Seminera
Almà 33: Mampianatra ny filazantsaran’ny Mpamonjy


“Almà 33: Mampianatra ny filazantsaran’ny Mpamonjy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 33,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Almà 33

Mampianatra ny filazantsaran’ny Mpamonjy

Sary
mpianatra mampianatra ny kilasin’ny seminera

Efa nahatsapa faniriana hanaraka ny Tompo akaiky kokoa ve ianao nefa tsy fantatrao hoe inona no hatao? Nanontany an’i Almà mpaminany ny fomba “tokony hanombohan’izy ireo mba hampihatra ny finoany” ireo mahantra teo anivon’ny Zôramita (Almà 33:1). Zava-dehibe ny hahatakaran’ny mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra ny valintenin’i Almà. Ity lesona ity dia afaka mampitombo ny fahatakaranao ireo dingana azonao atao mba hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy misimisy kokoa.

Fanontaniana momba ny filazantsara

  • Raha manana fahafahana hametraka fanontaniana iray na roa amin’ny mpaminanin’ Andriamanitra ianao, inona no mety ho tianao ho fantarina? Nahoana?

Ao amin’ny Almà toko 32, ny mpaminany Almà dia nanasa ny Zôramita hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo amin’ny alalan’ny fikolokoloana ny tenin’ Andriamanitra ao am-pon’izy ireo. Namaly tamin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana manan-danja vitsivitsy taminy izy ireo.

Vakio ny Almà 33:1 hitadiavana ireo fanontaniana napetrak’izy ireo tamin’ny mpaminany.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mety hahafahan’ny tanora iray ankehitriny milaza amin’ny fomba hafa ilay fanontaniana hoe “[amin’ny fomba ahoana no] tokony hanombohan’izy ireo mampihatra ny finoany”?

  • Ahoana no hamalianao izany fanontaniana izany miainga amin’ny zavatra fantatrao momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Ny fampiharana finoana dia mihoatra noho ny finoana fotsiny an’i Jesoa Kristy. Mampihatra finoana isika rehefa manao ny zavatra angatahin’ny Mpamonjy sy minia mikatsaka ny hanaraka Azy. Namaly ny fanontanian’ny Zôramita tamin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo fomba maro ahafahantsika mampihatra ny finoantsika an’i Jesoa Kristy i Almà.

Misafidiana iray amin’ireto safidy telo manaraka ireto avy amin’ny valintenin’i Almà izay tianao ho takatra tsara kokoa. Miomàna toy ny handeha hampianatra lesona dimy hatramin’ny fito minitra momba ny safidy nosafidinao. Hevero ny hieritreritra momba ny olona iray fantatrao ary miomàna toy ny handeha hizara ilay lesona aminy. Mety ho azonao atao ny mampiasa ny sasany amin’ireo hevitra voatanisa eo ambanin’ny “Hevitra amin’ny fanomanana ny lesona” aoriana kely ao ao anatin’ny lesona mba hanampy anao hiomana.

Ny loharano sasantsasany dia hita ihany koa ao amin’ny fizarana hoe “Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” any amin’ny fiafaran’ny lesona izay mety hanampy anao.

Safidy 1: Afaka mampihatra finoana an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitsaohana Azy ao anatin’ny vavaka isika. Almà 33:3–11

Soratra masina hafa hojerena: Almà 34:17–27

Safidy 2: Afaka mampihatra finoana amin’ny alalan’ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra isika. Almà 33:12–18

Soratra masina hafa hojerena: Jaona 3:16; 2 Nefia 2:6–8

Safidy 3: Afaka mampihatra finoana amin’ny alalan’ny fiandrandrana an’i Jesoa Kristy hanasitrana isika. Almà 33:18–23

Soratra masina hafa hojerena: Nomery 21:4–9; Helamàna 8:14–15

Hevitra amin’ny fanomanana ny lesona

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)—“Almà 33: Mampianatran ny filazantsaran’ny Mpamonjy”

Inona no safidy nosafidinao hifantohana?

Hevero ny hampiasa ny sasany amin’ireto tari-dalana manaraka ireto mba hanampy anao hanomana ny rindran-damin’ny lesonao.

Ireo andian-teny manan-danja avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina mety ho arosonao an’ireo ampianarinao mba ho azon’izy ireo asiana marika:

Ny zavatra azon’ireo andininy ireo anampiana ireo ampianarinao ho takatr’izy ireo na ho tsapan’izy ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy:

Ny fomba ahafahan’io fahamarinana io miantraika eo amin’ny fiainan’ireo ampianarinao:

Lesona ampitaina amin’ny alalana fampiasana zavatra azo tsapain-tanana, na ohatra tsara maneho olona miaina io fahamarinana io:

Fanontaniana mety hapetrakao mba hanampiana ireo ampianarinao hisaintsaina ny zavatra nampianarin’i Almà:

Zavatra niainanao tamin’ny alalan’ny zavatra nampianarin’i Almà:

Soratra masina hafa na teny hafa nambaran’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana:

Ny zavatra mety hanasanao ireo ampianarinao mba hatao noho ny zavatra nianaran’izy ireo:

Hevero ombam-bavaka ny fomba mety hahafahanao mizara ny zavatra nianaranao amin’ilay olona tao an-tsainao tamin’ny fotoana nanomananao io lesona io.

  1. Manorata rindran-damina fohy momba ny zavatra hampianarinao, ao anatin’izany ny antsipiriany amin’ny fomba hampianaranao azy. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no hevi-baovao azonao momba ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy androany?

    • Ahoana no nanampian’ny fanomanana lesona momba izany anao hahazo ireo hevi-baovao ireo?