Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 27:20—“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina”.


“Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 27:20—-Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina,-” Boy torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 27:20,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 27:20

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina”.

Sary
ankizy raisina ho mpikambana

Tamin’ny fandalinanao ny 3 Nefia 27, dia nianatra momba ny fanamasinana azonao iainana avy amin’ny Fanahy Masina rehefa miaina ny filazantsaran’ny Mpamonjy ianao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andianteny manan-danja ao amin’ny 3 Nefia 27:20 sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andalan-tsoratra masina io ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Tamin’ny fandalinanao ny 3 Nefia 27:20dia nianatra ity fahamarinana manaraka ity ianao: raha mibebaka, manatona an’i Jesoa Kristy, ary atao batisa isika, dia afaka ny hohamasinina amin’ny alalan’ny fandraisana ny Fanahy Masina sy mijoro tsy misy pentina eo anatrehan’ny Mpamonjy amin’ny andro farany.

Alaivo sary an-tsaina hoe manana fahafahana hampianatra io fahamarinana io amina zaza iray ianao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ity fanontaniana manaraka ity:

    • Ahoana no hanazavanao io fahamarinana io amin’ny ankizy kely iray amin’ny fomba ahatakarany izany?

Ampiharo ny fanaovana tsianjery ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 3 Nefia 27:20: “Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina”.

Zarao ho lasa ireto fizarana manaraka ireto ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andianteny manan-danja. Ampiharo ny fitenenana ny fizaràna tsirairay imbetsaka. Avy eo dia atambaro ireo fizarana tsirairay ary tonony ilay toko sy andininy sy ilay andianteny manan-danja manontolo.

  • 3 Nefia 27:20

  • Mankanesa atỳ Amiko

  • ary aoka hatao batisa

  • mba hahazoana manamasina anareo

  • amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina

Fampiharana hanazaran-tena

Mba hanampiana anao hanao famerenana, dia tanisao ao anatin’ny 30 segondra ny zavatra rehetra tadidinao momba ny iray amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Manaova toy izany koa amin’ireo fitsipika roa hafa. Raha mila fanampiana amin’ny fitadidiana ireo fitsipika ianao, dia azonao atao ny mijery ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Fahazoana fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).

Diniho ity rafi-tantara manaraka ity:

Mifanakalo hevitra momba ny filazantsara ianao sy i Meagan namanao eny an-dalana avy nianatra. Manontany i Meagan: “Efa nisy fotoana ve ianao natahotra ny hoe hihaona amin’ Andriamanitra indray? Miezaka miaina am-pahamarinana aho ary mibebaka rehefa manao fahadisoana, saingy mampivarahontsana ahy ny mieritreritra ny hoe hijoro eo anoloan’ Andriamanitra hotsaraina”.

Eritreritro ny fomba ahafahan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy fotopampianarana ampianarina ao amin’ny 3 Nefia 27:20 manampy raha manana ahiahy toa an’i Meagan ny olona iray fantatrao.

  1. Mamalia farafahakeliny fanontaniana iray eo ambanin’ny tsirairay amin’ireto lohateny manaraka ireto.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona no mety ho fiheveran-diso ananan’i Meagan momba ny Ray any An-danitra na ny drafiny?

  • Inona avy no fahamarinana sasantsasany tianao ho takatr’i Meagan momba ny Ray any An-danitra sy drafiny?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona avy no fampianarana avy ao amin’ny 3 Nefia 27:20 afaka manampy amin’io toe-javatra io?

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina hafa na teny hafa nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay heverinao fa afaka manampy?

Manao asa amim-pinoana

  • Inona no asa azon’i Meagan atao ka afaka manampy azy hahatsapa filaminana kokoa eo anatrehan’ny ahiahiny? Nahoana araka ny eritreritrao no afaka manampy izany asa izany?