Seminera
Tombano ny fianaranao 3: 2 Nefia 26–Jakoba 7


“Tombano ny fianaranao 3: 2 Nefia 26–Jakoba 7,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Tombano ny fianaranao 3,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Tombano ny fianaranao 3

2 Nefia 26Jakoba 7

Sary
Zatovovavy manoratra ao anaty diary

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahita ny fomba nitomboanao na niovanao nandritra ny fandalinanao ny 2 Nefia 26Jakoba 7.

Mihatsara kokoa hatrany isan’andro

Nampianatra toy izao ny Filoha Lorenzo Snow (1814–1901), Filoha fahadimin’ny Fiangonana:

Aza manantena ny ho tanteraka ao anatin’ny indray mandeha ianao. Ho diso fanantenana ianao raha manao izany. Manaova tsaratsara kokoa mihoatra noho ny nataonao omaly ary manaova tsaratsara kokoa rahampitso mihoatra noho ny nataonao androany. Ny fakam-panahy izay mety nandresy antsika tamin’ny ampahany androany dia aoka tsy handresy antsika tahaka izany rahampitso. Noho izany, tohizo tsikelikely isan’andro isan’andro ny hatsarana ary aoka tsy handalo fotsiny ny fiainanao nefa tsy nahavita tsara tamin’ny hafa sy tamin’ny tenanao ianao. (Teachings of Presidents of the Church: Lorenzo Snow [2012], 103)

  • Ahoana no ahafantaranao raha tsara kokoa noho ny omaly ianao androany?

  • Ahoana no ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy anao amin’ny ezaka ataonao ho tsara kokoa noho ny anio rahampitso?

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hieritreritra momba ny fitomboanao amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy anao, ao anatin’izany ny fahafahanao manazava fotopampianarana ianaranao ao amin’ny soratra masina. Mieritrereta fomba nanampian’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna anao hitombo amin’ny maha mpianatr’i Kristy anao. Rehefa mandalina ianao anio, dia asao ny Fanahy Masina hanampy anao hahita ny fiantraikan’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fahafahanao miaina sy mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ny sahanasa A na B.

Sahanasa A: Hazavao ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy

I Nefia dia nampianatra ny zavatra ilaintsika atao mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Ireny fitsipika sy ôrdônansy ireny dia antsoina hoe fotopampianaran’i Kristy (jereo ny 2 Nefia 31:2, 21). Ny fotopampianaran’i Kristy “no lalana; ary tsy misy lalana na anarana hafa nomena ambanin’ny lanitra, izay ahazoana mamonjy ny olona ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra” (2 Nefia 31:21). Avereno jerena ny 2 Nefia 31:10–12, 17, 20–21, hitadiavana ireo fitsipika sy ôrdônansy izay ao anatin’ny fotopampianaran’i Kristy.

Raha nisafidy ity sahanasa ity ianao, dia valio ity fanontaniana manaraka ity.

  • Ahoana no mety hahafahanao manazava ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny olona iray hafa amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra noraketin’i Nefia an-tsoratra ao amin’ny 2 Nefia 31?

  • Ahoana no anampian’ny fotopampianaran’i Kristy antsika hiantehitra Aminy amin’ny famonjena antsika?

  • Ahoana no itahiana anao amin’ny alalan’ny fanarahana ny fotopampianaran’i Kristy?

Sahanasa B: Hazavao ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Alaovy sary an-tsaina ity rafi-tantara manaraka ity:

Miomana ny ho tonga misiônera amin’ny fotoana feno i Luca. Nandefa ity hafatra manaraka ity herinandro mialoha ny hihaonan’izy ireo hiresadresaka ny filohan’ny tsatòkany:

“Luca, tena faly aho hihaona aminao. Ho fiomanana amin’ny fihaonantsika dia afaka miomana ny hampiasa ny Bokin’i Môrmôna ve ianao mba hamaliana ity fanontaniana ity: Inona no anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? (jereo ny 2 Nefia 3:11–12; 2 Nefia 27:25–26; 2 Nefia 29:7–11).”

Raha nisafidy ity sahanasa ity ianao, dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no azon’i Luca zaraina avy amin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny anjara asan’izy io amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

  1. Vitao ny sahanasa D na E.

Sahanasa D: Tohero amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny devoly

Ao amin’ny 2 Nefia 28:20–22, i Nefia dia nampianatra momba ny paikady hampiasain’i Satana hisintonana ny olona hanalavitra an’ Andriamanitra amin’ny andro farany. Izany dia ahitana ny famporisihana ny olona ho tezitra amin’izay tsara, fampandriana adrisa ny olona sy fandrotsirotsiana azy ireo amin’ny fiadanana ara-nofo, ary fitenenana amin’ny olona fa tsy misy ny helo sy ny devoly. Ao anatin’ny fandalinanao ny lesona “2 Nefia 28:1–26,” dia mety ho namorona drafitra ianao mba hiarovana kokoa ny tenanao amin’ny tetikadin’i Satana. Avereno jerena ny zavatra nosoratanao ao amin’ny diary fandalinanao avy amin’izany lesona izany.

Raha nisafidy io sahanasa io ianao, dia mamalia roa farafahakeliny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Toy ny ahoana ny fahombiazan’ny nanatanterahanao ny drafitrao? Nahoana?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny drafitrao anao hahazo ny fiarovan’ny Mpamonjy amin’ny tetikadin’i Satana?

  • Inona no zavatra nianaranao na niainanao izay afaka manampy ka hampidirinao ao amin’ny drafitrao?

Mihevera fomba hanoloran-tena indray amin’ny drafitrao. Ataovy azo antoka fa mitady ny fanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao mba hampitandrina anao amin’ny loza sy hanome hery anao handositra na handresy ny tetikadin’i Satana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5).

Sahanasa E: Mandraisa anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely

Samy liana be tamin’ny fanangonana an’i Isiraely na i Nefia na i Jakoba. Izany angamba, amin’ny ampahany, dia noho ny nanehoan’ny Tompo tamin’i Nefia ny zavatra hitranga amin’ny taranany (jereo ny 1 Nefia 12–13).

Mety ho efa nasaina handray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely ianao tao anatin’ny fandalinanao ny 1 Nefia 19–22; 2 Nefia 6; na Jakoba 5:52–77; 6:1–13. Raha izany dia avereno jerena ny fanoloran-tena na drafitra nataonao na ny toe-tsainao sy ny fahavononanao hirotsaka amin’ilay asa.

Raha nisafidy io sahanasa io ianao, dia mamalia roa farafahakeliny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao tamin’ny fandalinanao momba ny fanangonana an’i Isiraely ka hitanao ho mampahery na ilaina?

  • Inona no ezaka nataonao ka mbola tsy nandramanao tany aloha? Nahomby ve ianao? Nahoana, na nahoana no tsia?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahatsapanao ny Mpamonjy mitari-dalana anao na manamafy orina anao rehefa manao ny asany ianao?

  • Inona avy no fitahiana hitanao avy amin’ny fandraisana anjara amin’io asa io?