“4–10 aogositra: -Mitsangàna eo amin’ny toerana masina ianareo-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
4–10 aogositra: “Mitsangàna eo amin’ny toerana masina ianareo”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87
Matetika ny andron’ny Krismasy no fotoana iray hisaintsainana ireo hafatra toy ny hoe “fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany” (jereo ny Lioka 2:14). Saingy tamin’ny 25 desambra 1832 dia sahiran-tsaina tamin’ny fanambanan’ny ady nisy i Joseph Smith. Vao avy nihantsy ady tamin’ny fitondram-panjakana mihitsy ny faritanin’i Caroline du Sud ao Etazonia ary niomana ny hiady. Ary nambaran’ny Tompo fa vao ny fiantombohany fotsiny izany: “[Ny] ady,” hoy izy “dia [halatsaka] amin’ny firenen-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:2). Toy ny hoe ho tanteraka tsy ho ela ilay faminaniana.
Kanefa tsy tanteraka izany. Tao anatin’ny herinandro vitsy monja dia nahita marimaritra iraisana i Caroline du Sud sy ny fitondram-panjakan’i Etazonia ary dia voasoroka ny ady. Kanefa ireo fanambarana dia tsy tanteraka foana amin’ny fotoana na amin’ny fomba andrandraintsika. Efa ho 30 taona taty aoriana, fotoana ela taorian’ny naha-maty martiora an’i Joseph Smith, dia nikomy i Caroline du Sud ary nisy ny ady an-trano taorian’izany. Nanomboka teo dia nanohy niteraka “[f]itolokoan’ny … tany” ny ady manerana izao tontolo izao (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:6). Tsy dia ilay faminaniana ny fotoana hitrangan’ny loza loatra no tena nampanan-danja io fanambarana io fa ny fampianarany ny amin’izay tokony hatao rehefa tonga izany. Mitovy ny torohevitra nomena na tamin’ny taona 1831 na 1861 na ho an’ny taona 2025: “Mitsangàna eo amin’ny toerana masina ianareo ary aoka tsy hoesorina” (andininy 8).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:1–2
Tian’ny Tompo “[h]itana ny tantara” aho.
Jereo ny zavatra tian’ny Tompo ho tafiditra tao amin’ny “tantara” izay resadresahina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85: 1–2. Nahoana araka ny eritreritrao no tiany hitana tantara ireo Olomasiny? Inona no azonao raketina momba ny “toe-piaina[nao], ny finoa[nao],ary ny asa[nao]” izay mety ho fitahiana ho anao sy ny taranaka ho avy? Ahoana no mety hanampian’ny fitanana tantaran’ny tena manokana anao hanatona an’i Kristy?
Jereo koa ny “Notre journal personnel est bien plus précieux que l’or ,” Enseignements des présidents de l’Église : Wilford Woodruff (2011).ChurchofJesusChrist.org
Turning Hearts
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:6
Mibitsika amin’ny “feo tony sy malefaka” ny Fanahy Masina.
Saintsaino ny teny nampiasain’i Joseph Smith hamariparitana ny Fanahy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:6. Amin’ny fomba ahoana no maha-“tony” sy “malefaka” ny feon’ny Fanahy? Diniho ireto famaritana fanampiny nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith ireto: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–24; 8:2–3; 9:7–9; 11:12–13; 128:1. Ahoana no fomba iresahan’ny Fanahy aminao?
Jereo koa ny Lioka 24:32; Môzià 5:2; Almà 32:28; Helamàna 5:30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–23; 11:12–13.
Mampiasà lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana. Mahatadidy tsara kokoa ny lesona iray momba ny filazantsara ny olona rehefa mahita na mandray anjara amina lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana mifandray amin’ny zavatra izay ianaran’izy ireo. Ohatra, rehefa mampianatra momba ny feo tony sy malefaky ny Fanahy, dia azonao atao angamba ny mandefa raki-kira misy hira masina mandeha moramora, ary ny mpianatra dia afaka miresaka mikasika ny zavatra tsapan’izy ireo avy amin’ilay hira sy ny mety hahasarotra kokoa ny fandrenesana izany raha toa ka misy feo mitabataba manelingelina. Mety hitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ireo zavatra mahavariana amin’ny fiainana izay manakana antsika tsy haheno ilay feo tony sy malefaka izany.
Faritan’ny soratra masina ho feo tony sy malefaka ny feon’ny Fanahy.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86
Hangonina ho any amin’i Kristy ny olomarina amin’ny andro farany.
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86 dia ahitana fanazavana ilay fanoharana ny amin’ny vary sy ny tsimparifary izay hita ao amin’ny Matio 13:24–30, 37–43. Rehefa mianatra momba ny hevitr’io fanoharana io ianao, dia hevero ny hameno tabilao tahaka ity iray ity:
|
Sariohatra |
Ny mety ho heviny |
Fanontaniana hosaintsainina |
|---|---|---|
Sariohatra Mpamafy ny voa | Ny mety ho heviny Mpaminany sy apôstôly | Fanontaniana hosaintsainina Inona no karazana “voa” volen’ny mpaminany sy ny apôstôly? |
Sariohatra Ny fahavalo | Ny mety ho heviny Satana | Fanontaniana hosaintsainina Amin’ny fomba ahoana no iezahan’ny fahavalo manakana ny asan’ny Tompo? |
Sariohatra | Ny mety ho heviny | Fanontaniana hosaintsainina |
Sariohatra | Ny mety ho heviny | Fanontaniana hosaintsainina |
Ireto misy fanontaniana vitsivitsy fanampiny tokony hodinihina:
-
Rehefa avy nanazava ilay fanoharana ny Tompo dia niresaka momba ny fisoronana, ny famerenana amin’ny laoniny ary ny famonjena ny olony (jereo ny andininy 8–11). Inona no fifandraisana hitanao eo amin’ireo lohahevitra ireo sy ilay fanoharana ny amin’ny vary sy ny tsimparifary?
-
Inona no anjara asanao amin’ny fijoroana ho “fahazavana ho an’ny Jentilisa” sy “mpamonjy ho [an’ny olon’ny Tompo]? (andininy 11).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87
Any amin’ny “toerana masina” no ahitana ny fiadanana.
Ilay faminaniana ao amin’ny fizarana 87 dia mampitandrina amin’ireo loza ara-batana mifandray amin’ny ady amin’ny andro farany. Fa ilay torohevitra ao amin’io fanambarana io dia mihatra ihany koa amin’ireo loza ara-panahy. Saintsaino ny fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:
-
Ny faminaniana dia fanambarana omen’ Andriamanitra ny mpaminany iray, izay momba ny ho avy matetika. Inona avy ireo ohatra ana faminaniana nomen’ireo mpaminany fahiny sy maoderina? (Jereo ny Jaona 3:14; Môzià 3:5; Helamàna 14:2–6). Manao ahoana ny fahatanterahan’izany? (Jereo ny Lioka 23:33; Matio 15:30–31; 3 Nefia 1:15–21).
-
Inona avy ireo fitahiana avy amin’ny fanekena ireo faminanian’ireo mpaminanin’ Andriamanitra?
Eritrereto ireo zavatra ireo eo am-pamakiana ny fizarana 87. (Mba hahalalana ny sahan-kevitra ara-tantara sasantsasany, dia azonao atao koa ny mamaky ny fampidirana ity lesona ity.) Inona no ianaranao momba ny faminaniana avy amin’io fanambarana io sy ny fomba nahatanterahan’izany? Inona no holazainao amin’ny olona iray izay misalasala amin’ny faminaniana iray satria tsy tanteraka avy hatrany ilay izy?
Inona no torohevitra omen’ny Tompo ao amin’ny andininy 8? Aiza no misy ireo “toerana masi[nao]” izay ahitanao fiadanana sy fiarovana? Inona no mahatonga ny toerana iray ho masina? Ankoatra ny toerana dia mety hisy koa fotoana masina na fombafomba masina na koa eritreritra masina izay afaka mitondra fiadanana. Ohatra, ahoana no ahafahan’ny tenin’ireo mpaminanin’ Andriamanitra ho lasa toerana masina ho anao? Inona no dikan’ny hoe “mitsangana” sy ny hoe “tsy hoesorina” amin’ireo toerana ireo?
Jereo koa ny “Raha tsapa fa ao ny fitia,” Bokin-kiran’ny ankizy, 76; “La paix et la guerre,” ao amin’ny Révélations dans leur contexte, 158–64.
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:6
Mibitsika amin’ny “feo tony sy malefaka” ny Fanahy Masina.
-
Inona no holazain’ny ankizy raha misy olona manontany azy ireo ny fomba hahafantaran’izy ireo fa miresaka amin’izy ireo Fanahy Masina? Asao izy ireo hamaky momba ny fomba iray namariparitan’i Joseph Smith ny feon’ny Fanahy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:6. Avy eo izy ireo dia afaka mizatra mihaino feo malefaka sy miteny amin’ny feo malefaka. Azonao atao koa ny mizara zavatra niainana rehefa niteny taminao tamin’ny feo tony sy malefaka ny Fanahy.
-
Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ilay andian-teny hoe “feo tony sy malefaka,” dia afaka mandefa moramora hiran’ny ankizy iray ianao, toy ny “Ny Fanahy Masina” (Bokin-kiran’ny ankizy, 56). Angataho ny iray amin’ireo ankizy hamantatra hoe inona ilay hira ary ny ankizy hafa kosa manao feo manelingelina. Avy eo dia azonao averina alefa tsy misy zavatra manelingelina ilay hira. Inona avy ireo zavatra manelingelina azontsika esorina eo amin’ny fiainantsika mba hahatsapantsika matetika kokoa ny Fanahy?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86
Afaka manampy amin’ny fanangonana ny vahoakan’ Andriamanitra aho.
-
Mba hanampiana ireo zanakao hahatakatra ilay fanoharana hazavaina ao amin’ny fizarana 86, dia afaka manomana sary kely be dia be na sarina vary natao tanana ianao ary manafina izany manerana ny efitrano. Hazavao amin’ireo ankizy ilay fanoharana ny amin’ny vary sy tsimparifary (jereo ny Matio 13:24–30), dia iaraho mamaky ny fanamarihana nataon’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:1–7. Azon’ny ankizy atao avy eo ny manangona ireo sarina vary nafenina ary manoratra eo amin’izany ny anaran’ny olona izay azon’izy ireo “hangonina” ho any amin’i Jesoa Kristy. Inona no dikan’izany hoe manangona olona hankany amin’i Jesoa Kristy izany? Inona avy ireo fomba ahafahantsika manao izany?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:11
Afaka ny ho fahazavana ho an’ny hafa aho.
-
Ireo misy fanontaniana azonao apetraka amin’ny ankizy rehefa mifanakalo hevitra momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:11 ianareo: Ahoana no hitahian’ny hazavana antsika? Ohatra ny ahoana rehefa tsy manana hazavana isika? Ahoana no ahafahantsika ho fahazavana ho an’ny olona hafa? Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahantsika “mitozo ao amin’ny fahamoram-panahi[n’i Jesoa]” sy hizara izany amin’ny hafa.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:6, 8
Afaka “mitsan[gana] … eo amin’ny toerana masina” aho.
-
Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:6 mba hianarana momba ireo zavatra nolazain’ny Tompo fa hitranga amin’ny andro farany. Avy eo dia afaka miresaka ny sasany amin’ireo olana hatrehinao sy ny ankizy ianareo. Inona no nolazain’ny Tompo fa azontsika atao mandritra ireo fotoan-tsarotra ao amin’ny andininy 8?
-
Ampio ny ankizy hanao lisitra ireo toerana masina, eritreritra masina, ary asa masina izay afaka manampy azy ireo hiatrika loza ara-panahy.
5:36Standing in Holy Places
4:36Stand Ye in Holy Places - Bloom Where You’re Planted
Toerana masina iray ny tempoly.
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.
Manangona ny vahoakany toy ny vary ny Tompo.