Seminera
Almà 39: “Lavo amin’ny tenanao kosa ireny zavatra rehetra ireny”


“Almà 39: -Lavo amin’ny tenanao kosa ireny zavatra rehetra ireny,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 39,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Almà 39

“Lavo amin’ny tenanao kosa ireny zavatra rehetra ireny”

Sary
I Almà miresaka amin’i Kôriantôna

Ankehitriny eto amin’izao tontolo izao dia tarihin’i Satana hino ny olona maro fa azo ekena ny firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana. Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia nanome antsika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena mba hahazoantsika fiarovana, fiadanana ary fahasambarana. Nanoro hevitra am-pitiavana ny zanany lahy Kôriantôna i Almà mpaminany mba hamoy ny fahotany sy hibebaka amin’ny fahotany, tafiditra ao anatin’izany ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny maha-zava-doza ny fahalotoam-pitondrantena sy ny fomba hanoherana ny fakam-panahy handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

Ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena

Vakio ireto teny nambara manaraka ireto ary fantaro hoe iza amin’ireto manaraka ireto no tena maneho ny zavatra tsapanao:

  • Tsy ekeko

  • Tsy ekeko amin’ny ankapobeny

  • Ekeko amin’ny ankapobeny

  • Ekeko

  1. Ny zatovo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mahatakatra mazava ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, na ny lalàn’ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena.

  2. Takatr’izy ireo ny antony mahatonga azy io ho manan-danja sy ny antony hitiavan’ny Tompo antsika hiaina azy io.

  3. Mety ho sarotra ny hitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena eo amin’izao tontolo izao ankehitriny.

  4. Ny zatovo ao amin’ny Fiangonana dia mahafantatra ny fomba fanoherana fakam-panahy sy ny fomba fihazonana ny tenan’izy ireo ho madio ara-nofo.

Ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena no lalàn’ny Tompo momba ny fahadiovana ara-nofo. Ny fankatoavana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia midika hoe fihazonana ny tenanao hadio amin’ny eritreritra sy teny ary zavatra atao, ao anatin’izany ny fanalavirana izay zavatra pôrnôgrafika rehetra. Midika hoe fisorohana izay mety ho firaisana ara-nofo alohan’ny fanambadiana ihany koa izany ary fahatokiana tanteraka amin’ny vadinao mandritra ny fanambadiana. “Fahotana lehibe ny fanaovana firaisana ara-nofo eo amin’ny samy lehilahy na eo amin’ny samy vehivavy, toy ireo karazana fandikana hafa ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Mifanohitra amin’ireo tanjon’ny fananahana eo amin’ny olombelona izany” (Sujets de l’Évangile, “Chasteté,” topics.ChurchofJesusChrist.org). (

Makà fotoana hisaintsainana ny fahatakaranao sy ny fahatsapanao momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Inona avy ireo fanontaniana anananao? Nahoana no manan-danja aminao izany? Inona no fakam-panahy mahakasika ny fahadiovam-pitondrantena atrehinao? Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia mikaroha valiny momba ireo fanontanianao sy fanampiana handresena ny fakam-panahy atrehinao.

Nanoro hevitra an’i Kôriantôna zanany lahy i Almà

Ny Almà 39 dia voalohany amin’ireo toko efatra ahitana torohevitra, didy, ary fampianarana avy amin’i Almà ho an’i Kôriantôna zanany lahy. I Kôriantôna dia niaraka tamin’ny rainy sy i Siblôna rahalahiny nitory ny filazantsara tamin’ny Zôramita. Nandritra io iraka io anefa dia nanao fahotana lehibe i Kôriantôna.

Vakio ny Almà 39:1–5 hitadiavana ny fahadisoana nataon’i Kôriantôna sy ny fahatsapan’i Almà sy ny Tompo momba izany. (Ny teny hoe vehivavy janga ao amin’ny andininy 3 dia ilazana vehivavy ratsy fitondrantena na mpivarotena.)

Mba hanampiana anao hisaintsaina ny antony maha-“mampalahelo” ny ray sy ny mpaminany (Almà 39:3) sy maha-“fahavetavetana eo imason’ny Tompo” (Alma 39:5) ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, dia mety hilaina ny fahatakarana ireo fitahiana avy amin’ny fitandremana izany. Mamakia momba ireo fitahiana sy hery ao amin’ny “Fanajana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena” ao amin’ny pejy 26 ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (boky kely, 2022).

  • Ahoana no anomanan’ny fitandremana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena anstika handray fitahiana lehibe avy amin’ny Tompo eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana ho avy?

Mba hahazoana hevi-baovao fanampiny dia vakio ireto fanontaniana manaraka ireto ary tadiavo ao amin’ny soratra masina voatanisa ao anaty fonon-teny ny valin’izany:

  • Inona no hiseho raha tsy mibebaka noho ny fahalotoam-pitondrantena ny olona iray? (Almà 39:7–9)

  • Inona no vokany izay matetika tsinontsinoavina amin’ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? (Almà 39:11–13)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Miainga amin’ny zavatra nianaranao, nahoana no mahatsapa zavatra mahery vaika toy izany mikasika ny fahadiovam-pitondrantena ny ray na reny iray, sy ny mpaminany, ary ny Tompo?

    • Ahoana no anehoan’ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany?

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao”

Ankoatra ny fampianarana ny zanany lahy momba ny maha-goavana ny fahalotoam-pitondrantena, i Almà dia nampianatra an’i Kôriantôna ihany koa ny fomba fisorohana ny fanaovana hadisoana toy izany any aoriana.

Avereno jerena ny Almà 39:9 sy ny Almà 39:13 hitadiavana teny na andian-teny izay afaka manampy anao hanohitra fakam-panahy sy hitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. (Ny andian-teny hoe “lavo amin’ny tenanao” ao amin’ny andininy 9 dia midika hoe fampiharana fifehezan-tena.)

Ny Almà 39:9 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amina fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hanao fanazaran-tena eo amin’ny fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-javatra misy iray.

  • Inona no fitsipika nampianarin’i Almà an’i Kôriantôna ao amin’ireo andininy ireo?

Fitsipika iray mety ho hita avy amin’ireo andininy ireo ny hoe rehefa mampihatra fifehezan-tena sy mitodika amin’ny Tompo isika, dia afaka mandresy ny fakam-panahy handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantenan’ Andriamanitra.

Indraindray dia mety ho sarotra ny mampihatra fifehezan-tena sy ny mitodika amin’ny Tompo handresena ny fakam-panahy. Mety hanampy ny fieritreretana fomba isan-karazany hanaovana izany ary avy eo manaraka ny bitsika avy amin’ny Fanahy momba ny zavatra tena hahasoa anao.

  1. Ataovy ny roa amin’ireto manaraka ireto mba hanampy anao hitady fomba ahafahan’ny zatovo ankehitriny mampihatra fifehezan-tena sy “mitodika amin’ny Tompo amin’ny saina sy hery ary tanja[tsika] rehetra” (Almà 39:13) mba handresena ny fakam-panahy handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Ataovy lisitra ny zavatra hitanao. Azonao atao ihany koa ny mampiditra ny hevitrao manokana.

    1. Vakio ny ambin’ilay torohevitra momba ny fahadiovana ara-pitondrantena ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (jereo ao amin’ny fizarana hoe “Ahoana ny amin’ny … ?” ny hoe “fahadiovana ara-pitondrantena”). Mba hahitana torohevitra fanampiny avy amina mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia hevero ny hamaky ny “Mino Isika fa tokony ho Madio Fitondrantena” (David A Bednar, Liahona, mey 2013, 41–44).

    2. Mitadiava soratra masina tsapanao fa afaka mampatanjaka anao eo anatrehan’ny fakam-panahy handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Afaka mitanisa hira ao amin’ny fihirana ihany koa ianao, na hiran’ny Kilonga mety hitodihanao hahazoana tanjaka rehefa alaim-panahy.

    3. Mitanisà fomba ahafahanao miezaka “mitodika amin’ny Tompo” amin’ny “sainao sy ny herinao ary ny tanjakao rehetra” (Almà 39:13). Ampidiro ny zavatra nataonao tany amin’ny lasa ka tsapanao fa nampatanjaka anao.

    4. Soraty ny torohevitra noraisinao tamin’ny ray aman-dreny sy mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay afaka manampy anao hanohitra fakam-panahy.

    5.   ChurchofJesusChrist.org.

Fandinihana ataon’ny tena manokana

Makà fotoana hisaintsainana ny antony anirianao hijanona ho madio ara-nofo. Avy eo dia raketo an-tsoratra ny dingana hataonao mba hanajana tsy tapaka ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny Tompo. Diniho ny zavatra mety ho namporisihan’ny Fanahy Masina anao mba hatao, ary raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ireo eritreritra hafa rehetra. Raha nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ianao na ny olona iray fantatrao, dia tsarovy fa i Jesoa Kristy dia “tonga hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Almà 39:15) ary hamela ireo rehetra mibebaka amin-kitsimpo sy mahafoy ny fahotany (jereo ny Môzià 26:30, Almà 39:9).