Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Almà 34:9–10—“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”


“Fifehezana fotopampianarana: Almà 34:9–10—-Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Almà 34:9–10,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: Almà 34:9–10

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Sary
I Kristy teo amin’ny hazofijaliana

Tao amin’ny lesona iray teo aloha, ianao dia nianatra momba ny Sorompanavotana tsisy fetra sady mandrakizain’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Almà 34:9–10, hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andininy ireo ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny fampiasana io andinin-tsoratra masina io.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Efa tsikaritrao ve fa mety ho mora kokoa ny manakatra zavatra iray ao an-tsainao noho ny manazava izany amin’ny teny? Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanome anao fahafahana hanazava ny fotopampianarana avy amina andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny alalan’ny teninao manokana.

Tamin’ny fandalinanao vao haingana ny Almà 34:9–10, dia nianaranao fa raha tsy misy ny Sorompanavotana tsisy fetra sady mandrakizain’i Jesoa Kristy, dia ho very mandrakizay ny olombelona rehetra.

Alaivo sary an-tsaina hoe ianao dia manana fahafahana hanazava ny hevitry ny Almà 34:9–10 amin’ny olona iray izay tena kely no fantany momba an’i Jesoa Kristy. Makà fotoana hamerenana mijery ireo andininy ireo sy hanisiana marika na hanoratana ny teny na andian-teny tianao ho takatr’io olona io.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
Sary
icon, record
  1. Valio ity fanontaniana manaraka ity:

    • Ahoana no hanazavanao ny fampianaran’ny Almà 34:9–10 amin’ny alalan’ny teninao manokana?

Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Almà 34:9–10 dia ny hoe: “Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Mba hanampiana anao hanao tsianjery ny toko sy andininy sy ny teny manan-danja, dia soraty imbetsaka eo amina taratasy ny hoe “Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, …” mandra-pahavitanao tsianjery io ampahany amin’ilay andian-teny io. Avy eo dia manaova toy izany ihany amin’ny ampahany faharoa amin’ilay andian-teny: “sorona tsisy fetra sady mandrakizay“. Raha vao vitanao tsianjery ilay ampahany faharoa, dia avereno miaraka ny toko sy andininy sy ny teny manan-danja manontolo mandra-pahavitanao tsianjery azy manontolo.

Fampiharana hanazaran-tena

Tadidinao ve ny anaran’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy telo? Jereo raha afaka mamerina azy ireo tsy mijery ianao. Raha mila fanampiana ianao, dia azonao atao ny mamerina mijery ireo fitsipika ireo amin’ny alalan’ny fandalinana ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Fahazoana fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Hanana fahafahana hamerina hijery ireo fitsipika ireo sy hizatra hampiasa azy ireo mandritra ity lesona ity ianao.

Alaivo sary an-tsaina hoe angatahina hampianatra lesona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady misy anao ianao. Ao anatin’ny fiomananao, dia manatona zatovovavy iray ao amin’ny paroasinao antsoina hoe Olive ianao ary mangataka azy hizara ny eritreriny momba ny fomba nitahian’i Jesoa Kristy ny fiainany noho ny Sorompanavotany.

Mahagaga anao ny valintenin’i Olive. Hoy izy, “Tsoriko aminao fa ny Sorompanavotana araka ny eritreritro dia tena tsara ho an’ny ankamaroan’ny olona, saingy tsy azoko antoka intsony hoe manao ahoana ny fiantefan’izany amiko noho ny sasany amin’ireo fahadisoana nataoko sy tohizako atao. Misy fahotana sasany izay tsy fantatro raha ho vitako ny handresy azy.”

Rehefa manohy manomana ny lesona ianao, dia manohy mieritreritra momba an’i Olive ianao ary te hanampy azy. Hevero ny mety hahafahan’ny fampianarana ao amin’ny Almà 34:9–10 sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy an’i Olive amin’ny ahiahiny.

Manao asa amim-pinoana

Sary
icon, record
  1. Valio ireo fanontaniana mifandray amin’ny iray farafahakeliny amin’ireto teboka manaraka ireto:

    • Inona avy ireo asa manokana mifono fahatokiana heverinao fa azon’i Olive atao ka afaka manampy azy?

    • Inona no azonao ampianarina an’i Olive momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ka mety ho afaka manampy azy hanao asa amim-pinoana? Ahoana no mety hahafahan’ireo fampianarana ao amin’ny Almà 34:9–10 manampy?

Mba hahitana hevitra hafa momba ny fomba ahafahan’i Olive manao asa amim-pinoana, dia azonao vakina ny andiam-pehezanteny 5–7 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

Mamakafaka amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny foto-kevitra na fanontaniana

Sary
icon, record
  1. Valio ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto farafahakeliny:

    • Ahoana araka ny eritreritrao no ho fomba fijerin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny ahiahy iray toy ny an’i Olive?

    • Nahoana no zava-dehibe amin’i Olive ny mahatsiaro fa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia “tsisy fetra sady mandrakizay” (Almà 34:10)?

    • Ahoana no mety hanampian’ny fahatsiarovana fa lavo sady very ny rehetra raha tsy misy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy azy hahita ny ahiahiny amin’ny fomba hafa?

Mba hahitana hevitra hafa amin’ny fomba ahafahan’i Olive mamakafaka foto-kevitra sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, dia azonao atao ny mamaky ny andiam-pehezanteny 8 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  1. Valio ireo fanontaniana mifandray amin’ny iray farafahakeliny amin’ireto teboka manaraka ireto:

    • Inona no karazana loharano nofidin’ Andriamanitra hatoronao an’i Olive mba hanampiana azy handray fitarihana sy torolalana? Nahoana?

    • Ankoatra ny Almà 34:9–10, inona no soratra masina iray na fanambarana iray avy amina mpitarika ao amin’ny Fiangonana azonao zaraina amin’i Olive? Ahoana no mety hahafahan’izany manampy azy?

Mba hahitana hevitra hafa momba ny fomba ahafahan’i Olive mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra, dia azonao vakina ny andiam-pehezanteny 11–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.