Testamenta Taloha 2022
5–11 septambra. Isaia 1–12: “Andriamanitra no famonjena ahy”


“5–11 septambra. Isaia 1–12: -Andriamanitra no famonjena ahy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“5–11 septambra. Isaia 1–12,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
mpaminany fahiny manoratra

The Prophet Isaiah Foretells Christ’s Birth (Manambara mialoha ny amin’ny fahaterahan’i Kristy ny mpaminany Isaia), nataon’i Harry Anderson

5–11 septambra

Isaia 1–12

“Andriamanitra no famonjena ahy”

Mety ho sarotra takarina ny tenin’i Isaia. Eo am-pandinihanao ny fomba hampianarana ireo ankizy momba an’i Isaia dia mifantoha amin’ireo fahamarinana tsotra izay afaka mampatanjaka ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo ankizy hizara zavatra nataony vao tsy ela mba hiainana ny filazantsara, toy ny mivavaka, na maneho hatsaram-panahy amin’ny hafa, na mankatò didy hafa.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Isaia 2:2–3

Mianatra momba an’i Jesoa Kristy isika any amin’ny tempoly.

Nahita mialoha ny fotoana izay hahatonga ny tempoly ,“tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah,” hahasarika ny “jentilisa rehetra” Isaia. Azonao ampiasaina io faminaniana io mba hanampiana ireo ankizy hiandrandra ny fotoana izay ahafahan’izy ireo mandeha any amin’ny tempoly.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hanao sary ny tranon’izy ireo. Avy eo dia iaraho vakina ny Isaia 2:2, ary asao izy ireo hanao sary ny “tranon’i Jehovah,” dia ny tempoly. Vakio miaraka ny andininy 3 ary asao izy ireo hanampy olona maro manatona ny tempoly eo amin’ny sary nataon’izy ireo ka tafiditra amin’izany ny fianakaviany. Nahoana isika no maniry ny ho any amin’ny tranon’ny Tompo? Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fitahiana tonga rehefa mianatra momba ny Tompo ao amin’ny tranony isika.

  • Asaivo mihazona sarina tempoly iray ny ankizy iray, ary angataho ireo ankizy hiresaka momba ny zavatra hitany eo amin’ny sary. Anontanio azy ireo ny zavatra tiany momba ny tempoly. Miaraha mamaky ny Isaia 2:2–3 ary asaivo hainoan’izy ireo ny antony hafa tokony hitiavantsika ny tempoly. Lazao amin’ireo ankizy ny antony itiavanao ny tempoly.

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny hira iray momba ny tempoly, toy ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy,99). Ampio ireo ankizy hahita teny sy andian-teny ao amin’ilay hira izay mampianatra ny atao hoe tempoly sy ny zavatra atao any.

  • Manaova sarina lalana eny amin’ny solaitrabe, ary asio sarin’ny tempoly na ny Mpamonjy amin’ny farany. Asaivo manao sarin’izy ireo mandeha eo amin’ilay lalana ireo ankizy. Eo am-panaovan’izy ireo izany dia asao izy ireo hamerina ity andian-teny nalaina avy ao amin’ny Isaia 2:3 ity: “Handehanantsika amin’ny atorony.” Inona no azontsika atao mba handehanantsika amin’ny atorony?

Sary
vehivavy mitrotro zazakely

“Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika” (Isaia 9:6).

Isaia 9:5

Naminany momba an’i Jesoa Kristy Isaia.

Ny mpaminany rehetra dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, anisan’izany ireo izay niaina ela be talohan’ny nahaterahany, toa an’i Isaia. Eritrereto ny zavatra azon’ireo ankizy ianarana momba an’i Jesoa avy amin’ny faminanian’i Isaia ao amin’ny Isaia 9:6.

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao amin’ireo ankizy ny “Isaia mpaminany” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha). Miatoa imbetsaka mba hahafahan’ireo ankizy miresaka momba ny zavatra fantatr’Isaia momba an’i Jesoa Kristy taona maro talohan’ny nahaterahany. Vakio amin’ireo ankizy ny Isaia 9:6 ary asao izy ireo hiaraka hamerina aminao ny anarana tsirairay izay nolazain’ Isaia fa hiantsoana an’i Jesoa Kristy.

  • Soraty eo amin’ny tapa-taratasy ny sasany amin’ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy hita ao amin’ny Isaia 9:6 (jereo ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity). Asao ny ankizy tsirairay haka anankiray amin’izany, ary ampio izy hamaky ilay anarana fiantsoana amin’ny kilasy. Resaho amin’ireo ankizy ny dikan’ireo anarana fiantsoana ireo aminao. Omeo sarin’i Kristy ny ankizy anankiray, dia asao izy hizara zavatra momba an’i Jesoa ary avy eo dia hanome ilay sary amin’ny ankizy iray hafa. Avereno io asa atao io mandrapahatonga ny ankizy rehetra nanana fahafahana nizara.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Isaia 1:2–4, 16–19

Noho i Jesoa Kristy dia afaka mibebaka sy ho voadio aho.

Isaia dia niaina nandritra ny fotoana izay nialan’ireo vahoakany tamin’ny Tompo. Saingy nampanantena azy ireo ny Tompo fa afaka ny ho voavela ny helok’izy ireo raha toa ka mibebaka. Manome antsika io fampanantenana io koa Izy.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ireo ankizy hamaky ny Isaia 1:2–4 ary hiresaka momba ny sasany amin’ireo antony tsy nahafaly ny Tompo tamin’ny vahoakan’i Joda. Avy eo dia vakio miaraka ny Isaia 1:16–19 mba hamantarana ny zavatra nasain’ny Tompo mba hataon’ny vahoakany. Raha ilaina dia ampio ireo ankizy hahatakatra ireo teny na andian-teny sarotra. Mba hanampiana azy ireo haka sary an-tsaina ny andininy 18, dia manehoa zavatra mena midorehitra sy zavatra fotsy be. Inona no zavatra ianarantsika momba ny famindram-pon’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo? Asao ireo ankizy hizara ny zavatra tsapany mahakasika ny fanomezan’i Jesoa Kristy ny famelan-keloka, dia zarao ihany koa ny fahatsapanao.

  • Ampio ireo ankizy hanao tsianjery ny Isaia 1:18. Soraty eny amin’ny solaitrabe ilay andininy ary asao ireo ankizy hamerimberina izany imbetsaka, ka fafao tsikelikely ny teny iray ao amin’izany mandrapahaizany izany tsianjery. Afaka mampiasa tapa-taratasy ihany koa ianao izay misy ireo teny nalaina avy tao amin’ilay andininy voasoratra eo aminy. Nahoana no zava-dehibe ny mahatsiaro mandrakariva ny zavatra ampianarin’io andininy io? Ifanakalozy hevitra ny ahafahan’ny fanaovana batisa sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo manatanteraka io fampanantenana io amintsika.

Isaia 2:2–5

Mianatra momba an’i Jesoa Kristy isika any amin’ny tempoly.

Ny faminanian’i Isaia momba “ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo” dia manambara ireo fitahiana sasany avy amin’ny fanompoana any amin’ny tempoly, miaraka amin’ireo fitahiana hafa izay ho avy amin’ny andro farany. Saintsaino ny fomba hitaomanao ireo ankizy hikatsaka ireo fitahiana ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ireo ankizy hamaky momba ny zavatra hitan’i Isaia ao amin’ny Isaia 2:2–3 ary hanao sary izay eritreretiny fa mety ho endrik’izany. Hazavao fa ny tempoly dia nantsoin’i Isaia hoe “ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo.” Nahoana araka ny eritreritrao no tandindona tsara maneho ny tempoly ny tendrombohitra?

  • Asao ireo ankizy mba hamaky ny Isaia 2:2–3,5 ka hanondro zavatra ao amin’ireo andininy ireo izay mitaona azy ireo ho any amin’ny tempoly indray andro any. Avy eo dia iaraho mamaky ny andininy 4 ary mifanakaloza hevitra momba ny fomba hanampian’ny tempoly ny fiadanana voafaritra ao amin’io andininy io. Ampio izy ireo hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo miomana dieny izao mba ho any amin’ny tempoly indray andro any.

Isaia 7:14; 9:6–7

Naminany momba an’i Jesoa Kristy Isaia.

Naminany ny amin’ny fahaterahan’ny zaza iray Isaia izay hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy hanorina fanjakana izay tsy hisy fiafarana. Ahoana no fomba hanampianao ireo ankizy ampianarinao hahatakatra ireo faminaniana momba an’i Jesoa Kristy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ireo ankizy mba hanome ohatra ana anarana fiantsoana mety hananan’ny olona iray, toy ireo anarana fiantsoana mifandraika amin’ny asa, na antso, na ekipa, na fianakaviana. Inona no lazain’ireo anarana fiantsoana ireo momba ilay olona izay mitondra azy? Ampio ireo ankizy hitady anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Isaia 7:14 sy 9:6–7. Inona no ampianarin’ireo anarana fiantsoana tsirairay ireo antsika momba Azy? Inona koa no ianarantsika momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo?

  • Iaraho vakina ny Matio 1:21–23 sy Lioka 1:31–33 dia mifanakaloza hevitra momba ny fomba nahatanterahan’ireo faminanian’i Isaia ao amin’ny Isaia 7:14; 9:6–7 rehefa teraka i Jesoa Kristy.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Angataho ireo ankizy mba hieritreritra zavatra momba ny Mpamonjy ka azon’izy ireo zaraina any an-trano amin’ny fianakavian’izy ireo, toy ny iray amin’ny fiantsoana Azy.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy hanorina fahatokian-tena. Ny ankizy sasany dia mety tsy hahatsapa tena ho afaka hianatra samirery ny filazantsara. Fomba iray hanorenana ny fahatokian-tenan’izy ireo ny fiderana azy ireo rehefa mandray anjara izy ireo ao amin’ny kilasy. Ampanantenao ny ankizy fa hanampy azy ireo ny Fanahy Masina rehefa mianatra izy ireo.