Seminera
2 Nefia 31:1–13: “Manaraka ny ohatry ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona”


“2 Nefia 31:1–13: ‘Manaraka ny ohatry ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 31:1–13,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 31:1–13

“Manaraka ny ohatry ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona”

Sary
I Jaona nanao batisa an’i Jesoa Kristy

Ahoana avy ireo fomba sasantsasany ahafahantsika manaraka ny ohatry ny Mpamonjy? Nampianatra i Nefia fa ny fanarahana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanaovana batisa sy fandraisana ny Fanahy Masina dia tena ilaina amin’ny fahazoana famonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa sy hanazava ny maha-zava-dehibe ny batisa sy ireo fitahiana izay tonga avy amin’izany ity lesona ity.

Manaraka an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanaovana batisa

Alaivo sary an-tsaina hoe i Ada namanao dia nihaona tamina misiôneran’ny Fiangonana ary tena mankafy ny zavatra iainany. Mamaky ny Bokin’i Môrmôna izy ary mankafy ny zavatra ianarany. Vao haingana no nanasa azy hatao batisa ireo misiônera. Ny ampitson’ilay fanasana, dia milaza aminao momba izany i Ada ary miteny hoe: “Ohatra ny te hatao batisa aho, saingy manontany tena aho hoe nahoana no tena zava-dehibe izany raha miezaka ny ho olona tsara aho. Inona no tena maha-zava-dehibe ny batisa?”

  • Mahatsapa ve ianao fa afaka mamaly ny fanontanian’i Ada amina fomba iray izay hanampiana azy hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny batisa? Nahoana, na nahoana no tsia?

Rehefa mandalina ianao anio, dia mitadiava fahamarinana izay manampy anao hahatakatra misimisy kokoa momba ny Mpamonjy sy ny antony maha-zava-dehibe ny fanarahana ny ohatra nasehony mahakasika ny batisany. Saintsaino ny fomba fiantraikan’izany teo amin’ny fiainanao sy teo amin’ireo olona fantatrao. Any amin’ny fiafaran’ny lesona, dia hanana fahafahana hamaly ny fanontaniana manan-danjan’i Ada ianao.

Rehefa nanakaiky ny famaranana ny zavatra nosoratany tamin’ireo takelaka i Nefia, dia naniry ny hiresaka momba “ny fotopampianaran’i Kristy” izy. Hevero ny hanisy marika io andian-teny io ao amin’ny 2 Nefia 31:2 sy ny 2 Nefia 31:21.

Ny batisa dia singa tena ilaina ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy.

  • Inona no zavatra fantatrao momba ny batisan’ny Mpamonjy?

Raha toa ka ilaina ny mamerina mijery ny momba ny batisan’ny Mpamonjy, dia hevero ny hanao ny iray amin’ireto manaraka ireto:

  • Vakio ny Matio 3:13–17.

  • ChurchofJesusChrist.org

  • ChurchofJesusChrist.org

Tsy nanota i Jesoa Kristy, nefa natao batisa ihany. Vakio ny 2 Nefia 31:5–11 ary tadiavo ny antony nanaovana batisa ny Mpamonjy sy ny zavatra ianarantsika momba Azy.

  • Inona no hitanao?

  • Inona araka ny eritreritrao no hevitry ny hoe manara-dia ny Mpamonjy “amin’ny finiavan’ny fo manontolo, [ary tsy misy] fihatsarambelatsihy” (2 Nefia 31:13)?

  • Inona avy ireo fitahiana omen’ny Ray any An-danitra ireo izay manaraka amin-kitsim-po ny ohatry ny Mpamonjy momba ny batisa?

  • Inona no fitahiana azonao teo amin’ny fiainanao tamin’ny alalan’ny fananana ny Fanahy Masina ho namana?

  • Inona no hevi-baovao hafa hitanao?

  • Inona no nanan-danja taminao tao amin’ny andininy 5?

  • Inona no nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona na nampanantenainy fa hataony tamin’ny alalan’ny firotsahany amin’ny batisa? (jereo ny 2 Nefia 31:7).

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy amin’ny didin’ny Ray sy amintsika?

  • Inona no fantatrao momba an’i Jesoa Kristy ka hamporisika anao hanaraka ny ohatra nasehony?

ChurchofJesusChrist.org

Nanohy nijoro ho vavolombelona momba ireo fitahian’ny fanarahana ny ohatry ny Mpamonjy momba ny batisa tao amin’ny rakitsorany i Nefia. Mba hanampiana anao hahita ireo fitahiana ireo dia vakio ny 2 Nefia 31:12–13, 17. Mba hahitana hevi-baovao hafa momba ny batisa, dia hevero ny handalina ny sasany amin’ireto manaraka ireto: Jaona 3:3, 5; Asan’ny Apostoly 2:38; Almà 7:14; 3 Nefia 11:33–34, 37.

  1. Vitao ity sahanasa manaraka ity:

    Manorata andiam-pehezan-teny iray ho an’i Ada, miainga amin’ny zavatra nianaranao. Ampio izy hahatakatra ny batisa sy ny antony tokony hanarahany ny ohatry ny Mpamonjy sy hanaovany batisa tahaka Azy. Ampidiro ao anatin’izany ireto zavatra manaraka ireto:

  • soratra masina roa farafahakeliny heverinao fa afaka manampy azy

  • ny fomba itondran’ny batisa antsika hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjintsika

  • ireo eritreritrao, na ireo zavatra niainanao na ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba ny batisa sy ny fananana ny Fanahy Masina ho namana

Hamaranana ity lesona ity, dia eritrereto ny zavatra nohalalininao androany. Inona no zavatra tsapanao momba ny batisanao? Inona no mety ho azonao atao mba hanohizana ny fanarahana ny ohatry ny Mpamonjy? Ahoana no mety hahafahanao manampy ny hafa hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy ka hatao batisa? Hevero ny hanoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ireo eritreritrao.