Seminera
Môrônia 4–5: Ny fanasan’ny Tompo


“Môrônia 4–5: Ny fanasan’ny Tompo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môrônia 4–5,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môrônia 4–5

Ny fanasan’ny Tompo

Sary
Mofo sy rano amin’ny fanasan’ny Tompo

Amin’ny maha mpikambana antsika ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, isika dia asaina handray anjara amina ôrdônansy masina sy hanao fanekempihavanana amin’ny Raintsika any An-danitra. Rehefa miezaka mitandrina ny fanekempihavanantsika isika, dia mitahy antsika ny Ray any An-danitra. Ny ôrdônansy andraisantsika anjara matetika indrindra dia ny fanasan’ny Tompo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hihazona ny fanekempihavanana ataonao rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao, mba hanananao ny Fanahin’ny Tompo miaraka aminao.

Inona no antony andehananao any am-piangonana?

Ny Rahavavy Cheryl A. Esplin, mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga Maneran-tany, dia nizara fanontaniana iray napetraky ny zanakalahy iray tamin’ny raibeny 96 taona: “Dada a, fa inona no antony andehananao any am-piangonana? Tsy afaka mahita ianao, tsy afaka mandre, sarotra aminao ny mandehandeha. Inona no antony andehananao any am-piangonana?” (“Ny Fandraisana Fanasan’ny Tompo—Fanavaozana ho an’ny Fanahy,” Liahona, nôv. 2014, 14).

  • Ahoana, araka ny eritreritrao, no mety ho namalian’ilay raim-pianakaviana io fanontaniana io?

“Namaly ilay raim-pianakaviana nanao hoe: -Ny fanasan’ny Tompo. Mandeha any aho mba handray ny fanasan’ny Tompo-” (Cheryl A. Esplin, “Ny fanasan’ny Tompo,” 14).

  • Inona no fantatrao momba ny fanasan’ny Tompo ka mety nahatonga ilay raim-pianakaviana namaly toy izany?

  • Ahoana no maha zava-dehibe ny fanasan’ny Tompo aminao? Nahoana?

  • Inona avy no ezaka ataonao mba hiainana zavatra manan-danja rehefa mandray ny fanasan’nyTompo?

Tao anatin’ny rakitsorany, i Môrônia dia nampiditra ny vavaka nomen’i Jesoa Kristy ny Nefita tany aloha ho an’ny fikarakarana ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Môrônia 4:1–2). Rehefa mandalina ireny vavaka ireny ao amin’ny Môrônia 4–5 ianao, dia henoy ny bitsika mba hahafantarana ny zavatra azonao atao hitandremana ny fanekempihavanana ataonao rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

Ny fanasan’ny Tompo

Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika, dia manao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra sy manavao ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa (jereo ny Môzià 18:8–10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37). “Ny fanekempihavanana dia fifanekena masina eo amin’Andriamanitra sy ny olona iray na vondron’olona iray. Mametraka ireo fepetra manokana Andriamanitra ary mampanantena ny hitahy antsika Izy raha toa ka mankatò ireo fepetra ireo isika” (Miorim-paka ao amin’ny finoana “Fanekempihavanana,” ChurchofJesusChrist.org).

Adikao ao amin’ny diary fandalinanao ity tabilao manaraka ity. Fenoy amin’ny alalan’ny fampiasana ny Môrônia 4:3 ny tsanganana voalohany.

Ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo

Ny zavatra ampanantenaiko hatao

Fomba ihazonana ny fampanantenako

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra ampanantenaintsika rehefa mandray ny mofo isika?

Fomba iray hamintinana ny anjarantsika amin’ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo ny hoe rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika, dia mampanantena ny ho vonona hitondra eo amintsika ny anaran’ny Mpamonjy, hahatsiaro Azy mandrakariva, ary hitandrina ny didiny.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe vonona hitondra ny anaran’ny Mpamonjy eo amintsika?

Nanazava toy izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Mampanantena isika fa hitondra ny anarany eo amintsika. Midika izany fa tsy maintsy mahita ny tenantsika ho toy ny Azy isika. Ho ataontsika lohalaharana eo amin’ny fiainantsika Izy. Haniry kokoa ny zavatra iriny isika toy izay hitady izay irintsika na izay ampianarin’izao tontolo misy antsika izao mba hiantefan’ny faniriantsika. (Henry B. Eyring, “That We May Be One,” Ensign, mey 1998, 67)

  • Ahoana no mety hahafahanao mitondra ny anaran’ny Mpamonjy eo aminao?

  • Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahan’ny fitondrana ny anaran’ny Mpamonjy eo amintsika manampy antsika ho tonga tahaka Azy?

Fenoy amina hevitra momba ny fomba ahafahantsika miezaka mihazona ny tsirairay amin’ny fampanantenantsika ny tsanganana faharoa eo amin’ilay tabilao.

Manana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika

Sary
Zatovovavy mandray ny fanasan’ny Tompo

Vakio ny Môrônia 4:3 sy ny 5:2, hitadiavana fitovitoviana na fahasamihafana eo amin’ny vavaka amin’ny mofo sy ny vavaka amin’ny divay (rano).

  • Inona avy no fitovitoviana hitanao?

  • Inona no hataon’ny Ray any An-danitra raha mitandrina ny fanekempihavanana ataontsika mandritra ny fanasan’ny Tompo isika?

Fitsipika iray ianarantsika ny hoe rehefa mihazona ny fanekempihavanana ataontsika mandritra ny fanasan’ny Tompo isika, dia afaka manana ny Fanahin’ny Tompo hiaraka amintsika mandrakariva isika.

  • Hevero ny fomba anampian’ny fahavononanao hihazona ireto fampanantenana manaraka ireto anao hahafeno fepetra hananana mandrakariva ny Fanahin’ny Tompo miaraka aminao:

    • Ento eo aminao ny anaran’ny Mpamonjy.

    • Tsarovy mandrakariva Izy.

    • Tandremo ny didiny.

  • Ahoana no hahazoanao tombony amin’ny fananana mandrakariva ny Fanahy Masina miaraka aminao?

Nampianatra ny fomba ahafahantsika miantomotra ny fanasan’ny Tompo sy hotahina amin’ny alalan’ny fanekempihavanan’izany ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Vakio ity fanambarana manaraka ity na jereo ny horonan-tsary hoe “The Aaronic Priesthood and the Sacrament” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 6:48 hatramin’ny 7:22 ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Didina isika mba hibebaka amin’ny fahotantsika ka hanatona ny Tompo amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina ka handray ny fanasan’ny Tompo mba hankatoavana ny fanakempihavanana mifandraika amin’izany. Rehefa manavao ny fanekempihavanantsika tamin’ny batisa amin’io fomba io isika, dia havaozin’ny Tompo ilay hery manadio ananan’ny batisantsika. Amin’ny alalan’izany fomba izany no hahafahantsika ho voadio sy afaka manana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika. Ny maha zava-dehibe an’izany dia miharihary noho ilay didin’ny Tompo ny handraisantsika ny fanasan’ny Tompo isaky ny herinandro (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:8–9). (Dallin H. Oaks, “The Aaronic Priesthood and the Sacrament,” Ensign, Nov. 1998, 38)

Mitandrina ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo

Eritrereto ny ezaka ataonao hitandremana ireo fampanantenana ataonao rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao. Inona no mandeha tsara? Inona no azo hatsaraina?

Mifantena fampanantenana iray na maromaro izay tianao hifantohana. Manorata zavatra manokana azonao atao. Azonao atao ny misaintsaina izany amin’ny fotoana manaraka handraisanao ny fanasan’ny Tompo.

Jereo tsara ny fomba anampian’ny fitandremana ny fanekempihavananao anao hanana ny Fanahy Masina miaraka aminao sy ny fiovana hitanao eo amin’ny fiainanao.

  1. Mba hanampiana anao hamintina ny zavatra nianaranao, dia manorata andiam-pehezanteny fohy milazalaza ny fanekempihavanana ataonao rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao sy ny fomba azonao itandremana izany. Ataovy ao ny maha fitahiana eo amin’ny fiainanao ny fananana mandrakariva ny Fanahy Masina miaraka aminao.