Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 5: Ataovy lany tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 5: Ataovy lany tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 5,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana fifehezana fotopampianarana 5

Ataovy lany tisanjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja

Sary
Zatovovavy mamaky ny soratra masina

Ny fitadidiana andinin-tsoratra masina sy ny zavatra ampianarina ao anatin’izy ireny dia afaka mitahy anao amin’ny fomba maro. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Mahatsiaro

  • Inona no zavatra iray izay tsapanao fa hotsaroanao foana? Nahoana?

Nampianatra ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa “manasa antsika ny Mpamonjy hahatsiaro Azy mandrakariva, tahaka ny hahatsiarovany antsika mandrakariva” (“Tsarovy mandrakariva Izy,” Liahona, mey 2016, 110).

  • Nahoana araka ny hevitrao no tian’ny Ray any An-danitra isika hahatsiaro mandrakariva ny Zanany Lahy?

  • Inona avy no fomba sasantsasany nahafahanao nahatsiaro an’i Jesoa Kristy isan’andro?

  • Ahoana no naha fitahiana teo amin’ny fiainanao ny fahatsiarovana ny Mpamonjy sy ny zava-drehetra nataony?

Fomba lehibe iray ahafahanao mahatsiaro an’i Jesoa Kristy ny fitadidiana ireo fampianarany ao amin’ny soratra masina. Ao amin’ity lesona ity ianao dia hanana fahafahana hanao tsianjery ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay hita ao amin’ity tabilao manaraka ity. Rehefa manao tsianjery ianao, dia saintsaino ny fomba ahafahan’ny fitadidiana andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny ireo manampy anao hahatsiaro kokoa an’i Jesoa Kristy isan’andro.

Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina mbamin’ireo andian-teny manan-danja ao amin’izy ireo raha mbola tsy nanao izany ianao.

Akorontano ary ampifandraiso

Andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha olona araka ny nofo [ … ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka ianareo hatao “batisa amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo.”

Mitadiava andinin-tsoratra masina efatra izay tsapanao fa hanampy indrindra anao hahatsiaro an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao, ary eritrereto ny antony mahatonga anao hahatsapa toy izany. Avy eo dia ataovy ity sahanasa manaraka ity. Azonao atao ny manao sahanasa mitovitovy amin’izy io fa amin’ny alalan’ny fampiasana ny application Maîtrise de la doctrine.

  1. Hetezo ho efatra mitovy tsara ny ravin-taratasy iray. Ataovy amin’ny tsirairay amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nosafidinao izao manaraka izao:

    1. Soraty eo amina tapaka taratasy iray ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja mifandray amin’izany.

    2. Tapaho ilay andian-teny manan-danja, ka saraho amin’ilay andinin-tsoratra masina, toy ny amin’ny ohatra eo ambany (hetezo eo amin’ny famantarana “/”):

      2 Nefia 26:33 / “Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

  2. Rehefa manana fitambarana andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja efatra ianao, dia ataovy manao antontany ny taratasy ary ataovy mifangaro izy ireo.

  3. Manandrama mampifandray ny andinin-tsoratra masina amin’ny andian-teny manan-danja mifandray aminy tsy mijery na inona na inona hanampy anao. Hevero ny hanao izany indroa na intelo. Azonao atao ny mandrefy ny fotoana anaovanao izany ka miezaka manatsara ny hafaingananao isaky ny mandeha.

  4. Ampitomboy ny hasarotr’izany amin’ny alalan’ny fanetezana ireo andian-teny tahaka ny eo amin’ny ohatra eo ambany:

    2 Nefia 28:30 / Andriamanitra “hanome ny zanak’olombelona / andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, / fitsipika anampy fitsipika.”

    2 Nefia 32:3 / “Mivokisa amin’ny / tenin’i Kristy, / fa indro / hilaza aminareo / ny zava-drehetra / tokony hataonareo / ny tenin’i Kristy”.

  5. Ampifangaroy ireo tapa-taratasy ireo ary ezaho alamina araka ny tokony ho izy. Azonao atao ny mampifangaro indray miaraka ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny rehetra o, na azonao atao ny mitadidy andininy iray isaky ny mandeha. Hevero ny hanao izany indroa na intelo. Azonao atao ny mandrefy ny fotoana anaovanao izany ka miezaka manatsara ny hafaingananao isaky ny mandeha.

  6. Raha manana fotoana misimisy ianao, dia misafidiana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana misimisy kokoa ary avereno ilay dingana.

  1. Valio ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja nataonao tsianjery?

  • Inona amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo no manampy indrindra anao amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao? Nahoana no mahatsapa izany ianao?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo andinin-tsoratra masina nifantohanao androany ireo manampy anao hahatsiaro an’i Jesoa Kristy?