Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 32:3—“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy, fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy”


“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 32:3—‘Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy, fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 32:3,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 32:3

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy”

Sary
soratra masina sy paoma

Tao anatin’ny lesona iray teo aloha, “2 Nefia 32:1–7,” dia nianatra ny maha-zava-dehibe ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy ianao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny toko sy andininy fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Nefia 32:3, sy hanazava ny fotopampianarana ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Hazavao sy tadidio

Alaivo sary an-tsaina hoe nangatahina hanome fampaherezam-panahy fohy ao amin’ny seminera momba ny maha-zava-dehibe ny fandalinana soratra masina ianao. Vakio ny 2 Nefia 32:3 ary tsarovy ilay fitsipika hoe rehefa mivoky amin’ny tenin’i Jesoa Kristy isika, dia hilaza amintsika ny zava-drehetra tokony hataontsika izany.

  • Ahoana no mety hampiasanao ny zavatra nianaranao tao amin’ny lesona teo aloha sy ny zavatra niainanao manokana, mba hanazavana ny hevitry ny hoe “mivoky amin’ny tenin’i Kristy”? (2 Nefia 32:3).

  • Inona no fiovana azon’ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy entina eo amin’ny fiainan’ny zatovo?

Mba hanampiana anao hitadidy sy hampihatra io andinin-tsoratra masina io, dia manaova sarina latabatra misy ireo fitaovana fihinanana sy fisotroana nalamina araka ny tokony ho izy eo amina taratasy iray. Mety hitovitovy amin’ny sary etsy ambany izany. Afaka manao sarina sakafo na soratra masina eo ambonin’ny lovia ihany koa ianao. Soraty eo amin’ny faritra iray ao amin’ny pejinao ilay andian-teny ao amin’ny “2 Nefia 32:3—mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy”. Vakio imbetsaka io andian-teny io mandra-pahavitanao tsianjery azy. Hevero ny hametaka ny sary nataonao any amina toerana iray ao an-tranonao na eo amin’ny vata fampangatsiahana izay ahafahanao mamerina mijery izany isaky ny misakafo ianao.

Sary
fitaovana fihinana sy fisotroana

Fampiharana hanazaran-tena

Ny fahatakarana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia hanampy anao amin’ity sahanasa manaraka ity. Makà minitra vitsy hamerenana mijery ireo fitsipika ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Fahazoana fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Misafidiana iray amin’ireo fitsipika mba hohalalinina misimisy kokoa.

Alaovy sary an-tsaina hoe aorian’ny lesona iray ao amin’ny seminera momba ny maha-zava-dehibe ny fandalinana soratra masina isan’andro, dia milaza aminao ny namanao hoe: “Fantatro hoe zavatra tsara hatao ny fandalinana ny soratra masina isan’andro, saingy eo anatrehan’ireo zavatra rehetra miseho eo amin’ny fiainako amin’izao fotoana izao, dia tena tsy manana fotoana aho, indrindra fa ny hoe isan’andro”.

Fakafakao amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ireo foto-kevitra sy fanontaniana.

Sary
mari-pamantarana, raketo
Sary
mari-pamantarana, raketo
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no tianao ho fantatry ny namanao momba an’i Jesoa Kristy na ny drafitry ny famonjena ka afaka manampy azy ireo hiezaka hivoky amin’ny teniny isan’andro?

    • Ahoana no mety hahafahan’ny fivokisana tsy tapaka amin’ny tenin’i Kristy hisy fiantraikany eo amintsika rehefa mandeha ny fotoana, na mandrakizay mihitsy aza?

Mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Alaivo sary an-tsaina hoe aorian’ny fifanakalozan-kevitra mombana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay dia hoy ny namanao: “Misaotra. Manampy kely izany. Saingy mbola mieritreritra aho fa ho sahirana hitady fotoana isan’andro handalinako ny soratra masina.”

Sary
mari-pamantarana, raketo
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny 2 Nefia 32:3 manampy ny namanao?

    • Inona no soratra masina na teny nambarana mpaminany mety ho afaka manampy ny namanao?

Ny ohatra sasany dia mety hahitana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26:1 ary eo ihany koa ity teny manaraka ity izay nambaran’ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Aza milefitra amin’ny laingan’i Satana hoe tsy manana fotoana handalinana ny soratra masina ianareo. Misafidiana haka fotoana handalinana azy ireny. Manan-danja kokoa noho ny torimaso, ny sekoly, ny asa, ny fandaharana amin’ny fahitalavitra, ny jeux vidéo, na ny tambajotran-tserasera ny fivokisana isan’andro amin’ny tenin’ Andriamanitra. Mety mila reorganize mamerina mandamina indray ireo laharam-pahamehanareo ianareo mba hanokanana fotoana ho an’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra. Raha ilaina izany dia ataovy! (Richard G. Scott, “Ataovy voalohany amin’ny laharam-pahamehanareo ny fampiasana finoana,” Liahona, nôv. 2014, 93)

  • Ahoana no mety hanampian’ireo fampianarana ireo?

Manao asa amim-pinoana

Alaivo sary an-tsaina hoe namaly tsara ny zavatra nozarainao ny namanao, saingy fantatrao fa tsy tena handresy ny fanahiany izy ireo raha tsy manao asa amim-pinoana izy ireo, mitoky amin’ny Tompo.

Makà fotoana hieritreretana ireo zavatra niainanao manokana tamin’ny tenin’i Kristy sy ny zavatra fantatrao momba ny Mpamonjy izay mety handrisika ny namanao hivoky amin’ny teniny isan’andro.

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy ireo zavatra niainana na fijoroana ho vavolombelona azonao zaraina ka mety hanampy ny namanao hanao asa amim-pinoana?

    • Inona no zavatra nianaranao ka tsapanao fa afaka manampy anao hanatsara ny fandalinanao manokana ny soratra masina?