Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Almà 41:10—“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana”


“Fifehezana fotopampianarana: Almà 41:10—‘Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Almà 41:10,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: Almà 41:10

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana”

Sary
sarina zatovolahy malahelo iray

Tao amin’ny Almà 41:10, dia nianaranao fa “ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.” Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andianteny manan-danja ao amin’ny Almà 41:10, sy hanazava ny fotopampianarana ary hizatra mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Mba hanampiana anao hitadidy, dia avereno imbetsaka ilay andian-teny manan-danja sy toko sy andininy fifehezana fotopampianarana, “Almà 41:10 ‘Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.’” Miezaha tsy dia mijery kokoa isaky ny mamerina azy ianao. Raha mitady fanamby hafa ianao, dia ezaho tadidìna ilay andininy manontolo. Mety hanampy ny fampiasana ny appli. Fifehezana Fotopampianarana.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ity sahanasa manaraka ity:

    Mieritrereta toe-javatra izay mety hanampian’ny fahafantarana ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Almà 41:10 ny olona iray. Avy eo dia hazavao ny fomba mety hahafahan’ilay fotopampianarana manampy amin’izany toe-javatra izany?

Fampiharana hanazaran-tena

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ity sahanasa fampifandraisana manaraka ity:

    Avereno jerena ny tsirairay amin’ireto fitsipika telon’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana manaraka ireto (2022). Avy eo dia ampifandraiso amin’ny fitsipika mifanaraka amin’izy ireo ny fanambarana A–G. Ny fitsipika tsirairay dia manana fanambarana roa mifandray aminy.

    1. Manao asa amim-pinoana

    2. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

    3. Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

    1. “Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo—ireo mpaminanin’ny Tompo eto ambonin’ny tany amin’izao fotoana izao—dia loharanom-pahamarinana tena iankinan’ny aina.”

    2. “Rehefa mikatsaka ny hampivelatra ny fahatakarantsika sy hamaha olana isika, dia zava-dehibe ny hianteherantsika amin’ny fijoroana ho vavolombelona efa ananantsika momba an’i Jesoa Kristy.”

    3. “Mieritreritra [fanontaniana] ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ireo fampianarana izay nataon’ny Mpamonjy isika.”

    4. “Ny fianarana mamantatra ireo loharano tsy azo antoka sy fialana amin’izany dia afaka miaro antsika amin’ny fampahalalana diso sy amin’ireo izay mikatsaka ny hamotika ny finoana.”

    5. “Mikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina isika mba hahitana zavatra araka ny ahitan’ny Tompo azy ireny.”

    6. “Rehefa manohy mikatsaka valim-panontaniana isika dia tsy maintsy miaina araka ny finoana—matoky fa ho azontsika ireo valim-panontaniana katsahintsika amin’ny farany.”

Hita any amin’ny faran’ity lesona ity ny valinteny.

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity:

I Carlos, mpikamban’ny Fiangonana, dia sahirana amin’ny fahitana ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ireo didin’ Andriamanitra. Vao haingana izy no niteny taminao hoe: “Mahafantatra olona be dia be mandika ny didy aho kanefa toa tsara be ny fiainan’izy ireo. Ahoana no ahafahanao milaza fa tsy maintsy mitandrina ny didy ianao vao sambatra?” Hitanao ny fahitsian’ny fanontanian’i Carlos saingy tsapanao fa mila fotoana hifantohana ianao izay vao mamaly. Mifanaraka ianareo roa tonta fa hiresaka bebe kokoa momba ny fanontaniany ny ampitson’io.

Ampiasao ny zavatra nianaranao sy tsapanao teo am-pandalinana ny Almà 41:10 sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hiomanana hifanakalo momba ny fanontanian’i Carlos.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  1. Ny soratra masina dia loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra izay afaka manampy antsika hamaly ireo fanontaniantsika. Vakio ny Almà 41:10 ary mitadiava andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray farafahakeliny izay afaka manampy anao hamaly.

  2. Mieritrereta loharano maromaro hasainao hojeren’i Carlos mba hahazoany fampahalalana fanampiny. Azonao hazavaina mihitsy aza ny maha-azo antoka ny loharano iray momba ny zava-panahy.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe na ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy anao hamantatra ireo fiheverana ananan’i Carlos:

  • Inona avy no fiheverana mety hananany momba ny didy na fahasambarana?

  • Inona avy no fampianaran’ny filazantsara mifandray na manome valiny amin’ny fanontaniany?

  • Inona araka ny eritreritrao no mila fantarin’i Carlos momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny ary ny fomba isahanany ny zanany?

Manao asa amim-pinoana

I Carlos dia afaka manao asa amim-pinoana amin’ny alalan’ny fikatsahana hahatakatra tsara kokoa ireo didin’ny Ray any An-danitra. Ny fisafidianany hitandrina ireo didy eo am-pikatsahany fahatakarana bebe kokoa momba ny maha-zava-dehibe azy ireo dia fanaovana asa amim-pinoana ihany koa. Mandraisa didy roa farafahakeliny ary fantaro ny fomba ahafahan’ny fitandremana izany manampy an’i Carlos hiaina fahasambarana na ny fomba hitondran’ny fandikana izany mankamin’ny fahoriana. Azonao atao ihany koa ny mizara ny fomba nitondran’ny fitandremana ireo didy ireo fahasambarana teo aminao.

  1. Manorata valiny any amin’i Carlos. Hazavao ny fomba ahafahany manaraka ny tsirairay amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Almà 41:10 mba hahitana valiny amin’ny fanontaniany.

Ny valiny amin’ilay sahanasa fampifandraisana dia (1) B, G; (2) D, F; ary (3) A, E