Seminera
3 Nefia 28: Maniry hitondra ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy


“3 Nefia 28: Maniry hitondra ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“3 Nefia 28,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

3 Nefia 28

Maniry hitondra ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy

Sary
zatovo maromaro falifaly mandeha amin’ny arabe

Iray amin’ireo faniriana lehibe indrindra mety hananantsika eo amin’ny fiainantsika ny hanampy ny olon-kafa handray ireo fitahiana omen’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15:6). Naneho izany tamin’ny fomba miavaka ny telo tamin’ireo mpianatra Nefita rehefa naniry ny hijanona teto an-tany sy hitondra fanahy ho an’i Jesoa Kristy mandra-pahatongan’ny Fiaviany Fanindroany. Ity lesona ity dia natao hanampy anao hahatsapa faniriana mitombo hitondra ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy.

Inona no irinao?

  • Ahoana no mety hamalianao raha miseho aminao i Jesoa Kristy ary manontany anao hoe “Inona no irinao Amiko?”

  • Inona no antony mety hisafidiananao izany?

Nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teo amin’ny Nefita, dia nametraka io fanontaniana io tamin’ny mpianany Izy (jereo ny 3 Nefia 28:1).

Vakio ny 3 Nefia 28:2–6, hitadiavana ny fomba namalian’ny mpianatra Nefita ny fanontanian’ny Mpamonjy.

  • Inona no hitanao?

Ao amin’ny andininy 6, ny Mpamonjy dia nilaza fa naniry ny zavatra nirin’i Jaona ilay Malala ny mpianatra Nefita anankitelo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 7:1–3, hitadiavana ny fanirian’i Jaona.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no naniry ny hijanona teto an-tany ireo mpianatra telo ireo?

Eritrereto ny fanirianao manokana hanatona an’i Jesoa Kristy. Afaka manampy anao hanao izany ity fanombanan-tena manaraka ity.

Valio amin’ny anankiray amin’ireto valiny ireto ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto: “tsy tapaka,” “indraindray,” na “mahalana.”

  1. Mitady làla-misokatra hitenenana amin’ny olona momba an’i Kristy aho.

  2. Mivavaka mba hahazo fahafahana mahita olona hiresahana momba an’i Kristy aho.

  3. Mahatsapa faniriana hanampy ny hafa hanara-dia an’i Jesoa Kristy aho.

Mampitombo ny fanirianao hanampy ny hafa hanatona an’i Kristy.

Manaova sarin’olona tsotsotra kely izay maneho zatovo iray izay tsy maniry ny hizara ny filazantsara amin’ny hafa eo afovoan’ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao. Soraty ny antony sasantsasany mety tsy anirian’io zatovo io ny hizara ny filazantsara eo amin’ny toerana tsy misy na inona na inona manodidina ilay sarin’olona tsotsotra nataonao. Mamelà toerana hanoratana ireo fahamarinana izay ianaranao rehefa mianatra ianao anio.

Rehefa manohy mandalina ianao, dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy ny olona iray hahatsapa faniriana lehibe kokoa hizara ny filazantsara.

Vakio ny 3 Nefia 28:7–10, hitadiavana ny zavatra nampanantenain’ny Tompo ireo mpianatra Nefita izay naniry ny hijanona teto an-tany mba hitondra fanahy hankany Aminy.

  • Inona no fitahiana nomen’i Jesoa azy ireo ao amin’ny andininy 7–8 mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ny fanirian’izy ireo?

  • Inona no nampantenain’ny Mpamonjy ny mpianany fa horaisin’izy ireo ao amin’ny andininy 9–10 noho ny faniriana marin’izy ireo?

Ato amin’ny fotoampitantanantsika, ny Tompo dia nampanantena fitahiana ho an’ireo izay mikatsaka ny hitondra fanahy hankao Aminy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16, hitadiavana fitahiana azontsika iainana amin’ny fitondrana fanahy ho ao amin’i Jesoa Kristy.

  • Inona no fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba ny fomba ahafahantsika hotahina rehefa mikatsaka ny hitondra fanahy ho ao amin’i Jesoa Kristy?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe rehefa miezaka mitondra fanahin’olona mankao amin’i Jesoa Kristy isika, dia afaka miaina fifaliana. Hevero ny hanoratra io fahamarinana io eo amin’ny sary izay nataonao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Nahoana, araka ny eritreritrao no loharanom-pifaliana anankiray ny fitondrana fanahy ho ao amin’i Jesoa Kristy?

    • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana io fahamarinana io manampy olona iray hahatsapa faniriana lehibe kokoa hizara ny filazantsara?

Mitadiava soratra masina na fanambarana hafa nataon’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ka afaka manampy amin’ny fampitomboana ny faniriantsika hizara ny filazantsara. Azonao tao ny mampiasa fitaovam-pandalinana toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina mba hitadiavana lohahevitra toy ny hoe “Asa fitoriana,” na azonao atao ny mandalina ny sasany na ny rehetra amin’ireto andininy manaraka ireto. Mampidira fahamarinana hitanao ao amin’ilay sary ao amin’ny diary fandalinanao.

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy no fampianarana sasantsasany hitanao ka afaka manampy ny olona iray hahatsapa faniriana lehibe kokoa hizara ny filazantsara? Nahoana araka ny eritreritrao no hanampy ireo fampianarana ireo?

    • Inona no zavatra niainanao ka nanampy anao hahita ireo fitahiana izay azo raisina rehefa mizara ny filazantsara isika?

 ChurchofJesusChrist.org

Eritrereto ny zavatra nianaranao na tsapanao androany ka mety nisy fiantraikany tamin’ny fanirianao manokana hanampy ny hafa hanatona an’i Kristy. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao izay eritreritra sy fahatsapana ara-panahy rehetra nanananao, ary manaova drafitra hanao asa amin’ny fahatsapanao.