Testamenta Taloha 2022
29 aogositra–4 septambra: Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena”


“29 aogositra–4 septambra: Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12: -Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“29 aogositra–4 septambra: Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
lehilahy iray mandalina ny soratra masina

29 aogositra–4 septambra

Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12

“Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena”

Rehefa mandalina ny Ohabolana sy Mpitoriteny ianao dia eritrereto ireo ankizy ampianarinao. Hafatra inona avy amin’ireo soratra masina ireo no afaka hanampy azy ireo hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ireo zavatra voalaza ao amin’ny bokin’ny ohabolana, toy ny fo, hazavana, na lalana. Ampio ny ankizy hamaky ny Ohabolana 3:5; 4:18,26, ary asao izy ireo hizara zavatra nianaran’izy ireo momba ireo zavatra ireo avy amin’ny soratra masina.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Ohabolana 3:5

Afaka matoky ny Tompo amin’ny foko rehetra aho.

Rehefa matoky ny Tompo amin’ ny fontsika rehetra isika dia manana finoana Azy ary mahafantatra fa hanampy antsika Izy.

Asa atao azo tanterahina

  • Avelao ny iray amin’ireo ankizy hihazona sarin’ny Mpamonjy iray eo am-pamakinao ny Ohabolana 3:5. Lazao amin’ny ankizy ny dikan’izany hoe matoky ny Tompo izany ho anao. Asao ny ankizy hanao sarina fo amin’ny tanany na hametraka ny tanany eo amin’ny fony eo am-pamerenana im-be dia be ilay andian-teny hoe “matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra”.

  • Manaova sarina fo lehibe eo amin’ny solaitrabe dia ampio ny ankizy hieritreritra ireo zavatra azony atao mba hanehoana fa matoky ny Tompo izy ireo. Asao izy ireo hanao sary ny hevitr’izy ireo ao anatin’ilay fo na amin’ny taratasy iray. Amporisiho izy ireo hizara ireo heviny amin’ny fianakaviany.

Sary
ankizy anankiroa miresaka

Afaka manao “famaliana mora” ny ankizy amin’ny alalan’ny fampiasana teny feno hatsaram-panahy (Ohabolana 15:1).

Ohabolana 15:1,18

Afaka milaza teny feno hatsaram-panahy aho.

Ao anatin’ny toe-draharaha manahirana na mahasorena, dia mety ho alaim-panahy hamaly amim-pahatezerana ianao. Ny Ohabolana 15:1,18 dia mampianatra antsika ny fomba ahafahantsika miala amin’ny hatezerana.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Ohabolana 15:1 dia hazavao ny teny na andian-teny rehetra izay mety tsy mahazatra azy ireo. Mizarà ohatra vitsy amin’ireo toe-javatra izay mety mahatezitra ny ankizy iray (toy ny fiadian-kevitra amin’ny rahalahy na anabavy iray). Ampio izy ireo hieritreritra “famaliana mora” na teny feno hatsaram-panahy azon’izy ireo ampiasaina fa tsy hampiasa teny feno hatezerana. Ampio izy ireo hizatra hilaza ireo zavatra ireo amin’ny fomba malefaka na amin’ny feo tony.

  • Mihirà hira iray momba ny hatsaram-panahy, toy ny “Tsara fanahy” (Bokin-kiran’ny ankizy,83). Inona no ampianarin’ilay hira antsika momba ny fanehoana hatsaram-panahy?

  • Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe “mahatsindry fo” (Ohabolana 15:18), dia mitantarà tantaran’ny tena manokana mikasika ny fotoana iray nahatsapanao (na ny olona iray fantatrao) hatezerana saingy nisafidy ny ho tsara fanahy ianao na ilay olona. Avelao koa ny ankizy hizara ny zavatra niainany manokana. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo zavatra azony atao mba tsy ho lasa tezitra. Ohatra hoe, afaka mieritreritra an’i Jesoa izy ireo, na mangataka ny Ray any An-danitra hanampy azy ireo, na mihira hiran’ny kilonga ho an’ny tenany, na raha azo atao dia mandeha miala fotsiny.

Ohabolana 22:9

Afaka mizara izay ananako amin’ny hafa aho.

Afaka mianatra manampy ireo olona manodidina azy izay mila fanampiana ny ankizy kely. Inona no azonao atao hitaomana azy ireo hizara amin’ny hafa ny zavatra ananany?

Asa atao azo tanterahina

  • Manehoa sary maromaro amin’ny ankizy izay ahitana olona hafa manompo na manampy olona mila fanampiana, isan’izany ny sarin’ny Mpamonjy (toy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 42, 44,46). Angataho ny ankizy mba hilaza aminao izay mitranga ao amin’ny sary tsirairay. Vakio amin’ny ankizy ny Ohabolana 22:9. Hazavao fa fomba iray azontsika hanompoana ny manome “[hanina] ho an’ny malahelo,” kanefa misy fomba maro hafa azontsika hanampiana ny sahirana. Asao ny ankizy hanao ny sarin’izy ireo manampy olona iray.

  • Mitondrà zavatra maromaro ao an-dakilasy izay azonao zaraina amin’ny ankizy, toy ny sary na pensilihazo. Rehefa manolotra izany amin’ny ankizy tsirairay ianao dia mitenena hoe: “Hizara amin’i [anaran’ilay ankizy] aho.” Asaivo mifandimby mifampizara ireo zavatra ny ankizy. Inona avy ireo zavatra hafa azontsika zaraina amin’ny hafa?

  • Miaraha mihira hira iray mikasika ny fanompoana, toy ny “Hoy ilay rano kely hoe -Manomeza-Bokin-kiran’ny ankizy,116). Anontanio an’ireo ankizy ny zavatra tsapany rehefa manampy ny hafa.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Ohabolana 1:7; 2:5; 15:33; 16:6; Mpitoriteny 12:13

Ny “fahatahorana an’i Jehovah” dia midika hoe mitia sy mankatò Azy.

Isan’ireo hafatra manan-danja ao amin’ny Ohabolana sy ny Mpitoriteny ny hoe “Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo” (Mpitoriteny 12:13). Saintsaino ny fomba azonao hanampiana ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe matahotra an’Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hitanisa zavatra vitsivitsy mety hatahoran’ny olona. Dia angataho izy ireo avy eo hamaky ny Ohabolana 1:7 sy ny Mpitoriteny 12:13. Inona no dikan’ny hoe matahotra an’Andriamanitra? Mba hanampiana amin’ny famaliana io fanontaniana io dia angataho ny ankizy iray hamaky indray ireo andinin-tsoratra masina, ka hanolo ny teny hoe “fahatahorana” amin’ny hoe “fanajana lalina.” Avereno io asa atao io amin’ny alalan’ny fampiasana teny toy ny “fitiavana,” na “fankatoavana,” na “mankatò.” Ahoana no hanovan’izany ny fahatakarantsika ny dikan’ny hoe fahatahorana an’Andriamanitra?

  • Asao ny ankizy tsirairay hifidy ny iray amin’ireto andininy ireto mba hovakiny, dia hitady ny teny hoe “matahotra”: Ohabolana 1:7; 2:5; 15:33; 16:6. Angataho ny ankizy hizara ny zavatra ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina novakiny mikasika ireo fitahiana azo rehefa matahotra ny Tompo isika, izay midika fa maneho fanajana lalina Azy isika ( jere o koa ny Ohabolana 14:26–27). Ahoana no ahafahantsika maneho amin’ny Tompo fa tia sy manaja Azy isika?

Ohabolana 3:5–7

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra.”

  • Iaraho mamaky ny Ohabolana 3:5–7, ary asao ny ankizy mba hitanisa ireo zavatra lazain’ireo andininy ireo fa tokony hataontsika na tsy tokony hataontsika. Anontanio azy ireo hoe inona no tsapany fa mety ho dikan’ireo zavatra ireo. Inona avy ireo toetra tsara hitantsika ao amin’ireo olona atokisantsika? Inona avy ireo toetra tsara ananan’ny Tompo ka manampy antsika hatoky Azy?

  • Mba hanehoana ny dikan’ny hoe “fa aza miankina amin’ny fahalalanao,” dia avelao ireo ankizy hanankina hazo kely na pensilihazo amin’ny zavatra isan-karazany, toy ny boky, na taratasy kely. Inona amin’ireo zavatra ireo no mahomby indrindra? Nahoana no zava-dehibe ny “[Matoky] an’i Jehovah” fa tsy miankina amin’ny “fahalala[ntsika]”?

Ohabolana 15:1,18; 16:32

“Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy.”

Matetika ny fitenenana amim-pahatezerana no mahatonga ny toe-draharaha manahirana hiharatsy kokoa. Ireo andininy ireo dia mampianatra fa ny teny lazaintsika sy ny fihetsitsika dia afaka mampitony ny fisafoahana na ny hatezerana.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe fahatezerana mafy sy fifandirana dia mizarà ohatra ana fifandirana mety hisy eo amin’ny ankizy. Asao avy eo ny ankizy hamaky ny Ohabolana 15:1,18; 16:32 ary hitady ny torohevitra azon’izy ireo omena an’ireo ankizy mifanditra. Isaky ny mizara hevitra ny ankizy dia asao izy ireo hamafa ampahany amin’ireo teny eny amin’ny solaitrabe. Asao izy ireo hanolo ireo teny ireo amin’ny teny hafa mamariparitra toetra tahaka ny an’i Kristy izay mitondra fiadanana.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra tantara ao amin’ny soratra masina izay nanehoan’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny ohatra ny zavatra ampianarina ao amin’ny Ohabolana 15:1,18; 16:32. Mba hahitana hevitra vitsivitsy dia azon’izy ireo atao ny mijery ao amin’ny Jaona 8:1–11; 18:1–11. Miaraha mihira hira iray momba ny ohatry ny Mpamonjy, toy ny “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 40–41). Ahoana no hanarahantsika ny ohatr’i Jesoa rehefa mifanerasera amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ny namana ary ny hafa isika?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ny ankizy hifidy andinin-tsoratra masina novakiny tao an-dakilasy izay tiany. Amporisiho izy ireo hizara izany andininy izany amin’ny fianakaviany ary hilaza amin’izy ireo ny zavatra nianarany avy tamin’izany.

Manatsara ny fampianarantsika

Mivoatra amin’ny maha-mpampianatra tahaka an’i Kristy. Saintsaino ireo fomba azonao hanatsarana ny fahaizanao manampy ny ankizy hanorina ny finoany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Afaka manampy ireo fanontaniana fanaovana tomban’ezaky ny tena manokana ao amin’ny pejy 37 amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy.