Testamenta Taloha 2022
1–7 aogositra. Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–40; 42: “Mbola hanantena Azy ihany aho”


“1–7 aogositra. Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–40; 42: -Mbola hanantena Azy ihany aho,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“1–7 aogositra. Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–40; 42,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
lehilahy telo miresaka amin’ny lehilahy iray eo amin’ny tany

The Judgments of Job [Ny fitsarana an’i Joba], nataon’i Joseph Brickey

1–7 aogôsitra

Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–4042

“Mbola hanantena Azy ihany aho”

Raha nandalina ny tantaran’i Joba ianao dia inona no hafatra hitanao fa ho an’ny fiainanao manokana? Inona amin’ireo hafatra ireo no tsapanao fa ilain’ireo ankizy ampianarinao ho heno?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Anehoy sarin’i Joba ireo ankizy (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Anontanio ny ankizy ny mety ho fahatsapan’io lehilahy amin’ny sary io araka ny eritreritr’izy ireo. Asao izy ireo hizara zavatra hafa fantany momba an’i Joba.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Joba 1–2; 13:15

Hanampy ahy mandritra ireo fotoan-tsarotra ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy rehefa manam-pinoana azy ireo aho.

Natoky an’ Andriamanitra i Joba ary nijanona ho mahatoky na dia niatrika fitsapana tena sarotra aza izy. Ny tantaran’i Joba dia afaka manampy ireo ankizy hanamafy ny finoany ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy ka ho vonona izy ireo ny hiatrika ireo fitsapana sarotra hatrehin’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hizara ny zavatra fantany momba an’i Joba, ary ampio izy ireo hahatakatra ny zavatra nitranga taminy (jereo ny Joba 1–2; “Joba” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha). Anontanio ny ankizy ny fahatsapana mety ho nananany raha teo amin’ny toeran’i Joba izy ireo. Iza no afaka manampy antsika rehefa misy zavatra mampalahelo mitranga eo amin’ny fiainantsika? Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy ary hazavao fa ny finoan’i Joba ny Tompo no nanampy azy nandritra ireo fitsapana nahazo azy (jereo ny Joba 1:21).

  • Vakio amin’ny ankizy ny tenin’i Joba ao amin’ny Joba 13:15 manao hoe: “Hanantena Azy ihany aho.” Mba hanampiana ireo ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe manantena na matoky an’ Andriamanitra, dia resaho amin’izy ireo ny momba ny olona hafa izay atokisany. Ohatra, inona no ananantsika toky fa hataon’ny ray aman-drenintsika? Inona no ananantsika toky fa hataon’ny mpampianatra antsika? Inona no ananantsika toky fa hataon’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy? Asehoy ny fatokisanao ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy, ary ampio ireo ankizy hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo maneho fa tia sy matoky Azy Ireo izy ireo.

Joba 19:25

Jesoa Kristy no Mpanavotra ahy.

Afaka niaritra ny fitsapany sy ny fijaliany i Joba noho ny finoany ny Tompo. Amin’ny fomba ahoana no hahafahanao manampy ny ankizy hanorina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy, ilay Mpanavotra antsika?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’i Jesoa eo amin’ny hazofijaliana na alevina ao am-pasana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 5758). Angataho ireo ankizy hanazava ny zavatra mitranga ao amin’ilay sary. Vakio amin’ny ankizy ny tenivavolombelon’i Joba ao amin’ny Joba 19:25. Asehoy ny sarin’ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 5960; jereo ihany koa ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity), dia mijoroa ho vavolombelona fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy ary velona amin’izao. Nahoana isika no feno fankasitrahana fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy?

  • Mampisehoa sarin’i Joba ary hazavao fa niaritra fanaintainana be i Joba satria feno fery nanenika ny hodiny. Very ny tranony, ary maty ireo zanany. Saingy nahafantatra zavatra tena manan-danja i Joba izay nankahery azy. Vakio ny Joba 19:25 dia anontanio ny ankizy ny zavatra fantatr’i Joba. Zarao amin’ny ankizy ny fahafantaranao fa velona i Jesoa Kristy, ary asao izy ireo hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba Azy.

    Sary
    lehilahy miandrandra

    Joba, nataon’i Gary L. Kapp

  • Asaivo lokoin’ny ankizy ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity. Eo am-panaovan’izy ireo izany dia mitendre na mihirà hira iray momba ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, toy ny “Moa ve Jesoa nitsangana?” na “Nitsangana indray Jesoa Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 45, 44). Asao izy ireo hizara ny fahatsapany momba an’i Jesoa, ary ampio izy ireo hahatakatra fa afaka manana fahatsapana tsara avy amin’ny Fanahy Masina isika mba hanampiana antsika hahafantatra fa tena misy Jesoa Kristy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Joba 1–2; 1219

Hanampy ahy handresy ireo fanamby atrehiko ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy rehefa manam-pinoana Azy Ireo aho.

Samy mandalo andro sarotra ny tsirairay, ary ny olona sasany mandalo fitsapana maharitra ela. Nanohana an’i Joba tao anatin’ireo fitsapana nolalovany ny finoany an’ Andriamanitra. Eritrereto ny ahafahan’ny tantarany manampy ny ankizy hanorina ny finoany ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy mba hahafahan’izy ireo miatrika ny fitsapana atrehany amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy.

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ny ankizy ny zavatra fantany momba ny tantaran’i Joba. Karazan’olona tahaka ny ahoana izy? Inona no nitranga taminy? Inona no nasetriny ireo fanambiny? Asaivo mijery ireo andininy ao amin’ny Joba 1–2 izy ireo mba hanampiana azy ireo hitantaran ilay tantara (jereo ny Joba 1:1, 13–22; 2:7–10; jereo koa ny “Joba” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha). Asao ireo ankizy hizara ny fahatsapany ho hafatra fototra ao amin’ny tantaran’i Joba.

  • Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy mifanerasera amin’ny hafa ary anontanio ny ankizy ny zavatra tsapany fa ampianarin’ireo sary ireo antsika momba ny hoe iza moa i Jesoa Kristy ary tahaka ny ahoana Izy. Inona koa ny zavatra hafa fantatsika momba Azy? Asao ireo ankizy hamaky ny sasany amin’ireto andininy ireto hahitana ny zavatra sasany izay fantatr’i Joba momba ny Tompo: Joba 12:10, 13, 16; 19:25–27. Nahoana no manan-danja ny mahafantatra ireo zavatra momba ny Mpamonjy ireo?

  • Asao ireo ankizy hamaky ny Joba 19:14–19, ary anontanio azy ireo ny zavatra lazain’ireo andininy ireo momba ny fihetsiky ny olona sasany tamin’i Joba. Inona no mety ho fahatsapana nananantsika raha nihatra tamintsika izany? Asao ireo ankizy hamaky ny Joba 19:23–27 mba hahitana ny fomba nahazoan’i Joba fankaherezana tamin’io toe-javatra io. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika mikasika ny Mpamonjy? Nahoana no manan-danja ny mahafantatra fa velona sy tia antsika Izy (jereo ny Jaona 17:3).

  • Miaraha mihira hira iray izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, toy ny “Je sais qu’il vit, mon Rédempteur” (Cantiques, no. 73). Inona no ambaran’ilay hira momba ny maha-zava-dehibe ny manana fijoroana ho vavolombelona fa velona i Jesoa Kristy? Lazao amin’ny ankizy ny fomba hahafantaranao fa velona ny Mpamonjy sy ny antony mahatonga anao ho feno fankasitrahana noho izany fahalalana izany. Amporisiho izy ireo hizara ny fahatsapany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Joba 19:13–19; 22:5

Ny mpinamana tsara dia mifanohana sy mifampahery.

Rehefa nijaly i Joba, dia nilaza ireo namany fa nosazian’Andriamanitra izy satria nanota. Io tantara io dia afaka manampy anao hampianatra ireo ankizy fomba tsara iray hasetry rehefa misy namana mandalo fahasarotana (jereo ny Joba 16:1–5).

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ireo ankizy hijery ireo zava-tsarotra maro nitranga tamin’i Joba (jereo ny Joba 1:13–19; 2:7). Vakio miaraka ny Joba 19:14, 19 hijerena ny fihetsika nasetrin’ireo naman’i Joba tamin’ny fitsapana nolalovany (jereo ihany koa ny Joba 22:1–5). Asao ireo ankizy haka sary an-tsaina hoe naman’i Joba izy ireo, ahoana no hanampian’izy ireo azy? Amporisiho izy ireo hieritreritra namana iray izay mety mandalo fotoan-tsarotra ary manaova drafitra zavatra izay azon’izy ireo atao mba hanehoana fitiavana sy fanohanana an’ilay naman’izy ireo.

  • Angataho ireo ankizy hitanisa toetra ananan’ny namana tsara ary hilaza anarana namana iray izay manana ireo toetra ireo. Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy. Amin’ny fomba ahoana i Jesoa no namana tsara ho antsika tsirairay? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hizara amin’ny havana na namana iray ny fomba iray mety hanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo rehefa mandalo fotoan-tsarotra izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana nampanantenaina. Rehefa manome didy iray ny Tompo, dia matetika Izy mampanantena fitahiana noho ny fitandremana izany didy izany. Rehefa manasa ankizy ao amin’ny Kilonga mba hiaina fitsipika iray ianao dia ambarao ny fampanantenana nolazain’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo mpaminany fa ho an’ireo izay miaina izany fitsipika izany. Afaka mijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana izay noraisinao avy amin’ny fiainana ilay fitsipika koa ianao.