Seminera
Almà 40: Ny tontolon’ny fanahy sy ny fitsanganana amin’ny maty


“Almà 40: Ny tontolon’ny fanahy sy ny fitsanganana amin’ny maty,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 40,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 40

Ny tontolon’ny fanahy sy ny fitsanganana amin’ny maty

Sary
I Kristy ao amin’ny tontolon’ny fanahy

Rehefa avy nasain-drainy hibebaka i Kôriantôna, dia nanana fanontaniana momba ny drafitr’ Andriamanitra izy, anisan’izany ny zavatra mitranga amintsika rehefa maty. Namaly ny fanontaniany i Almà rainy ary nijoro ho vavolombelona momba ny anjara asa manan-danjan’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampitombo ny fankasitrahanao ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho anao ary hanome anao fahafahana hanazava ny zava-mitranga rehefa maty isika.

Fanontaniana

Ny Rahavavy Reyna I. Aburto, mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany, dia nizara zavatra niainana manokana izay maneho fanontaniana mety hananantsika momba ny zavatra miseho aorian’ny fahafatesantsika. Jereo ilay horonantsary hoe “Tsy manam-pandresena ny fasana,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org , manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:21 hatramin’ny 5:13, na vakio ity fanambarana manaraka ity:

Fony aho sivy taona dia namoy ny zokiko lahy nandritra ny horohorontany iray nandravarava. Satria tsy nampoizina ny nitrangan’izany dia ela be aho vao tonga saina tamin’ny zavatra tena nitranga. Vaky fo noho ny alahelo aho, ary nanontany tena hoe: “Inona no nitranga tamin’ny anadahiko? Aiza no misy azy? Lasa aiza izy? Mbola hahita azy indray ve aho?”

Tsy mbola nahafantatra momba ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra aho tamin’izany, ary nanana faniriana ny hahafantatra hoe avy aiza isika, inona no tanjon’ny fiainana, ary inona no mitranga amintsika aorian’ny ahafantesantsika. Moa ve tsy manana ireo fanontaniana ireo isika rehetra rehefa mamoy olon-tiana na rehefa mandalo fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainantsika? (Reyna I. Aburto, “Tsy manam-pandresena ny fasana,” Liahona, mey 2021, 86)

I Kôriantôna zanak’i Almà dia nanahy ihany koa momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana.

Vakio ny Almà 40:1, hitadiavana ny zavatra nampanahy an’i Kôriantôna.

  • Inona araka ny eritreritrao no antony mety ho nahatonga azy nanahy momba izany?

Tsarovy fa i Kôriantôna dia nandika ireo didin’ Andriamanitra, tao anatin’izany ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Noho ireo safidy nataony, dia mety ho nanahy momba ny zavatra hiainany aorian’ity fiainana ity izy. Mba hiresahana momba ny fanahian’i Kôriantôna sy hanampiana azy hibebaka, dia nampianatra fotopampianarana azy i Almà. Ny valintenin’i Almà tamin’ny fanahian’i Kôriantôna dia afaka manampy ny olona iray izay manana fanontaniana tahaka ny Rahavavy Aburto ihany koa.

Tatỳ aoriana, ny Rahavavy Aburto dia nampianarin’ny misiônera izay nanampy azy hahita valiny amin’ireo fanontaniany. Alaovy sary an-tsaina hoe iray amin’ireo misiônera ireo ianao ary miomana hampianatra azy. Ampiasao ireto loharano manaraka ireto mba hanomanana fanazavana fohy hanampy amin’ny famaliana ireo fanontanian’ny Rahavavy Aburto.

Ny Tontolon’ny fanahy

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)—“Almà 40: Ny tontolon’ny fanahy sy ny fitsanganana amin’ny maty”

Vakio ny Almà 40:6–7, 11–14 mba hahitana ny zavatra nampianarin’i Almà an’i Kôriantôna. Avy eo dia ampiasao ireto loharano manaraka ireto mba hanampy anao hanomana kokoa ny zavatra hampianarinao.

Nampianatra toy izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Fantatsika avy amin’ny soratra masina fa manohy miaina amin’ny maha-fanahy antsika isika any amin’ny tontolon’ny fanahy aorian’ny hahafatesan’ny vatantsika. Mampianatra koa ny soratra masina fa io tontolon’ny fanahy io dia mizara roa eo amin’ireo izay “marina” nandritra ny fiainana sy ireo izay ratsy fanahy. Ny soratra masina koa dia mitantara ny fomba nampianaran’ireo fanahy mahatoky ny filazantsara tamin’ireo izay ratsy fanahy na mpikomy (jereo ny 1 Petera 3:19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:19–20, 29, 32, 37). (Dallin H. Oaks, “Matokia ny Tompo,” Ensign na Liahona, nôv. 2019, 26)

Omano ny fomba hanazavanao valiny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no mitranga amin’ny fanahintsika rehefa maty isika?

  • Ohatra ny ahoana ny any amin’ny paradisa? Toy ny ahoana ny any amin’ilay faritra antsoin’i Almà hoe “haizina ivelany,” saingy antsoina ihany koa hoe tranomaizin’ny fanahy (1 Petera 3:19) na helo (2 Nefia 9:12)?

  • Ahoana no ahafahan’ny fianarana momba ny paradisa sy tranomaizina mampitombo ny fankasitrahantsika ny Mpamonjy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahalalantsika ny tontolon’ny fanahy mitahy antsika mandritra ny fiainantsika etỳ an-tany?

Rehefa mampianatra dia ataovy mazava fa eo anelanelan’ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin’ny maty, ny fanahin’ny marina dia mitoetra ao amin’ny paradisa ary ny fanahin’ny ratsy fanahy dia mitoetra ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy. Zarao ny fomba fiantraikan’ny fahatakaranao io fahamarinana io amin’ny safidy ataonao eto amin’ity fiainana ity.

Fitsanganana amin’ny maty

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)—“Almà 40: Ny tontolon’ny fanahy sy ny fitsanganana amin’ny maty”

Vakio ny Almà 40:2–5, 23–24 mba hahitana ny zavatra nampianarin’i Almà an’i Kôriantôna. Avy eo dia ampiasao ireto loharano manaraka ireto mba hanampy anao hanomana kokoa ny zavatra hampianarinao.

Nampianatra toy izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Mankalaza ny fisian’ny Fitsanganana amin’ny maty isika amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao. Izany dia manome antsika fomba fijery sy tanjaka ahafahana mahazaka ireo olana eto an-tany atrehantsika tsirairay sy atrehan’ireo olon-tiantsika, toy ny tsy fahatomombanana ara-batana na ara-tsaina na ara-pihetseham-po lovaintsika hatrany am-bohoka na azontsika mandritra ny fiainantsika eto an-tany. Noho ny Fitsanganana amin’ny maty dia fantatsika fa izany tsy fahatomombanana iainana eto an-tany izany dia mandalo fotsiny ihany! (Dallin H. Oaks, “Ilay drafitra lehibe,” Ensign na Liahona, mey 2020, 94–95)

Omano ny fomba hanazavanao valiny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no atao hoe fitsanganana amin’ny maty? Iza no hitsangana amin’ny maty?

  • Araka ny Almà 40:2–3, inona no mahatonga ny Fitsanganana amin’ny maty ho zavatra mitombina?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahalalantsika ny Fitsanganana amin’ny maty mitahy antsika mandritra ny fiainantsika etỳ an-tany?

Rehefa mampianatra dia ataovy mazava tsara fa noho i Jesoa Kristy nitsanganana tamin’ny maty, isika rehetra dia hitsangana amin’ny maty ihany koa. Mizarà antony iray ankasitrahanao ny fampanantenana momba ny fitsanganana amin’ny maty.

© 2023 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved.

Azonao atao ny mijery ilay horonantsary hoe “What Happens to Our Bodies and Spirits after We Die? (Inona no mitranga amin’ny vatantsika sy ny fanahintsika aorian’ny fahafatesana?)” (4:19), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, hitadiavana fahamarinana hafa azonao hazavaina rehefa mampianatra ianao.

Valiny

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Manorata fanazavana fohy momba ny zavatra hampianarinao ny Rahavavy Aburto. Ampidiro ireo fahamarinana hitanao ary hevero ny hizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny anjara asan’i Jesoa Kristy ao amin’ny tontolon’ny fanahy sy ny fitsanganana amin’ny maty. Mety ho azonao atao ihany koa ny mizara ny zavatra nosoratanao niaraka tamin’ny olona iray.

  1. Valio farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Nahoana no zava-dehibe aminao ny zavatra nianaranao momba ny tontolo ara-panahy sy ny fitsanganana amin’ny maty?

    • Ahoana no iantraikan’io fahalalana io amin’ny fahatsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

    • Inona avy no fanontaniana sasantsasany nanananao ka voavaly androany?

    • Inona avy no fanontaniana tianao hanohizana mikatsaka valiny?