Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Almà 39:9—“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao”


“Fifehezana fotopampianarana: Almà 39:9—‘Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Almà 39:9,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: Almà 39:9

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao”

Sary
I Isabela nisongona an’i Kôriantôna

Tamin’ny fandalinanao ny Almà 39, ianao dia nianatra momba ny maha-zava-dehibe ny fiainana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fomba anoherana fakam-panahy amin’ny alalan’ny fianteherana amin’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Almà 39:9, sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Ny andian-teny manan-danja fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Almà 39:9 dia ny hoe “Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao”. Ampiasao ity fomba fiasa manaraka ity, na iray hafa izay safidinao, mba hanampy anao hitadidy ilay toko sy andininy sy ilay andian-teny manan-danja.

Sary
maso roa ao anatina faribolana misy tsipika

Manaova sarina maso roa ao anatina faribolana misy tsipika eo afovoan’ny pejy ao amin’ny diary fandalinanao na eo amina taratasy iray. Eo ambonin’ilay sary ataonao, soraty ny hoe Almà 39:9 sy ny andian-teny manan-danja hoe: “Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.” Soraty indray eo ambanin’ilay sary nataonao ny toko sy andininy sy ilay andian-teny manan-danja. Soraty indroa ankoatra izany izy ireo, ka ny anankiray eo ankavian’ilay sary nataonao ary ilay anankiray hafa eo ankavanan’izany. Akimpio amin’izay ny masonao ary tonony mafy tsy an-kijery ilay toko sy andinin-tsoratra masina sy ilay andian-teny manan-danja. Raha mila fanazaran-tena misimisy kokoa ianao, dia avereno mandra-pahavitanao tsianjery ny toko sy andininy ary ny andian-teny manan-danja ilay sahanasa.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1.  Vitao ity zavatra manaraka ity:

    Alaivo sary an-tsaina hoe misiônera izay sambany vao mampianatra momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena amin’ny olona iray ianao. Fariparito fohy ny atao hoe lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ary ampiasao ny Almà 39:9 hanazavanao ny fomba fitandremana izany

Fampiharana hanazaran-tena

Avereno jerena mandritra ny fotoana fohy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Miezaha misafidy teny manan-danja iray avy amin’ny tsirairay amin’ireo fitsipika telo izay mampahatsiahy anao momba ilay fitsipika ary afaka manampy anao hahatadidy haingana izany. Ohatra, azonao safidina ho mpampahatsiahy ny teny voalohany amin’ny fitsipika tsirairay (miasa, mamakafaka, mikatsaka). Na azonao atao ny misafidy ny teny toy ny hoe finoana, mandrakizay, ary loharano.

Ampiasao ity rafi-tantara manaraka ity mba hanampy anao hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Ankafizin’i Ivan ny mandany fotoana ao amin’ny tambajotran-tserasera. Mahay mamorona izy ary mampiasa sehatra samihafa ao amin’ny tambajotran-tserasera mba hizarana hafatra tsara. Na izany aza, izy ihany koa dia mahita votoatin-javatra be dia be izay tsy mendrika sy mamoa fady mihitsy aza indraindray. Nanelingelina azy izany tamin’ny voalohany, saingy rehefa nandeha ny fotoana dia nanomboka nihanahazo aina tamin’izany izy. Tato ho ato dia lasa mitady misimisy kokoa an’io karazana votoatin-javatra io mihitsy aza izy. Tsy manam-panahiana momba ny safidy izay ataony izy amin’izao fotoana izao.

Anaovy fikaonan-doha ny fomba mety hahafahan’ny fahatakarana sy fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy an’i Ivan hahita ny olana amin’ny zavatra ataony amin’izao fotoana izao. Mety hanampy ireto fanontaniana sy loharano manaraka ireto.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Ahoana no ahafahan’i Ivan mandinika ny toe-javatra misy azy amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny ezaka ataony mba hihazonana ny eritreriny ho madio mitondra fiovana eo amin’ny fiainany eto an-tany sy eo amin’ny fiainany any ankoatra?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny ezaka ataony amin’ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona avy ny sasany amin’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra afaka manampy an’i Ivan? Ahoana no ahafahan’ny Almà 39:9 manampy?

Hevero ny haka minitra vitsy handalinana loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra, ka hitady andian-teny na fampianarana izay mety hanampy an’i Ivan. Ireto misy hevitra vitsivitsy:

Manao asa amim-pinoana 

  • Inona no azon’i Ivan atao mba hanaovana asa amim-pinoana sy “tsy handehanany intsony araka ny fitsiriritan’ny maso[ny]”? (Almà 39:9).

  • Ahoana no ahafahan’ny fiezahana mitodika amin’i Kristy manampy ny ezaka ataony?

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no fotopampianarana avy amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra izay afaka manampy an’i Ivan ary nahoana?

    • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy an’i Ivan hahafantatra ny zava-doza avy amin’ny zavatra ataony amin’izao fotoana izao?

    • Inona no azony atao mba hanaovana fanovana maharitra?