Seminera
Môrônia 1: Izaho dia tsy handà an’i Kristy


“Môrônia 1: Izaho dia tsy handà an’i Kristy,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môrônia 1,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môrônia 1

Izaho dia tsy handà an’i Kristy

Sary
Môrônia

Tsy mbola nisy fotoana nahamora an’izany hoe mpanara-dia an’i Jesoa Kristy izany. Any amin’ny faramparan’ny Bokin’i Môrmôna, i Môrônia mpaminany dia nanambara fa ny mpanara-dia an’i Kristy dia novonoina raha tsy nandà ny Mpamonjy (jereo ny Môrônia 1:2). Noho i Môrônia tsy nety nandà an’i Jesoa Kristy, dia voatery nirenireny tany amin’izay nahitany fiarovana izy ary niafina hatrany ny Lamanita. Angamba mety ho nahatsapa ho irery ianao rehefa niezaka niaina ny finoanao sy tsy nivadika tamin’ny Mpamonjy sy ny Fiangonany. Ity lesona ity dia afaka manampy amin’ny fandrisihana anao hanaraka lalandava an’i Jesoa Kristy fa tsy handà Azy.

Miatrika fanoherana

Makà fotoana hieritreretana momba ny fomba mazatra ataonao rehefa voahodidin’ireo izay mety ho tsy mitovy fenitra na finoana an’Andriamanitra aminao.

Sary
Efajoro maitso, mavo, volomboasary ary mena

Mety ho afaka manampy anao haka sary an-tsaina ny ambaratongam-panoherana samy hafa izay mety hatrehin’ny mpianatr’i Jesoa Kristy ny loko ao amin’ity kisary ity. Ny maitso dia mety haneho ny tsy fisian’ny fanoherana. Ny mavo sy volomboasary dia mety haneho ambaratongam-panoherana miakatra, fa ny mena kosa dia mety haneho ny fanoherana sarotra indrindra.

Ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia nanompo tao amin’ny miaramila fony izy zatovolahy ary nanatri-maso fihetsika maneho fahasahiana maro. Nizara ity ohatra manaraka ity izy.

Eritrereto ny loko hosafidinao mba hanehoana ny ambaratongam-panoherana niainan’io zatovolahy io. Inona araka ny eritreritrao no hataonao manoloana ana toe-javatra mitovitovy amin’izany?

Ny iray tamin’izany izay tsy hohadinoiko velively dia ilay herimpo mangina nananan’ny tantsambo 18 taona iray—tsy mpikambana ato amin’ny Fiangonantsika—izay tsy mba menamenatra nivavaka. Tao anatin’ireo lehilahy miisa 250 tao anatin’ilay andian-tafika, dia izy irery ihany no nandohalika teo akaikin’ny fandriany isak’alina ary indraindray teo anivon’ny fandrabirabiana sy fananihaniana nataon’ireo tsy mpino. Nanondrika ny lohany izy ary nivavaka tamin’Andriamanitra. Tsy mba natahotra velively izy. Tsy nisalasala velively. Nanana herimpo izy. (Thomas S. Monson, “Mahereza sy Matanjaha,” Liahona, mey 2014, 67)

  • Inona no zavatra nisongadina taminao tamin’io ohatra io?

  • Inona no heverinao fa sarotra momba ny fanarahana mandrakariva an’i Jesoa Kristy? Inona no manampy anao?

Mitanisà toe-javatra hafa sasany izay mety hahasarotra ny fanarahana an’i Jesoa Kristy. Miezaha maka sary an-tsaina antsipiriany manokana ary hevero hoe loko inona ao amin’ilay kisary no hifanaraka indrindra amin’ny toe-java-misy tsirairay.

Mazava ho azy, ny miresaka momba ny fanoloran-tenantsika amin’i Jesoa Kristy dia tena mora kokoa noho ny manohy hatramin’ny farany mandritra ny fotoana itsapana antsika. Rehefa mandalina ianao, dia katsaho ny hahita fandrisihana ilainao mba tsy hivadihana amin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy amin’ny fenitry ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny.

Nohazain’ny Lamanita i Môrônia

Rehefa nomena ny andraikitra hihazona sy hiaro ireo rakitsoratry ny vahoaka Nefita i Môrônia, dia niatrika fanoherana ihany koa izy.

Vakio ny Môrônia 1:1–4, ka hevero ny mety handrefesanao ny fanoherana natrehiny.

Mba hanampiana anao hahazo an-tsaina tsara kokoa amin’ny hoe mety ho zavatra nanjo an’i Môrônia, dia azonao jerena ihany koa ny “Moroni invite le monde entier à venir au Christ” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 0:00 hatramin’ny 3:59, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Ahoana no hanomezanao taha ny hamafin’ny fanoherana natrehan’i Môrônia?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Môrônia?

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe afaka ny tsy hivadika amin’i Jesoa Kristy amin’ny toe-javatra rehetra isika ary tsy mandà Azy.

  • Nahoana no zava-dehibe amintsika ny tsy mivadika na mahatoky amin’i Jesoa Kristy?

  • Inona araka ny eritreritrao no zavatra niainan’i Môrônia ka nanampy azy tena hahatoky tamin’i Jesoa Kristy?

  • Inona no fantatrao momba an’i Jesoa Kristy ka afaka mandrisika anao tsy handà Azy?

Hevero ny hanisy marika ny tenin’i Môrônia ao amin’ny andininy 3. Azonao atao ihany koa ny manoratra ny anaranao eo akaikin’ny an’i Môrônia mba hanampy amin’ny fandrisihana anao hanaraka lalandava an’i Jesoa Kristy.

Jereo ny sasany amin’ireto ohatra manaraka mombana olona izay tsy nivadika tamin’ Andriamanitra nandritra ny toe-javatra sarotra ireto.

Mampiseho ny fanolorantenantsika

  • Oviana no nanehoanao na ny olona iray fantatrao fanolorantena ho an’i Kristy tanatina toe-javatra sarotra?

  • Misy ve toe-javatra iatrehanao fanoherana amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no azonao atao mba tsy hivadika amin’i Jesoa Kristy amin’ireny toe-javatra ireny?

  1.  Vitao ireto manaraka ireto:

    Mba hanampiana anao hamintina ny zavatra nianaranao avy amin’io lesona io, dia manaova afisy na fanehoan-kevitra an-jotra izay afaka mandrisika anao sy ny hafa tsy hivadika velively amin’i Kristy amin’ny toe-javatra rehetra. Asio hafatra iray avy amin’ny soratra masina izay afaka mandrisika anao ho marina amin’i Jesoa Kristy fa tsy handà Azy ao anatin’izany. Azonao atao mitovy amin’ireo ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery! ny afisinao. Ity misy ohatra iray:

Sary
afisy momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Azonao atao ny manomboka amin’ny alalan’ny fitadiavana sary ao amin’ny fizaràna “Collection d’images” ao amin’ny www.ChurchofJesusChrist.org/media na mamorona ny fanehoana an-tsary anao manokana mba hanampy amin’ny fampitana ny hafatrao. Avy eo dia mitadiava soratra masina iray hampidirina miaraka amin’ny sarinao. Azonao atao ny mampiasa andininy iray avy ao amin’ny Môrônia 1, soratra masina iray hitanao manokana, na anankiray avy ao amin’ity lisitra manaraka ity.