Seminera
Môrmôna 1–2: I Môrmôna mpaminany


“Môrmôna 1–2: I Môrmôna mpaminany,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môrmôna 1–2,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môrmôna 1–2

I Môrmôna mpaminany

Sary
I Môrmôna fony izy ankizy kely

Rehefa miezaka mafy manara-dia an’i Kristy ianao, dia mety ho voamarikao indraindray fa mitondra tena tsy tahaka ny olona manodidina anao ianao. Mety ho nieritreritra ianao hoe: “Ahoana no ahafahako ho matanjaka tsara ka ho afaka hanara-dia an’i Kristy rehefa toa tsy manara-dia azy ny fahitana ny hafa?” Niaina toe-javatra mitovitovy amin’izany i Môrmôna mpaminany fony izy tanora. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra avy amin’ny ohatra nasehon’i Môrmôna momba ny fomba fanarahana an’i Kristy na inona na inona safidìn’ny hafa atao.

Misongadina amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy

Sary
gana fingotra volomparasy iray ao anatina gana fingotra mavo be dia be
  • Inona no fampitahana azonao atao eo amin’io sary io sy ny olona iray miezaka manara-dia an’i Kristy eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?

  • Inona avy no toe-javatra sasantsasany izay tsy maintsy isafidianan’ny zatovo amin’ny fanaovana izay mety sy ny fanarahana ny zavatra ataon’ny hafa manodidina azy ireo?

Rehefa manomboka ny fandalinanao ny fiainana sy fampianaran’i Môrmôna mpaminany ianao, dia mitadiava hevi-baovao izay afaka manampy anao hanara-dia ny Mpamonjy rehefa mety hisafidy zavatra hafa ny hafa manodidina anao.

I Môrmôna mpaminany

Sary
I Môrmôna miaraka amin’ireo takela-bolamena

Nofidin’ Andriamanitra hitahiry sy hiaro ireo rakitsoratra masin’ny olony i Môrmôna ary hampiditra ny tantarany sy zavatra niainany manokana ao amin’izany. Ny sasany amin’ireo rakitsoratra izay nosoratany, nofoheziny ary notehiriziny dia hadikan’ny Mpaminany Joseph Smith ho Bokin’i Môrmôna any aoriana.

Vakio ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto mba hianarana zavatra vitsivitsy momba an’i Môrmôna:

  • Inona no nanan-danja taminao tamin’ny famaritan’i Môrmôna?

Na dia tany amin’ny fahatanorany aza i Môrmôna, dia tsy maintsy nofantariny raha hanaraka ny zavatra nataon’ny maro nanodidina azy izy na vonona hiavaka amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy azy.

Mety ho tsaroanao ny fianarana momba ny sivilizasiôna marina izay natsangana taorian’ny fitsidihan’ny Mpamonjy an’i Amerika. Nampalahelo fa taorian’ny efa ho 200 taona niainana tamim-pahamarinana, dia nanomboka niavonavona ny Nefita sy ny Lamanita. Tamin’ny farany dia lasa tena ratsy fanahy sy mpifanditra izy ireo (jereo ny 4 Nefia 1:24–49).

Vakio ny Môrmôna 1:13–14, 16; 2:18–19, hitadiavana ny famaritan’i Môrmôna ilay fiarahamonina nahalehibe azy.

  • Inona no azonao ianarana avy amin’ny ohatr’i Môrmôna?

Noho ny fahamarinan’i Môrmôna, dia nandray fitahiana mahagaga avy amin’ Andriamanitra izy, na dia tany amin’ny fahatanorany aza. Vakio ny Môrmôna 1:15, hitadiavana ny iray amin’ireo fitahiana ireo.

  • Inona avy no fomba mety hitahiana ny zatovo “[hanandrana] sy [hahafantatra] ny hatsaram-pon’i Jesoa”?

  • Ahoana no nitahian’ny Ray any An-danitra anao hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy na dia tsy nanao izany aza ny hafa?

Ohatr’i Môrmôna

Ny ohatr’i Môrmôna dia afaka manampy anao hamantatra fomba manokana maromaro azonao anarahana an’i Kristy na dia tsy manao izany aza ny hafa manodidina anao. Ireto sahanasa manaraka ireto dia afaka manampy anao hampitombo ny fahatakaranao ny toetran’i Môrmôna sy hitady fomba hampiharana izany amin’ny fanarahana an’i Kristy.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao farafahakeliny ny iray amin’ireto sahanasa roa manaraka ireto ary valio ny fanontaniana mifandray amin’izany.

Sahanasa 1

Fahamatorana

Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)—“Môrmôna 1–2: I Môrmôna Mpaminany”

Vakio ny Môrmôna 1:2, 15, ary hevero ny hanisy marika ny teny hoe “matotra”. (Mety ho azonao raketina an-tsoratra ao amin’ny soratra masinao fa ny hoe matotra dia mety hidika hoe manaja, matotra ary mieritreritra.)

Vakio ity teny nambaran’ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:

Nahita maodelin’ny fanajana fatratra sy ny tsy fanajana ao amin’ny Fiangonana isika. Raha toa ka olona maro no tokony hoderaina noho ny fanajana fatratra ananany, isika kosa dia mivily lalana amin’ny fanajana fatratra. Tena manana antony hitebitebena mafy isika. …

Mety amin’ny tanjon’ny fahavalo ny tsy fanajana amin’ny alalan’ny fanembantsembanana ilay tambazotran’ny fanambarana ao amin’ny saina sy ny fanahy. (Boyd K. Packer, “Reverence Invites Revelation,” Ensign, nôv. 1991, 22)

  • Inona avy no zavatra sasantsasany tokony hoentina am-panajana sy amim-pahamatorana ka tsy amim-panajana no itondran’ny sasany azy?

  • Inona avy no fomba sasantsasany anomezan’ny Mpamonjy ohatra amin’ny hoe matotra (manaja, sy matotra, ary mieritreritra)?

Sahanasa 2

Faingam-pandinika

Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)—“Môrmôna 1–2: I Môrmôna Mpaminany”

Vakio ny Môrmôna 1:2 ary hevero ny hanisy marika ny andian-teny hoe “faingam-pandinika”.

Vakio ity teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:

Rehefa faingana amin’ny fandinihana isika dia mijery na mahatsikaritra haingana ary mankatò. Ireo singa fototra roa ireo, ny —fijerena sy fankatoavana—dia zava-dehibe mba ahafahana ho faingana amin’ny fandinihana. Ary ohatra mahatalanjona amin’ny fampiharana io fanomezam-pahasoavana io ny mpaminany Môrmôna. (David A. Bednar, “Quick to Observe,” Ensign, des. 2006, 32)

  • Inona avy no fampianarana hitanao fa manampy amin’ny fahafainganana mahita sy mankatò? Nahoana?

  • Inona no torohevitra azonao omena ny namana iray izay mahatsapa fa afaka miandry any aoriandriana kokoa eo amin’ny fiainana ny fankatoavana ny Tompo?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanomezan’i Jesoa Kristy ohatra amin’ny fahafainganam-pandinika?

Fanampiana sy hery hijanonana ho mahatoky

  1. Vitao ity sahanasa manaraka ity:

    Mba hanampiana anao hahita fomba hampiharana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy eo amin’ny fiainanao manokana, dia mitanisà fanamby roa farafahakeliny atrehin’ny zatovo amin’ny fiainana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Avy eo dia soraty ny fomba mety hahafahan’ny iray na izy roa amin’ireo toetra nohalalininao manampy ny zatovo handray fanampiana sy hery avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.