Seminera
Tombano ny fianaranao 8: 3 Nefia 8–Môrmôna 6


“Tombano ny fianaranao 8: 3 Nefia 8–Môrmôna 6,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Tombano ny fianaranao 8,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Tombano ny fianaranao 8

3 Nefia 8Môrmôna 6

Sary
zava-maniry tanora amina dingam-pitomboana samy hafa

Ny fisaintsainana sy fanombanana ny fianaranao ara-panahy dia afaka manampy anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanombana ireo tanjona napetrakao sy ny fitomboana izay niainanao hatreto nandritra ny fandalinanao vao haingana ny 3 Nefia 8 hatramin’ny Môrmôna 6.

Fanamarinana alohan’ny sidina

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia nizara lesona manan-danja iray avy amin’ny fotoana naha-mpanamory fiaramanidina azy:

Amin’ny fanamoriana fiaramanidina, dia haingana no ianaranao fa ny lalan’ny sidina ataonao dia miankina lehibe amin’ny fomba fisahananao ny hery mitarika ivelany manahirana toy ny rivotra sy toetrandro. Mbola manan-danja noho izany aza ny fanapahan-kevitra raisinao asetry ireny hery mitarika ivelany ireny. … Mba tsy ho diso amin’ny fandraisana ireny fanapahan-kevitra ireny, dia manampy ny fahalalana ny tena toerana misy anao. (Dieter F. Uchtdorf, “As You Embark upon This New Era,” BYU Speeches, 23 apr. 2009, 4)

  • Nahoana no zava-dehibe amin’ny mpanamory fiaramanidina ny fahafantarana ny toerana misy azy alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra?

  • Ahoana no ifandraisan’ny ohatry ny mpanamory fiaramanidina mamantatra ny toerana tena misy azy amin’ny fanatsarana ny tenanao ara-panahy?

Alohan’ny hamerenana mijery lohahevitra manokana nianaranao tamin’ny seminera, dia hevero ny zavatra nanan-danja taminao amin’ny ankapobeny kokoa. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto. Hevero ny hirakitra an-tsoratra ny valinteninao ao amin’ny diary fandalinanao.

  • Inona no nianaranao tamin’ny fandalinanao vao haingana ka nisy fiantraikany indrindra?

  • Inona avy no fiovana voamarikao tamin’ny fahatsapanao na toe-tsainao tato ho ato?

  • Inona avy no fomba sasantsasany nampiharanao ny zavatra nianaranao?

Manazava ny fotopampianaran’i Kristy

Mety tsaroanao fa fotoana fohy taorian’ny nisehoan’ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty voalohany tamin’ny Nefita, dia nizara fahamarinana manan-danja momba ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handraisana ireo fitahian’ny fiainana mandrakzay Izy (jereo ny 3 Nefia 11:31–39 sy ny 3 Nefia 27:13–22). Matetika isika no miantso ireo fampianarana ireo hoe “fotopampianaran’i Kristy” (2 Nefia 31:21). Hanana fahafahana hanazava ireo fampianaran’ny Mpamonjy amin’ny teninao manokana amin’ny alalan’ny fampiasana ity rafi-tantara manaraka ity ianao:

Alaovy sary an-tsaina hoe manana namana iray antsoina hoe Josh izay lasa liana amin’ny Fiangonana ianao. Na dia mahafinaritra azy aza ny zavatra ianarany, dia tsy hitany izay ilana ny hoe hatao batisa.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Andininy inona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no mety hampiasainao hanampiana an’i Josh hahatakatra ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy? (Raha tsy azonao antoka hoe aiza no hanombohana azy, dia mety ho azonao atao ny mijery ny 3 Nefia 11:31–39 na ny 3 Nefia 27:13–22.)

    • Ahoana araka ny hevitrao no mety hanampian’ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo amin’ny fisahanana ny olan’i Josh?

Saintsaino ny fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy

Ny soratra masina dia loharano manan-danja ahafahantsika mianatra misimisy kokoa momba ny toetran’i Jesoa Kristy. Tamina lesona maro, nanomboka tamin’ny 3 Nefia 8–10, ianao dia nasaina hanao lisitra ireo zavatra nianaranao momba an’i Jesoa Kristy rehefa nanao asa fanompoana tamin’ny Nefita taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty Izy. Mety nisy fotoana ihany koa nakanao sary an-tsaina hoe teo ianao tamin’ny fotoana nanaovan’ny Mpamonjy asa fanompoana tamin’ny Nefita. Ny fandinihana ny fanamarihana fohy noraisinao na ny sasany amin’ireo fotoana nalainao sary an-tsaina, dia afaka manampy anao hahatsapa fitiavana ny Mpamonjy na fitiavana avy Aminy.

Makà minitra vitsy hamerenana mijery ny lisitra nataonao ao amin’ny diary fandalinanao, hitadiavana ny zavatra nianaranao momba an’i Kristy ka mety hisy fiantraikany amin’ny fahatsapanao momba Azy. Raha tsy izany dia azonao atao ny mamerina mijery ireo lohatenin’ny toko na soratra masina nomarihinao tamin’ny fandalinanao ny 3 Nefia ka izany zavatra izany ihany no ao an-tsaina.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy no sasantsasany amin’ireo zavatra manan-danja nianaranao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy rehefa nandalina ny asa fanompoany tamin’ny Nefita ianao? Nahoana?

Mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely

Teo am-pandalinanao ny 3 Nefia 15–16; 20–22; sy ny 25, dia nianatra momba ny fanirian’ny Tompo hanangona an’i Isiraely ianao. Mety nanao drafitra hanampy olona iray hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy sy handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ianao.

Makà iray minitra hamerenana mijery ireo drafitra mety nataonao tato ho ato mba handraisana anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Ampiasao ny sasany na ny rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampy amin’ny fanombanana ny fandrosoanao amin’ny drafitrao:

  1. Valio farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

    • Inona no nataonao mba hihetsehana amin’ny drafitra nataonao?

    • Inona no nianaranao tamin’ny fanaovana zavatra amin’ny drafitra nataonao? Ahoana no nitomboanao?

    • Inona no mbola tianao hatao mba handraisana anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely?