Seminera
Môrônia 6: Mandray anjara sy manompo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo


“Môrônia 6: Mandray anjara sy manompo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môrônia 6,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môrônia 6

Mandray anjara sy manompo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo

Sary
zatovovavy miteny mandritry ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Amin’ny maha mpikambana vita batisa ao amin’ny Fiangonan’i Kristy antsika dia manana fahafahana handray anjara sy hanompo amin’ny fomba maro samy hafa isika. Ao amin’ny Môrônia 6, i Môrônia dia nanohy ny toromariny hanampiana amin’ny fanatanjahana sy fanorenana ny Fiangonana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hiezaka hanompo ny hafa sy hanaraka ny Mpamonjy amin’ny maha mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anao.

Mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy

Sary
Mpiangona ao amin’ny paroasy mihira mandritry ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Ao amin’ny diary fandalinanao na amina taratasy mitokana, manaova tsipika hizaràna ilay pejy ho antsasany antsasany. Eo amin’ny antsasany iray, manaova sary tsotsotra ana ’olona iray, maneho mpikambana iray ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy. Ataovy lehibe ahafahanao manoratra ao anatiny ilay sary tsotsotra. Ao anatin’ilay sary nataonao, manorata zavatra roa na telo nataonao na andrandrainao hatao mba hiomanana amin’ny batisa ao amin’ny Fiangonana. Azonao atao ny manohy manampy ao amin’ny lisitra ao amin’ny sary nataonao mandritra ny lesona.

Ao amin’ny Môrônia 6, i Môrônia dia nanohy ny fampianarany momba ny fanorenana ny Fiangonana sy fanatanjahana ny mpikambana ao amin’izany. Ato amin’ity toko ity isika dia mianatra ny sasany amin’ireo anjara asantsika sy fahafahantsika manatanteraka ny asan’ny Tompo ao amin’ny Fiangonany.

Vakio ny Môrônia 6:1–3, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Môrônia momba ny fomba ahafahan’ny olona iray mampiseho fa vonona amin’ny batisa ao amin’ny Fiangonan’i Kristy izy. Ampidiro ao amin’ny lisitra ao anatin’ny sary nataonao ny zavatra hitanao.

  • Ahoana, araka ny eritreritrao, no anomanan’ireo asa sy toe-tsaina ireo ny olona iray ho amin’ny batisa?

I Môrônia dia nampianatra fa raha vao vita batisa isika, dia “[raisina] ho isan’ny vahoakan’ny fiangonan’i Kristy” (Môrônia 6:4). Tonga mpandray anjara amin’ny rafitra iray ato amin’ny Fiangonana izay natao hanamafisana orina sy hanorenana antsika amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika isika. Rehefa manohy mandalina ny Môrônia 6 ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahanao manompo sy manamafy orina ny hafa amin’ny maha mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany vita batisa anao.

Fahafahana sy andraikitra

Manodidina ilay sary nataonao tany aloha, soraty ny sasany amin’ny filàna, fanantenana, na zavatra tadiavin’ny mpikamban’ny Fiangonana.

Eo amin’ny antsasany iray hafa amin’ny taratasinao na pejin’ny diarinao, soraty ity fahamarinana tsy feno manaraka ity: Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy, isika dia afaka mifanampy sy mifanamafy orina rehefa …

Halalino ny Môrônia 6:4–9, hitadiavana fomba maro ahafahanao mamarana ilay fanambarana. Soraty eo amin’ny taratasinao ny lisitry ny fanambarana samy hafa nataonao. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny hoe mamahana dia midika hoe manohana na manome vahana ny fitomboana.

Mety nahita iray amin’ireto ianao tamin’ireo fahamarinana maro ao amin’ireo andininy ireo: Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy antsika, isika dia afaka mifanampy sy mifanamafy orina rehefa …

  • mifamahana ara-panahy amin’ny teny soan’ Andriamanitra (andininy 4).

  • mifanamafy orina ara-panahy (andininy 5).

  • mampianatra sy mivavaka araka ny herin’ny Fanahy Masina (andininy 9).

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Iza amin’ireo asa ireo no mora kokoa aminao raha ny fahitana azy? Iza no mety ho fanamby? Nahoana?

    • Mety ho ahoana ny endrika isehoan’ireo asa ireo ao amin’ny kilasy na kôlejy misy anao?

    • Ahoana no ahafahan’ny fanaovana asa hanatanterahana an’ireo fahamarinana ireo manampy anao amin’ny zavatra ilainao?

Fanomezana sy fandraisana

Nanao fanamarihana toy izao ny Filoha Bonnie L. Oscarson, Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany teo aloha:

Tsy mpandray sy mpaka fotsiny izay atolotra any am-piangonana isika, fa ilaina isika ho mpanome sy mpamatsy. Ry zatovovavy sy zatovolahy, amin’ny manaraka rehefa any amin’ny [Fiaraha-mientan’ny zatovo] ianareo, raha tokony handray ny telefaoninareo mba hijery izay ataon’ny namanareo ianareo, dia ajanony izany, jereo ny manodidina, dia manontania tena hoe: “Iza no mila ahy androany?” Mety ianao no fanalahidy ahafahana manampy mpiara-miangona iray sy mitondra fiovàna eo amin’ny fiainany na ahafahana mankahery namana iray izay mitolona mangina.

Angataho ny Rainao any An-danitra mba hampiseho ireo olona manodidina anao izay mila ny fanampianao sy hanome hevitra momba ny fomba tena tsara hanompoana azy ireo. Tsarovy fa tena matetika ny Mpamonjy no nanompo olona iray isaky ny mandeha. (Bonnie L. Oscarson, “Ireo filàna fanampiana eo anoloantsika,” Liahona, nôv. 2017, 26)

  1. Valio ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona amin’ny torohevitry ny Rahavavy Oscarson no heverinao fa zava-dehibe ny hahatsiarovana azy ary nahoana?

    • Oviana no nahitanao ireo fahamarinana nampianarin’i Môrônia nisy nampihatra tamin’ny alalan’ny asa? Inona no fiovana nentin’ny fanaovana asa nifanaraka tamin’ireo fahamarinana ireo teo amin’ny fiainan’ny hafa?

    • Ahoana no ahafahan’ny fanarahana ny torohevitr’i Môrônia manampy anao ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa?

Mba hahitana ohatry ny zatovovavy iray izay nampihatra ny torohevitr’i Môrônia, dia jereo ny “Maso hahita” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:55 htramin’ny 6:55 ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ny dingana ataoko manaraka

Saintsaino mandritra ny fotoana fohy ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany. Avy eo dia alaovy sary an-tsaina ny fandehanana mankany amin’ny fivoriana na fiaraha-mientana karakarain’ny Fiangonana izay halehanao amin’ny manaraka. Inona araka ny eritretreritrao no mety hasain’ny Tompo hataonao? Hevero ny hanao fanamarihana ao amin’ny diary fandalinanao mba hanampy anao hahatsiaro ny tari-dalana noraisinao.

Azonao atao ihany koa ny mikatsaka amim-bavaka ny fanampian’ny Ray any An-danitra mba hahalalana izay mila ny fifantohanao sy ny fanampianao. Asao Izy hanampy anao hahafantatra ny zavatra azonao atao mba hikarakarana mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana araka izay mety ho nataon’ny Mpamonjy.