Seminera
Almà 34:1–17: Ny Sorompanavotana tsisy fetra sady mandrakizain’i Jesoa Kristy


“Almà 34:1–17: Ny Sorompanavotana tsisy fetra sady mandrakizain’i Jesoa Kristy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 34:1–17,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Almà 34:1–17

Ny Sorompanavotana tsisy fetra sady mandrakizain’i Jesoa Kristy

Sary
I Jesoa Kristy nivavaka tao amin’ny Sahan’i Getsemane

Efa noeritreretinao ve hoe hanao ahoana ny fiainanao raha tsy misy an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany? Nampianatra ny Zôramita i Amioleka fa ny olona rehetra dia mafy fo, sy lavo, ary very raha tsy eo ny sorona tsisy fetra sady mandrakizain’ny Zanak’ Andriamanitra. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy mitahy anao amin’ny alalan’ny sorompanavotany tsisy fetra sady mandrakizay.

Inona no zavatra hiova eo amin’ny fiainana?

Inona no zavatra hiova eo amin’ny fiainana raha tsy eo …?

Mieritrereta fomba vitsivitsy ahafahanao mamaly io fanontaniana io amin’ny alalan’ny olona na zavatra ianteheranao. Ohatra, afaka mieritreritra ny zavatra hiova eo amin’ny fiainanao ianao raha tsy eo ny olona iray manokana, na ny teknôlôjia sasany na ny fitaovana ampiasainao matetika, na ny zavatra ankafizinao ny manao azy.

Sary
I Kristy nivavaka tao Getsemane

Makà fotoana hanaovana lisitra ao amin’ny diary fandalinanao ny sasany amin’ireo zavatra hiova eo amin’ny fiainanao raha tsy misy an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Rehefa mandalina ianao androany dia hianatra fahamarinana izay afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny filanao an’i Jesoa Kristy ianao.

Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny Zôramita i Amioleka

Mety ho tadidinao fa i Almà sy i Amioleka dia nitory tamin’ny Zôramita izay nino fa “tsy hisy i Kristy” (Almà 31:16). Rehefa vitan’i Almà ny hafany voarakitra ao amin’ny Almà 32–33, dia nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany manokana momba ny Mpamonjy i Amioleka.

Vakio ny Almà 34:1–10 hitadiavana ny zavatra nozarain’i Amioleka momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

Ny Almà 34:9–10 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amina fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hanao fanazaran-tena eo amin’ny fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-javatra misy iray.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany hitanao fa manan-danja indrindra? Nahoana?

  • Inona no nianaranao tamin’ireo andininy ireo momba ny antony ilantsika an’i Jesoa Kristy hanao sorona fanavotana ho antsika?

  • Ahoana no hamintinanao ireo fampianaran’i Amioleka ao amin’ny Almà 34:8–10 mba hiendrika ho fanambaram-pahamarinana iray?

Mety nahita fahamarinana iray mitovitovy amin’ity manaraka ity ianao: Raha tsy nisy ny Sorompanavotana tsisy fetra sady mandrakizain’i Jesoa Kristy, dia ho very mandrakizay ny olombelona rehetra.

  • Nahoana no “tsy azo ihodivirana ny tsy maintsy hahafaty” ny olombelona rehetra na hahatonga azy ho very mandrakizay raha tsy misy an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany?

Tsisy fetra sady mandrakizay

Hevero ny hanisy marika ny teny hoe “tsisy fetra sady mandrakizay” any amin’ny faran’ny andininy 10 sy handika ity kisary manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao:

Sary
ny teny hoe “ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” eo akaikin’ny zana-tsipika manondro ny teny hoe “tsisy fetra sady mandrakizay”
  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe tsisy fetra sady mandrakizay ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Nizara izao hevi-baovao manaraka izao ny Filoha Russell M. Nelson:

Tsy misy fetra—tsy manam-piafarana ny Sorompanavotany. Tsisy fetra koa izany mba hahafahan’ny olona rehetra ho voavonjy amin’ilay fahafatesana tsy manam-piafarana. Tsisy fetra izany raha ny fijaliany lehibe no resahina. … Tsisy fetra izany raha eo amin’ny halehibeny—notanterahina indray mandeha ho an’ny rehetra izany. Ary tsy hoe mipaka hatrany amin’ny olona maro tsy tambo isaina fotsiny ihany ny famindram-pon’ny Sorompanavotana fa mipaka ihany koa hatrany amin’ireo tontolo tsy tambo isaina izay nohariny. Izany dia tsisy fetra ary mihoatra izay mety ho mari-drefin’ny olombelona na ny fahatakaran’ny olombelona. (Russell M. Nelson, “The Atonement,” Ensign, Nov. 1996, 35)

  • Nanampy anao hianatra na hahatsapa inona momba an’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotana nataony io teny nambaran’ny Filoha Nelson io?

Inona no ifandraisan’izany aminao?

Raha afaka mitahy olona tsy tambo isaina amin’ny alalan’ny Sorompanavotany ny Mpamonjy, dia afaka mitahy anao manokana ihany koa Izy. Hevero ny hanavao ilay kisary ao amin’ny diary fandalinanao mba hitovy amin’ity manaraka ity:

Sary
ny teny hoe “ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” eo akaikin’ny zana-tsipika manondro ny teny hoe “tsisy fetra sady mandrakizay” sy ny zana-tsipika iray manondro ny teny hoe “manokana”

Halalino ireto loharano manaraka ireto hitadiavana ny sasany amin’ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy mitahy anao manokana noho ny Sorompanavotany tsisy fetra sy mandrakizay.

Nampianatra izao ny Filoha Tad R. Callister, Filohan’ny Sekoly Alahady Maneran-tany teo aloha:

Nisy fotoana aho tafahaona tamina Olomasina tsara, izay nanana olana tamin’ny famelana ny tenany, izay tsy tamim-pananan-tsiny saingy tamim-pahadisoana, dia nametraka fetra amin’ny herim-panavotan’ny Mpamonjy. Novain’izy ireo tsy nahy ny Sorompanavotana tsy manam-petra ho lasa manam-petra, ary toa tsy miantraika amin’ny fahotany na ny fahalemen’izy ireo manokana. Saingy Sorompanavotana tsy misy fetra izy io noho izy mandrakotra sy mamaritra ny fahotana sy ny fahalemena rehetra, ary koa ny herisetra na fanaintainana rehetra izay nataon’ny hafa. (Tad R. Callister, “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, mey 2019, 85–86)

  1. Valio ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto farafahakeliny:

    • Inona no zavatra nianaranao momba ny sasany amin’ireo fomba ahafahan’ny Mpamonjy mitahy anao manokana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsisy fetra sy mandrakizay?

    • Inona no zavatra hiova eo amin’ny fiainanao raha tsy misy an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany?