Seminera
Helamàna 13, Tapany 1: Ny famindram-pon’ny Tompo


“Helamàna 13, Tapany 1: Ny famindram-pon’ny Tompo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 13, Tapany 1,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 13, Tapany 1

Ny famindrampon’ny Tompo

Sary
I Jesoa Kristy mamihina olona iray

Ahoana, araka ny eritreritrao, no fahatsapan’ Andriamanitra rehefa nanota isika? Nefita maro no nikomy tamin’ Andriamanitra sy ny didiny, koa nandefa an’i Samoela ilay Lamanita tany amin’izy ireo niaraka tamin’ny hafatra mazava mba hibebaka Andriamanitra mba ho voavela ny helok’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny toetra mamindra fo sy mamela heloka ananan’ny Tompo.

Fahoriana amin’ny ota

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza ity tantara manaraka mombana vehivavy iray tao anatina toe-javatra sarotra ity. Eritrereto ny zavatra tianao ho fantany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Jereo ny “Repentance and Conversion,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 0:50, na vakio ity fanambarana manaraka ity.

Raha nandeha fiara hamonjy fihaonamben’ny tsatòka iray izaho sy ny Loholona David S. Baxter, dia nijanona tao amin’ny trano fisakafoanana iray izahay. Taty aoriana, rehefa niverina tao amin’ny fiaranay izahay dia nanatona anay ny vehivavy iray izay niantso anay. Taitra be tamin’ny fahitana azy izahay. Ny fikarakarany vatana (na ny tsy fisian’izany) dia ilay mety hantsoiko amim-pahalalam-pomba hoe “faratampony”. Nanontany izy raha toa loholona ao amin’ny Fiangonana izahay. Eny hoy izahay. Saika notantarainy avokoa ny mombamomba ny fiainany feno zava-doza, izay novesaran’ny fahotana. Izao izy dia 28 taona, ary mampalahelo izy. Mahatsapa ho tsy misy lanjany izy, ary tsy misy tanjona ny fiainany. … Tao anatin’ny fitalahoana feno tomany dia nanontany izy raha toa mbola misy ny fanantenana ho azy, mba hialany amin’ny fahakiviana misy azy. (Russell M. Nelson, “Repentance and Conversion,” Ensign na Liahona, mey 2007, 102)

  • Raha hiresaka amin’io vehivavy io ianao, inona avy no fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tianao ho fantany?

  • Inona no hataonao mba hiezahana manampy io vehivavy io?

  • Ahoana no mety hiantraikan’ny fahatsapany amin’izao fotoana izao amin’ny faniriany hitodika amin’ny Mpamonjy?

Angamba efa nahatsapa ho tsy misy vidiny na tsy azo avela heloka ianao na ny olona iray fantatrao. Saintsaino ny zavatra tena inoanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny famelan-keloka.

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia mitadiava fahatakarana ny toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy ny fahatsapan’Izy Ireo amintsika na dia amin’ny fotoana anotantsika aza. Saintsaino ny fomba mety hahafahan’ireo fahamarinana ireo manampy anao sy ny olona fantatrao.

I Samoela ilay Lamanita

Tahaka io vehivavy io, ny Nefita dia tonga raiki-tampisaka tamin’ny fahotana. Tamin’ny fitiavany, ny Tompo dia naniraka an’i Samoela mpaminany niaraka tamina hafatra ho azy ireo.

Vakio ny Helamàna 13:5–8, 11, 39; 14:11–13; 15:3, ary tadiavo ny zavatra ianaranao momba ny Tompo, indrindra fa ny hevi-baovao izay mety hanampy antsika rehefa nanota isika. (Mety hanampy ny fahafantarana fa ny hoe manafay [jereo ny Helamàna 15:3] dia midika hoe manitsy na mametraka fitsipi-pifehezana. Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Famaizana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Nahoana no fitahiana ny mandray fampitandremana momba ny voka-dratsy hatrehintsika raha tsy mibebaka isika? Ahoana no anehoan’ny fanitsian’ny Tompo ny fitiavany?

    • Nahoana no “vaovao mahafaly” ny hafatra momba an’i Jesoa Kristy tonga etỳ an-tany, miaraka amin’ny fahafahantsika mibebaka? (Helamàna 13:7).

    • Inona avy no andianteny maneho ny fahavononan’ny Tompo hamela heloka raha mibebaka ny Nefita, na dia nanao fahotana goavana aza izy ireo?

Ny famindram-po sy famelan-keloky ny Tompo

Fahamarinana iray azontsika ianarana amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo ny hoe mampitandrina am-pamindram-po ny olona amin’ny vokatry ny fahotana ny Tompo ary mamela ireo izay mibebaka.

Ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) dia nijoro ho vavolombelona fa “ny olona rehetra dia afaka mahazo famindram-po” (“Discourse, 3 ôktôbra 1841, araka ny namoahana azy tao amin’ny Times and Seasons,” 577, josephsmithpapers.org).

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fahatakarana ny toetra mamindra fo sy mamela heloka ananan’ny Tompo miantraika amin’ny fahatsapantsika ny fahotantsika sy ny fibebahana?

Zava-dehibe ny mahatakatra fa na dia mamindra fo aza ny Tompo, dia marina tanteraka ihany koa Izy. Tsy odiany tsy hita na ailiny ny vokatry ny fahotantsika. Saingy noho ny Mpamonjy nanefa ny saran’ny fahotantsika tamin’ny Sorompanavotana nataony sy “nanefa ny fitakian’ny fahamarinana” (Môzià 15:9), dia omeny famelan-keloka isika rehefa mibebaka.

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fahafantarana ny fahamarinana tonga lafatry ny Tompo sy ny famindram-pony miantraika amin’ny fifandraisanao Aminy?

Alaovy sary an-tsaina ny fahasamihafana mety hateraky ny fahatakarana lalina kokoa ny Tompo eo amin’ilay vehivavy noresahin’ny Filoha Nelson tany am-piandohan’ny lesona. Manomàna fanazavana ho azy amin’ny alalan’ny fanaovana ity manaraka ity:

  1. Vitao ny sahanasa A sy B, ary ampiasao hamitana ny sahanasa D ny valinteninao.

    1. Mifantena andianteny roa farafahakeliny avy ao amin’ny andininy novakinao tao amin’ny Helamàna, na mitadiava andininy hafa izay maneho ny toetra mamela heloka ananan’ny Tompo rehefa mibebaka isika, toy ny Môzià 26:30 na Môrônia 6:8. Ahoana no ahafahan’ireo andianteny ireo manampy io vehivavy io?

    2. Raha tsy mizara antsipiriany momba ny fahotana taloha, manomeza ohatra avy amin’ny fiainanao, na ny fiainan’ny hafa, na ny soratra masina izay ahitana mazava ny toetra mamindra fo sy mamela heloka ananan’ny Tompo. Mba hahitana ohatra maromaro, dia azonao atao ny mamerina mijery ny Lioka 7:36–50 na Enôsa 1:1–8 na jereo ny “Painted into a corner (Tafiditra amina toerana sarotra)” (3:41). Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

    3. Amin’ny alalan’ny fampiasana ireo andininy na ohatra hitanao, ampio hahatakatra ilay vehivavy fa ny Tompo dia manolotra antsika ny famindram-pony sy famelany heloka rehefa mibebaka isika.

Ny Filoha Neslon dia nizara ny zavatra niseho tamin’io vehivavy io. Jereo ny “Repentance and Conversion” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:50 hatramin’ny 1:27, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ity fanambarana manaraka ity.

Teo am-piresahany dia nanomboka nipoitra ny fahatsaran’ny fanahiny. Tao anatin’ny fitalahoana feno tomany dia nanontany izy raha toa mbola misy ny fanantenana ho azy, mba hialany amin’ny fahakiviana misy azy.

“-Eny,- hoy izahay, -misy ny fanantenana. Mifamatotra amin’ny fibebahana ny fanantenana. Afaka miova ianao. Afaka “manat[ona] an’i Kristy, ary hatao tanteraka ao Aminy” ianao- [Môrônia 10:32].” Namporisika azy mafy izahay mba tsy hanemotra izany [jereo ny Almà 13:27; 34:33]. Nitomany tamim-panetrentena izy ary nisaotra anay tamin-kitsim-po. (Russell M. Nelson, “Repentance and Conversion,” Ensign na Liahona, mey 2007, 102)

Ny lesona manaraka dia hifantoka amin’ny fibebahana sy ny fomba ahafahantsika mandresy ny sakana rehetra atrehintsika amin’ny fibebahantsika.

Makà fotoana hisaintsainana amin-kitsimpo ny fomba ahafahan’ny fahatakarana tsara kokoa ny Tompo manampy anao rehefa nanota ianao. Soraty ny zavatra nianaranao sy tsapanao ka nanan-danja indrindra taminao sy ny anton’izany. Eritrereto ny fomba ahafahan’ny fahatakarana tsara kokoa ny toetra mamindra fo sy mamela heloka ananan’ny Tompo ary ny fibebahana matetika mitondra fiadanana eo amin’ny fiainanao.

Hevero ny hizara ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany amin’ny olona iray tianao.