaro ny “fahagagana natao[ny] fony taloha.”

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Salamo 77:11, ary lazao azy ireo ny fiezahanao “hampahatsiaro ny asan’i Jehovah,” ao anatin’izany ny asany eo amin’ny fiainanao. Asao ireo ankizy hanao sary mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ireo zavatra lehibe nataony.

  • Asehoy ireo sary avy amin’ity boky ity na avy amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hampahatsiahivana ny ankizy ireo tantara izay nianarany tao amin’ny Testamenta Taloha momba ireo zavatra lehibe nataon’ny Tompo ho an’ny olony. Anontanio azy ireo hoe iza amin’ireo tantara ireo no teny tiany ary nahoana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Salamo 51

Ny fibebahana dia fiovam-po.

Ny Salamo 51 ahitana fahamarinana maromaro momba ny fibebahana. Ahoana no hanampianao ny ankizy hahita ireo fahamarinana ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo mamaky ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity ny ankizy tsirairay. Asao izy ireo hitady ireo teny izay mampianatra azy ireo zavatra momba ny fibebahana. Avelao izy ireo hanoratra ireo teny eny amin’ny solaitrabe. Rehefa avy nizara ny tsirairay dia anontanio ny ankizy ny havalin’izy ireo ny namana iray izay manontany hoe “Inona no dikan’ny hoe fibebahana?”

  • Manaova sarina fo eo amin’ny solaitrabe. Asao ny ankizy hitanisa fahotana vitsivitsy izay hakan’ny Satana fanahy mba hataontsika. Soraty ao anatin’ilay fo ireo zavatra ireo. Asao ireo ankizy hitady ny teny hoe fo ao amin’ny Salamo 51:10, 17. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny fibebahana? (jereo ny andininy 6). Ampio ny ankizy hahatakatra fa na dia efa mitsahatra tsy manota intsony aza isika dia mila miova ny fontsika mba hahafahantsika mibebaka. Asao ireo ankizy hamafy ireo fahotana ao anatin’ilay fo eny amin’ny solaitrabe ary hanoratra teny vaovao izay maneho ny fiovana ao am-pontsika rehefa mibebaka isika. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa Andriamanitra dia afaka “[mamorona] fo madio” ho antsika rehefa mibebaka isika (andininy 10).

Salamo 66:16; 77:11; 78:7

“Hampahatsiaro ny asan’i Jehovah aho.”

Nampianatra ny zanany momba ireo fahagagana nataon’ Andriamanitra ho azy ireo ny Isiraelita mba hahafahan’ireo ankizy “hametraka ny fanantenany amin’ Andriamanitra” (Salamo 78:7).

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hizara aminao ny sasany amin’ireo tantara tiany indrindra ao amin’ny soratra masina (ny sary ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara dia afaka manampy azy ireo hieritreritra tantara). Nahoana izy no tia an’ireo tantara ireo? Inona no ampianarin’ireo tantara ireo antsika momba ny Tompo? Iaraho vakiana ny Salamo 77:11; 78:7. Nahoana no zava-dehibe ny “[mahatsiaro] ny asan’i Jehovah”?

  • Asao ireo ankizy hamaky ny Salamo 66:16 dia eritrereto na soraty ny valin’ny fanontaniana hoe “Inona no nataon’ny Tompo ho an’ny fanahiko?” Avy eo dia avelao izy ireo hizara ny valinteniny, raha te hanao izany izy. Inona no azontsika atao mba “hahatsiaro mandrakariva” (Môrônia 4:3; 5:2) ny zavatra nataon’ny Tompo ho antsika?

Salamo 86:5, 13, 15

Te hamela heloka ny Tompo.

Rehefa manota isika dia tian’i Satana hieritreritra fa tsy hamela antsika na oviana na oviana ny Tompo. Ampio ireo ankizy hanorina ny finoany fa ny Tompo dia “mamela heloka ary be famindrampo” (Salamo 86:5).

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy (tahaka ilay iray ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana), ary anontanio ny ankizy ny teny hampiasainy hanoritsoritana Azy. Asao izy ireo hitady teny izay manoritsoritra Azy ao amin’ny Salamo 86:5, 13, 15. Raha ilaina dia ampio izy ireo hamaritra ireo teny ireo. Inona no azontsika lazaina amin’ny namana iray izay mahatsapa fa tezitra Andriamanitra rehefa manota izy ireo?

  • Iaraho hiraina amin’ny ankizy ny hira iray izay tsapanao fa hanampy azy ireo hahatakatra ny toetra mpamela heloka ananan’ny Mpamony, toy ny “Endrey mahagaga ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, p.44). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa te hamela heloka ahy i Jesoa Kristy.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy tsirairay hilaza antony iray itiavan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo hizara izany antony izany amin’ny olona iray ao an-trano. Mijoroa ho vavolombelona fa hitahy izany olona izany ny tenin’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Manehoa fatokiana. “Rehefa tsapan’ny [ankizy] fa matoky azy ireo ianao dia hitombo ny fahatokiany an’ilay hery anaty masina ananany. … Ambarao amim-pitiavana hoe fantatrao fa afaka ny ho tompon’andraikitra amin’ny fianarany manokana izy ireo ary afaka ny hanolo-tena hitandrina ireo fitsipiky ny Tompo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 28).