Seminera
2 Nefia 32:8–9: “Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo”


“2 Nefia 32:8–9: ‘Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 32:8–9,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 32:8–9

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo”

Sary
zatovo mivavaka

Iray amin’ireo didy fototra indrindra ananantsika ny mivavaka amin’ny Ray any An-danitra. Saingy zavatra maro no mety hanakantsakana ny fivavahantsika. I Nefia dia nampahatsiahy ny olona ny maha-zava-dehibe ny vavaka sy ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny fifandraisana tsy tapaka amin’ny Raintsika any An-danitra. Afaka manampy anao hampitombo ny fanirianao hifandray amin’ny Rainao any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka ity lesona ity.

Rehefa inona ianao no mivavaka?

Mieritrereta fomba maro azonao amenoana marina tsara ity fehezan-teny manaraka ity: Mivavaka aho rehefa …

ChurchofJesusChrist.org

Makà fotoana hisaintsainana ny hoe impiry ianao no mivavaka amin’ny Ray any An-danitra ary nahoana ianao no mivavaka. Rehefa manohy ny fandalinanao ianao, dia saintsaino ny fomba nitahian’ny Ray any An-danitra anao noho ireo vavaka nataonao, ary koa izay mety ho fomba tsapanao fa tiany hanatsaranao ny fifandraisanao Aminy.

Ireo fampianaran’i Nefia momba ny vavaka

Rehefa avy nampianatra ny olony hijanona eo amin’ny lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay sy hivoky amin’ny tenin’i Kristy i Nefia (jereo ny 2 Nefia 31:19–20; 32:1–3), dia nampianatra ny fomba ahafahan’izy ireo mamantatra ny fahamarinan’ny teniny izy.

Vakio ny tenin’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 32:4, 7.

  • Inona no zavatra tsy nahavonona ny sasany tamin’ny olon’i Nefia ny hanao azy?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nahakivy an’i Nefia izany?

Avy eo dia nanohy nampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny vavaka i Nefia.

Vakio ny 2 Nefia 32:8–9 mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Nefia momba ny vavaka.

Ny 2 Nefia 32:8–9 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-javatra iray.

  • Inona avy ireo fahamarinana hitanao?

Ny fahamarinana sasany nampianarin’i Nefia dia ahitana ny hoe:

  • Raha mivavaka mandrakariva isika dia hanamasina ny ezaka ataontsika Andriamanitra mba hitondra fiadanana ho an’ny fanahintsika.

  • Tian’ny Ray any An-danitra hivavaka isika.

  • Tsy tian’i Satana hivavaka isika.

  • Mila mivavaka mandrakariva isika.

Mifanerasera amin’ny Ray any An-danitra

Sary
mari-pamantarana, raketo
  1. Vakio hatramin’ny farany ireto sahanasa manaraka ireto ary vitao ny roa farafahakeliny izay tsapanao fa manan-danja indrindra aminao.

Mianatra bebe kokoa momba ny vavaka

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)—“2 Nefia 32:8–9: “Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo”

Sahanasa A

Inona avy no antony sasantsasany itiavan’ Andriamanitra antsika hivavaka na dia maka fanahy antsika tsy hanao izany aza i Satana?

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany entin’i Satana hakana fanahy antsika tsy hivavaka?

Iray amin’ireo fomba mety “hampianaran’i Satana [antsika] fa tsy tokony hivavaka [isika]” ny fiezahana mandresy lahatra antsika amin’ilay lainga hoe satria nanota isika, dia tsy mendrika ny hivavaka intsony.

Saintsaino hoe inona avy ireo fitahiana ezahin’i Satana sakanana tsy ho azontsika rehefa manao ireto manaraka ireto ianao:

  • Manokàna fotoana handalinana momba ny vavaka. Azonao atao ny mijery ny vavaka ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, zahao ny Gospel Topics, na mitadiava lahateny natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay miresaka momba ny vavaka. Rehefa mivavaka ianao, dia tadiavo ireo fitahiana avy amin’ny vavaka. Mety ho azonao atao koa ny mieritreritra ireo fitahiana niainanao avy amin’ny vavaka teo amin’ny fiainanao. Mifototra amin’ny fandalinanao sy ny zavatra niainanao, saintsaino ny antony itiavan’ny Ray any An-danitra antsika hivavaka sy ny antony hakan’i Satana fanahy antsika tsy hanao izany.

ChurchofJesusChrist.org

Sahanasa B

Inona no dikan’ny hoe “mivavaka mandrakariva”?

Hevero ny hanisy marika ny andian-teny hoe “mivavaka mandrakariva, ary tsy kivy” (2 Nefia 32:9).

Vakio ny Almà 34:21, 27 mba hitadiavana hevi-baovao amin’ny mety ho dikan’ny hoe mivavaka mandrakariva.

  • Nahoana no fitahiana ny mivavaka “[maraina, antoandro, ary hariva]” (Almà 34:21)?

  • Ahoana no ahafahantsika mampitodika ny fontsika any amin’ Andriamanitra, na dia amin’ny fotoana tsy ivavahantsika aza?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ohatra iray momba ny mety ho dikan’ny hoe mivavaka mandrakariva.

Sary
Loholona David A. Bednar

Maka hevitra amin’ny Ray any An-danitra ao anatin’ny vavaka maraina. …

Ao anatin’ny fizotran’iny andro iny dia manao vavaka iray ao am-pontsika isika mba hahazoana fanampiana sy fitarihana. …

Amin’ny fiafaran’ny androntsika dia mandohalika indray isika ary manao tatitra amin’ny Raintsika. Mamerina mijery ny zava-nitranga nandritra izany andro izany isika ary maneho fisaorana avy ao am-po noho ireo fitahiana sy fanampiana noraisintsika. Mibebaka isika ary, miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahin’ny Tompo, mamantatra ireo fomba ahafahantsika manao sy ho lasa tsaratsara kokoa rahampitso. Noho izany, ny vavaka ataontsika ny hariva dia mifototra amin’ny vavaka maraina sy tohin’ny vavaka maraina. Ary ny vavaka ataontsika amin’ny hariva koa dia fiomanana amin’ny vavaka manan-danja ho atao ny maraina. (David A. Bednar, “Pray Always,” Ensign na Liahona, Nov. 2008, 41–42)

Soraty amin’ny alalan’ny teninao manokana izay heverinao fa dikan’ny hoe mivavaka mandrakariva.

Sahanasa D

Ahoana no hanamasinan’ny Ray any An-danitra ireo ezaka ataontsika mba hitondra fiadanana na tombontsoa ho an’ny fanahintsika?

Nanome toromarika i Nefia hoe: “hivavaka amin’ny Ray amin’ny anaran’i Kristy [ianareo] mba hanamasinany ny asanareo ho anareo, mba hitondra fiadanana ho an’ny fanahinareo [izany]” (2 Nefia 32:9). Ny hoe manamasina dia midika hoe manao ho masina na manokana.

Mieritrereta ohatra iray farafahakeliny izay nitahian’ny Ray any An-danitra ny olona iray rehefa nivavaka sy niezaka nanao ny zavatra nilain’ny Ray any An-danitra izy. Mety ho zavatra niainan’ny tena manokana izany, ohatra iray amin’izao andro maoderina izao, na azonao atao ny mitady tantara iray ao amin’ny soratra masina (ampiasao ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina mba hijerena ohatra iray raha ilaina).

Soraty ilay ohatra sy ny zavatra nampianarin’izany anao momba ny fomba hitahian’ny Ray any An-danitra ireo ezaka ataonao hanatanterahana ny sitrapony rehefa mivavaka isika.

Ny zavatra tiako hotadidina

Diniho ny zavatra nianaranao androany. Hevero ny hanoratra ny zavatra tianao hotadidina na hatao vokatr’izany. Ohatra, azonao atao ny mampitombo ny hatetiky ny fotoana ivavahanao, miezaka mamantatra ny fomba hitahian’ny Tompo anao rehefa mivavaka sy manao asa ianao, na miezaka mandresy izay mety ho fakam-panahy tsy hivavaka tsapanao.