Seminera
Almà 37: “Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra”


“Almà 37: -Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 37,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Almà 37

“Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra”

Sary
zatovolahy mandalina ny soratra masina

Indraindray ny olantsika dia toa tena lehibe sy sarotra ka heverintsika fa ilaina atao lehibe sy sarotra ihany koa ny vahaolana. I Almà anefa dia nampianatra an’i Helamàna zanany lahy fa matetika ny Tompo no mampiasa zava-madinika sy tsotra hanaovana zavatra lehibe, toy ny famelana ny soratra masina hanondro “ny lalana tokony hizoran[tsika]” eo amin’ny fiainantsika (Almà 37:40). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy rehefa mandalina ny teniny ao amin’ny soratra masina ianao.

Ny fahalehibiazan’ny zava-madinika sy tsotra

  • Inona avy no zava-madinika sy tsotra izay mampiova zavatra lehibe eo amin’ny fiainanao?

Sary
zatovovavy manao fanazaran-tena
Sary
finday avo lenta
Sary
borosy nify
Sary
zatovo manao asa fanompoana amin’ny alalan’ny fanadiovana ny ivelan’ny trano iray

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 37, i Almà dia nanankina andraikitra lehibe tamin’i Helamàna; andraikitra izay nampiasain’ny Tompo izay hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny zanak’ Andriamanitra. Vakio ny Almà 37:1–2, 5–7 mba hahitana ilay zavatra sy ny antony naha-tena zava-dehibe izany.

Raha te hahita horonan-tsary maneho ireo andininy ireo ianao, dia jereo ny “Alma donne des conseils à ses fils” manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:15 hatramin’ny 5:05, ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Fahamarinana iray azontsika ianarana ao amin’ny Almà 37 ny hoe mampiasa ny soratra masina hitondrana famonjena ho an’ny olona maro ny Tompo.

  • Nahoana araka ny eritreritrao ny Tompo no mampiasa ny soratra masina mba hanampiana ny olona hanorina finoana an’i Jesoa Kristy sy hanatona Azy mba hahazo famonjena?

Rehefa manohy ny fandalinanao ianao, dia saintsaino ireto fanontaniana ireto: Ahoana no anampian’ny soratra masina amin’ny fitondrana olona ho ao amin’i Jesoa Kristy sy ny famonjeny? Ahoana no tokony handalinako mba handraisana ireo fitahiana lehibe ireo?

Raha tsy tsapanao hoe mandray fitahiana lehibe amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina ianao, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahalalana ny zavatra mety hilainao fantarina na ovaina.

Hery lehiben’ny soratra masina

Sary
i Almà mampianatra ny zanany lahy

I Almà dia nampahatsiahy an’i Helamàna ny momba ny fiantraikany lehibe nentin’ny soratra masina teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita. Vakio ny Almà 37:8–10, 14 hitadiavana ireo fitahiana mahagaga nataon’ny Tompo nitranga tamin’ny alalan’ny soratra masina. Hevero ny hanisy marika ireo fitahiana ireo na hanao lisitra azy ireo ao anatin’ny diary fandalinanao.

  • Iza amin’ireo fitahiana ireo no nanan-danja taminao? Nahoana?

I Almà dia nampianatra fa ny soratra masina dia “nanitatra ny fitadidian’ity vahoaka ity” (Almà 37:8). Nanazava io fitahiana io ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Manitatra ny fitadidiantsika ny soratra masina amin’ny alalan’ny fanampiana antsika hatrany hahatsiaro ny Tompo sy ny fifandraisantsika Aminy sy amin’ny Ray. Mampahatsiahy antsika ny zavatra fantatsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana izy ireny. Ary manitatra ny fitadidiantsika koa izy ireny amin’ny lafiny iray hafa amin’ny alalan’ny fampianarana antsika momba ireo vanim-potoana, ireo vahoaka ary ireo zava-nitranga izay tsy nolalovantsika na niainantsika mivantana. (D. Todd Christofferson, “The Blessing of Scripture,” Ensign or Liahona, May 2010, 33)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Oviana ianao na ny hafa izay fantatrao no niaina ny iray amin’ireo fitahian’ny fandalinana soratra masina ireo?

    • Ahoana araka ny eritreritrao no itondran’ny soratra masina antsika “mankamin’ny fahalalana ny Tompo … sy hifaly ao amin’i Jesoa Kristy”? (Almà 37:9)

Ny Liahônà sy ny tenin’i Kristy

Rehefa avy nanome torohevitra hafa an’i Helamàna i Almà, dia nampitaha ny tenin’i Kristy tamina zava-madinika sy tsotra manokana iray izay nampiasain’i Lehia sy ny fianakaviany izy: ny Liahônà. Saintsaino ny zavatra fantatrao momba ny Liahônà.

Sary
I Lehia sy ny fianakaviany mijery ny Liahônà

Vakio ny Almà 37:38–46 hitadiavana ny zava-madinika sy tsotra tsy maintsy nataon’ny fianakavian’i Lehia mba hahafahan’ny Liahônà mitari-dalana azy ireo.

  1. Vitao ireto manaraka ireto:

    Mba hanampiana anao hieritreritra ny fomba iantefan’ireo fampianaran’i Almà momba ny Liahona amin’ny fandalinana soratra masina, dia makà fotoana hamariparitana izao zavatra manaraka izao:

    1. Fandalinana ny soratra masina amim-pinoana an’ Andriamanitra (jereo ny Almà 37:40). Inona no tsy mampitovy izany amin’ny karazana fandalinana hafa?

    2. Lasa “kamo” sy manadino “mampihatra … finoana sy fahazotoana” amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina (Almà 37:41).

    I Almà anefa dia nampianatra an’i Helamàna zanany lahy fa matetika ny Tompo no mampiasa zava-madinika sy tsotra hanaovana zavatra lehibe, toy ny famelana ny soratra masina hanondro “ny lalana tokony hizoran[tsika]” eo amin’ny fiainantsika (Almà 37: 38, 40).

Fandalinana soratra masina ataon’ny tena manokana

Saintsaino ny tanjonao sy ny fahazaranao ary ny traikefanao eo amin’ny fandalinanao soratra masina manokana amin’izao fotoana izao. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ireo fanamboarana kely mety hilainao hatao mba hamelana ny Tompo hitahy anao amin’ny fomba tena tsara. Ireto manaraka ireto dia sosokevitra vitsivitsy:

Halalino ny soratra masina mba hikarohana “fahalalana ny Tompo” misimisy kokoa na “hifaliana ao amin’i Jesoa Kristy” (Almà 37:9).

  • Izany dia mety hahitana filazana momba an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany ary ny iraka nampanaovina Azy. Rehefa hitanao ireo zavatra voalaza ireo dia azonao atao ny mieritreritra ny fomba anatanterahan’i Jesoa Kristy anjara asa mitovitovy amin’izany eo amin’ny fiainanao. Azonao atao ny mirakitra fanehoam-pankasitrahana ao amin’ny diary fandalinanao na ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile rehefa hitanao izy ireo.

Manehoa finoana an’ Andriamanitra rehefa mandalina ianao (jereo ny Almà 37:40).

  • Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fitadiavana fomba handraisana andraikitra eo anatrehan’ny zavatra halalininao sy fomba hanatonana an’i Kristy. Azonao atao ny mikatsaka tsy tapaka ny hamaly ny fanontaniana hoe “Ahoana no ahafahan’ny zavatra halaliniko manampy ahy hanatona an’i Kristy mba handraisana ny fitahiany sy hanarahana ny ohatra nasehony?” Afaka mirakitra an-tsoratra ao anatina diary iray ny valinteninao ianao.

Farito ny fomba hahafahanao misoroka ilay hoe “kamo” sy manadino “mampihatra ny finoana sy fahazotoa[nao]” amin’ny fandalinanao (Almà 37:41).

  • Izany dia mety hahitana ny fifantenana fotoana tsy tapaka isan’andro handalinana ny soratra masinao. Azonao atao ihany koa ny manasa olona ao amin’ny fianakaviana na namana hanara-maso tsy tapaka ny ezaka ataonao handalinana soratra masina. Mety azonao atao ny mametraka fampahatsiahivana isan’andro ao amin’ny kalandirie ao amin’ny findainao na fitaovana nomerika hafa raha misy izany.