Seminera
4 Nefia: “Niova fo ho an’ny Tompo”


“4 Nefia: -Niova fo ho an’ny Tompo,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“4 Nefia,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

4 Nefia

“Niova fo ho an’ny Tompo”

Sary
andiam-behivavy falifaly manao akanjo fanao amin’ny andro alahady

Nandritra ny arivo taona maro, ny isam-batan’olona sy fianakaviana ary fiarahamonina dia nikatsaka izay idealy tsara indrindra toy ny firindrana, ny fiadanana ary ny firaisankina. Mety ho zavatra tsy ho tratra ny fahitana izany, saingy misy izy ireo. Ny raki-tantara ao amin’ny 4 Nefia dia ohatra amin’izany. Zavatra fototra iray hahafahana miaina ireo fitahiana ireo ny fampitomboana ny fiovam-pontsika ho an’ny Tompo sy ny fananana ny fitiavana an’ Andriamanitra ao am-pontsika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa fitiavana lehibe kokoa ho ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba ahafahanao hiova fo lalina kokoa ho Azy Ireo.

Fahafahana avy any an-danitra

Alaovy sary an-tsaina hoe hanao ahoana raha toa ka ianao sy ny olona manodidina anao dia tia sy miezaka manara-dia an’i Jesoa Kristy daholo.

  • Inona no mety hiova eo amin’ny fiarahamonina misy anao?

  • Inona no mety hiova ao amin’ny sekoly na fiangonana misy anao?

  • Inona no mety hiova ao amin’ny tokantrano misy anao?

Ny bokin’ny 4 Nefia dia ahitana ny raki-tantaran’ny olona izay niaina taorian’ny fitsidihan’ny Mpamonjy an’i Amerika. Rehefa mandalina ny zavatra niainan’izy ireo ianao, dia tadiavo ny fiantraikan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany tamin’ireo olona ireo. Eritrereto ny fomba ahafahan’ireo fampianarana ireo miantraika amin’ny fomba isafidiananao hiaina ny fiainanao.

Ny fiantraikan’ny filazantsaran’ny Mpamonjy

Vakio ny 4 Nefia 1:1–2, hitadiavana ny fiantraikan’ny Mpamonjy sy ny fampianarany teo amin’ireo olona ireo.

  • Inona no zavatra tsikaritrao?

Azonao atao ny manisy marika ilay andinateny hoe “niova fo ho an’ny Tompo avokoa ny vahoaka” ao amin’ny andininy 2.

Ny hoe miova fo ho an’ny Tompo dia midika hoe “Manova ny finoana, ny fo ary ny fiainana mba hanaiky sy hankatò ny sitrapon’ Andriamanitra … [ary] tonga mpianatr’i Kristy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fiovam-po,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Ny fitahian’ny fiovam-po

Ny Nefita sy ny Lamanita dia niaina fitahiana tsy mampino noho ny fiovam-pon’izy ireo ho amin’i Jesoa Kristy. Ao amin’ny diary fandalinanao, soraty eo afovoan’ny pejy iray ny hoe “Fitahiana avy amin’ny fiovam-po”.

Vakio ny 4 Nefia 1:2–18 ary asio marika ny teny na andianteny izay maneho ireo fitahiana noraisin’izy ireo. Eo amin’ny taratasinao, soraty manodidina ny lohateny hoe “Fitahiana avy amin’ny fiovam-po” ireo teny na andianteny ireo. (Mety hanampy ny fahafantarana ny hevitry ny sasany amin’ireo teny ao amin’ny andininy 16. Ny tabataba dia manondro savorovoro na korontam-bahoaka, ny fijangajangana dia manondro fahotana ara-nofo, ary ny fahalotoam-pitondratena dia manondro filan-dratsy sy fahalotoam-pitondrantena.)

Eritrereto hoe iza amin’ireo fitahiana ireo no irinao hiainana kokoa eo amin’ny fiainanao. Hevero ny hanisy faribolana eo amin’izy ireo ao amin’ilay pejy ao amin’ny diary fandalinanao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no zavatra nisongadina taminao tamin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Nahoana?

    • Miainga amin’ny zavatra nianaranao avy amin’ireo andininy ireo, ahoana no ahafahanao mamarana ity fehezanteny manaraka ity: “Rehefa miova fo ho an’ny Tompo isika …”?

Fahamarinana iray izay azontsika fantarina avy amin’ireo andininy ireo ny hoe rehefa miova fo ho an’ny Tompo isika, dia voatahy ka mahazo fahasambarana sy firaisankina amin’ny maha zanak’i Kristy antsika.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no afaka mamokatra fitahiana toy izany ny fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy sy ny fiainana ny filazantsarany?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana io fahamarinana io miantraika amin’ny zavatra ataontsika isan’andro?

Ny fitiavan’ Andriamanitra

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ity fandinihana manaraka ity momba ny antony nahatonga ireo olona ireo ho afaka niaina tamina fahasambarana sy firaisankina toy izany.

Inona no zavatra hahatonga ity fivoarana amin’ny fiainana mahafam-po sy feno fifaliana ity? Voarakitra ao anatin’ireo teny ao amin’ny fehezan-teny iray izany manao hoe: “Ny fitiavan’ Andriamanitra … [dia] nitoetra tao am-pon’ny vahoaka” [4 Nefia 1:15]. Rehefa ny fitiavan’ Andriamanitra no mandrindra ny fiainantsika sy ny fifandraisantsika ary ny zavatra tsapantsika ho an’ny zanak’olombelona rehetra dia ho manjavona ireo fanavahana taloha sy ireo anarana napetaka tsy mampivoatra, sy ireo fizarazarana ka hitombo ny fiadanana. Izany indrindra no niseho tamin’ilay ohatra noresahantsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Tsy misy Lamanita na Jakôbita na Josefita na Zôramita intsony. Tsy misy “-ita” izany intsony mihitsy. Nisalotra anarana vaovao tokana mampiray kokoa ny vahoaka. Voalaza ao fa fantatra tamin’ny hoe “zanak’i Kristy” [4 Nefia 1:17] avokoa izy rehetra. (Jeffrey R. Holland, “Ny fananana lehibe indrindra,” Liahona, nôv. 2021)

Hevero ny hanisy marika ilay andianteny ao amin’ny andininy 15 momba ny fitiavan’ Andriamanitra mitoetra ao am-pon’ny olona. Ny hoe manana ny fitiavan’ Andriamanitra ao am-pontsika dia mety hidika hoe mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ho antsika sy ny hafa. Mety hidika ihany koa izany hoe mahatsapa fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Inona avy no zavatra azo atao sasantsasany hanampy antsika hahatsapa fitiavana lehibe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Fomba iray ahafahantsika mahatsapa fitiavana lehibe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny fianarana momba Azy Ireo sy ny fahatongavana amin’ny fahalalana Azy Ireo ao amin’ny soratra masina.

Makà fotoana handalinana andalan-tsoratra masina momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay afaka manampy anao hahatsapa fitiavana lehibe kokoa Azy Ireo. Jereo tsara ny zavatra ianaranao momba ny toetran’izy ireo, ny fanirian’izy ireo, ary ny anjara asanareo. Azonao atao ny mikaroka teny toy ny hoe “Ray any An-danitra” na “Jesoa Kristy” amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovam-pandalinana toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na ny fahafahana mikaroka ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no zavatra iray nianaranao momba ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy ka afaka manampy anao hahatsapa fitiavana lehibe kokoa Azy Ireo?

    • Inona no zavatra iray hoezahinao hatao ao anatin’ny andro manaraka ka afaka manampy anao ho tonga miova fo ho an’i Jesoa Kristy kokoa?