Seminera
Helamàna 13, Tapany 2: “Mibebaka mba ho voavonjy”


“Helamàna 13, Tapany 2: -Mibebaka mba ho voavonjy,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 13, Tapany 2,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 13, Tapany 2

“Mibebaka mba ho voavonjy”

Sary
zatovolahy mivavaka mandohalika

Araka ny eritreritrao, fanomezana avy amin’ Andriamanitra ve sa fanasaziana no ahitan’ny ankamaroan’ny olona ny fibebahana? Nahoana? I Samoela ilay Lamanita dia tena tia na dia ny Nefita ratsy fanahy aza ka nanao vy very ny ainy mba hampianarana azy ireo fa ny fibebahana dia fanomezana avy amin’i Jesoa kristy izay mitarika mankamin’ny fahasambarana sy famonjena. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao handresy ny sakana rehetra amin’ny fibebahana.

Ny lalana marina

Sary
sarina farihy an-tendrombohitra

Alaovy sary an-tsaina hoe misy mpinamana miezaka mitady farihy an-tendrombohitra avo izay henon’izy ireo ny momba azy saingy tsy mbola notsidihin’izy ireo. Rehefa mandeha amin’ny tany foana izy ireo, dia mihaona amina lehilahy iray izay milaza fa efa niaina teo amin’izany faritra izany an-taonany. Mampitandrina azy ireo izy fa ny lalana izay misy azy ireo dia tsy mitondra mankany amin’ilay farihy ary mampidi-doza amin’ny toerana sasany. Manoro hevitra azy ireo hihodina ary hiverin-dalana ho amina lalana hafa izay hitondra azy ireo soamantsara any izy.

  • Inona avy no antony mety tsy hihainoan’ireo mpinamana ireo ilay lehilahy?

Tahaka ilay lehilahy ao amin’ilay tantara, indraindray ny mpaminany dia mety hampitandrina antsika amin’ny safidy izay tsy hitondra antsika amin’ny fahasambarana, fandrosoana, ary fiverenana amin’ny Ray any An-danitra. Mety hamporisika antsika hibebaka sy hanova ny fiainantsika izy ireny.

  • Inona avy ireo antony sasantsasany mety tsy hibebahantsika?

Ao amin’ny lesona teo aloha, amin’ny alalan’ny fampianaran’i Samoela ilay Lamanita ny Nefita, mety ho nianaranao ny hoe mampitandrina am-pamindram-po ny olona amin’ny vokatry ny fahotana ny Tompo ary mamela ireo izay mibebaka. Na izany aza, na dia amin’ny fotoana ahatakarantsika io fahamarinana io aza, dia tsy mibebaka mandrakariva isika. Rehefa mandalina io lesona io ianao, dia katsaho ny fanampian’ny Tompo mba hahafantarana ny fomba handresena ny sakana rehetra amin’ny fibebahanao.

Ireo vokatry ny fahotana

Vakio ny Helamàna 13:21–23, hitadiavana ny sasany amin’ireo toe-tsaina sy fihetsika nolazain’i Samoela fa tokony hibebahan’ny olona. Mety hanampy ny fahalalana fa ny ozona dia “mitondra ny famaizana sy ny vokany hiantefa amin’ny zavatra na olona na vahoaka noho ny tsy fahamarinana indrindra indrindra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Ozona,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Ankoatra ny harena, inona avy no zavatra sasany mety ho fakam-panahy “hametrahan[tsika] ny fon[tsika]” sy “tsaroan[tsika] mandrakariva” mihoatra ny Tompo?

Ao amin’ny andininy 24–30, i Samoela dia nampitandrina ihany koa ny olona momba ny fandavana mpaminany.

Vakio ny Helamàna 13:31–38, ary farano amin’ny teninao manokana ity fitsipika manaraka ity: Raha lavintsika foana ny fanasan’ny mpaminany hibebaka dia …

Saintsaino ny zavatra takatrao momba io fitsipika io sy ny zavatra niainanao na hitanao ka manamarina ny fahamarinan’izy io.

Fanomezana avy amin’ Andriamanitra

Tahaka ny nijoroan’i Samoela ho vavolombelona tamin’ny Nefita hoe “tsy misy na inona na inona afaka mamonjy [antsika] … afa-tsy ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesoa Kristy” (Helamàna 13:6). Noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ho antsika, “raha mibebaka [isika] ary miverina amin’ny Tompo Andriamani[tsika], dia hahodi[ny] ny fahatezera[ny],” (Helamàna 13:11).

Rehefa mamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ity ianao, dia tadiavo ireo fahamarinana nampianariny ka afaka manampy antsika handresy sakana amin’ny fibebahana.

Maro loatra ireo olona mihevitra ny fibebahana ho toy ny fanasaziana, zavatra iray izay tokony hosorohina afa-tsy ao anatin’ireo toe-javatra faran’izay ratsy. Saingy i Satana no mamorona izany fahatsapana ho voasazy izany. Izy dia miezaka ny manakana antsika tsy hibanjina an’i Jesoa Kristy, izay mijoro mamelatra ny sandriny, manantena sy vonona ny hanasitrana, hamela, hanadio, hampatanjaka ary hanamasina antsika. …

Tsy misy zavatra manafaka kokoa sy maha-olom-banona kokoa na lehibe kokoa eo amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana noho ny fibebahana tsy tapaka sy ny fifantohana amin’izany isan’andro. Ny fibebahana dia tsy zava-mitranga indray mandeha fa dingana arahina. Fanalahidin’ny fahasambarana sy fiadanan-tsaina izany. Rehefa ampiarahina amin’ny finoana ny fibebahana dia manokatra ny fahazoantsika ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. …

Rehefa misafidy ny hibebaka isika, dia misafidy ny hiova! Omentsika fahafahana ny Mpamonjy mba hanova antsika ho lasa ilay tsara indrindra ao amintsika. Misafidy ny hivoatra ara-panahy isika ary hahazo fifaliana, ilay fifalian’ny fanavotana ao Aminy. Rehefa misafidy ny hibebaka isika dia misafidy ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy! (Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Ensign na Liahona, mey 2019, 67)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no ahafahan’ny teny nambaran’ny Filoha Nelson manampy olona iray handresy sakana amin’ny fibebahana?

    • Inona no vokatry ny fibebahana noresahin’ny Filoha Nelson irinao indrindra? Nahoana?

    • Inona no nampianarin’ny Filoha Nelson momba ny Mpamonjy ka afaka manampy ny olona iray misalasala ny hibebaka?

Fibebahana

Mety hisy sakana hafa amin’ny fibebahana izay tsy noresahin’ny Filoha Nelson, na mety hilantsika fanampiana na valiny hafa. Makà minitra vitsy handalinana ny fanomezan’ny fibebahana, ka mitady valiny amin’ireo fanontaniana mety anananao na fahamarinana izay afaka manampy anao handresy ireo sakana atrehinao amin’ny fibebahana. Ao anatin’ireo loharano mety hanampy anao ny “Fibebahana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, sy ny “Hanampy anao i Jesoa Kristy” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (bokikely, 2022).

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no zavatra nianaranao ka nanampy anao?

    • Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika mandritra ireo dingan’ny fibebahana?

Vakio ity fanasana manaraka avy amin’ny Filoha Nelson ity:

Katsaho ombam-bavaka ny mba hahatakatra izay zavatra manakantsakana ny lalana mitondra any amin’ny fibebahanareo. Fantaro izay zavatra manakana anareo tsy hibebaka. Ary miovà avy eo! Mibebaha! Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa noho ny hatramin’izay isika rehetra. (Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Ensign na Liahona, mey 2019, 68)

Makà fotoana hisaintsainana sy hivavahana ary hanoratana ny zavatra tsapanao fa hampanaovin’ny Ray any An-danitra anao mba hibebahana.