Seminera
2 Nefia 29: Mandraisa misimisy kokoa amin’ny tenin’ Andriamanitra


“2 Nefia 29: Mandraisa misimisy kokoa amin’ny tenin’ Andriamanitra,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 29,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 29

Mandraisa misimisy kokoa amin’ny tenin’ Andriamanitra

Sary
zatovo mamaky soratra masina

Olona maro no mino fa tenin’ Andriamanitra ny Baiboly. Na izany aza, tsy ny rehetra amin’izy ireo no vonona handray misimisy kokoa noho izay efa ananany amin’ny tenin’ Andriamanitra. Naminany i Nefia fa amin’ny andro farany dia olona maro no handà ny Bokin’i Môrmôna satria efa manana ny Baiboly izy ireo. Tian’ny Tompo hahafantatra isika fa ho an’ny olona rehetra ny filazantsarany ary tsy voafetra amin’ny Baiboly ny teniny. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao ho vonona kokoa handray ny tenin’ny Tompo eo amin’ny fiainanao.

Mivonòna handray fahatakarana lehibe kokoa

Alaivo sary an-tsaina hoe i Oliver, tamin’ny faha-15 taonany, dia nihevitra fa ny fampahalalana sy tekinôlôjia rehetra nisy teo aminy tamin’izany fotoana izany no hany zava-drehetra hilainy.

  • Inona no mety ho tsy ho hitan’i Oliver raha tamin’ny taona 1950 izy no nihevitra izany? Inona no fampahalalana na teknôlôjia efa nisy indray nanomboka tamin’izany?

  • Ahoana no ahafahan’izany toe-javatra izany mifandray amin’ny fianarana fahamarinana ara-panahy?

Rehefa mamaky ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity ianao, dia eritrereto ny mety ho dikan’izany aminao.

Eny, mbola maro ireo zavatra tian’ny Rainao any An-danitra ho fantatrao. Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Ho an’ireo izay manana maso hahitana sy sofina hihainoana, dia mazava fa ny Ray sy ny Zanaka dia mampahafantatra ny tsiambaratelon’izao tontolo rehetra izao!” [“Meek and Lowly” (Brigham Young University devotional, Oct. 21, 1986), 9, speeches.byu.edu]. (Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95)

Ny faniriako hianatra fahamarinana ara-panahy avy amin’ Andriamanitra

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra—2 Nefia 29: Mandraisa misimisy kokoa amin’ny tenin’ Andriamanitra

Makà fotoana hisaintsainana ny toe-tsainao manoloana ny fandraisana fahamarinana ara-panahy avy amin’ Andriamanitra. Ezaho jerena ny zavatra vitanao tsara sy izay mety ho azonao hatsaraina.

  • Mahalana: 1

  • Indraindray: 2

  • Matetika: 3

  • Mandrakariva: 4

Samy omeko lanja sy halaliniko ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna.

Mitady valiny amin’ireo fanontaniako amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina aho.

Mikatsaka ny hianatra avy amin’ Andriamanitra sy ny momba Azy amin’ny amin’ny alalan’ny soratra masina aho.

Mikatsaka sy manaraka fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Fanahy Masina aho.

Mandalina ireo teny lazaina mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aho mba hianarana ny zavatra tian’ Andriamanitra ho fantatro.

Rehefa mandalina ianao anio, dia tadiavo ny zavatra azonao atao mba hanohizana mianatra ny zavatra rehetra tian’ Andriamanitra hampianarina anao.

Toe-tsaina samihafa eo amin’ny fandraisana ny tenin’ Andriamanitra

Ao amin’ny 2 Nefia 28–29, i Nefia dia naminany momba ny toe-tsaina hananan’ny olona sasany amin’ny andro farany manoloana ny fandraisana misimisy kokoa amin’ny tenin’ Andriamanitra. Vakio ny 2 Nefia 28:29 sy ny 2 Nefia 29:3 mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Nefia sy ny Tompo momba ny fihetsika hasehon’ny olona eo amin’ny fandraisana soratra masina fanampiny amin’ny andro farany.

  • Inona no hitanao?

  • Inona avy no ireo antony sasantsasany mety mahatonga ny olona hanana io fomba fijery io?

Makà kaopy tsy misy na inona na inona ary eritrereto ny zavatra azo ampiasana izany. Avadiho amin’izay izany. Mbola azo ampiasaina amin’ny fomba natao hampiasana azy ve ilay izy? Ampitahao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny mety ho fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny olona iray izany.

  • Inona no fahalalana sy fitahiana heverinao fa tian’ Andriamanitra horaisintsika amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna?

Vakio ny 2 Nefia 29:7–11 mba hitadiavana ny zavatra tian’i Jesoa Kristy ho fantatr’ireo izay mandà ny Bokin’i Môrmôna.

  • Inona ny fahamarinana iray nianaranao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo?

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe mahatsiaro ny olona rehetra Andriamanitra ary miteny amin’izy ireo any amin’ny firenena rehetra.

  • Inona no sasany amin’ireo fomba samihafa itenenan’ Andriamanitra any amin’ny firenena rehetra?

  • Inona no zavatra niainana nanampy anao hahafantatra fa mahatsiaro sy miteny aminao Andriamanitra?

ChurchofJesusChrist.org

  1. Vitao ireto dingana manaraka ireto:

  1. Ataovy lisitra ny fomba rehetra nanomezan’ Andriamanitra ny teniny ho anao.

  2. Saintsaino hoe manao ahoana ny fahavononanao handray ny tenin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny tsirairay amin’ireo fomba ireo. (Afaka manao sarina kaopy tsotra eo akaikin’ny fomba tsirairay izay tsapanao fa ahafahanao tena maheno tsara ny Tompo ianao.)

  3. Manorata fanovana iray na maromaro azonao atao mba ho vonona kokoa handray ny tenin’ Andriamanitra amin’ny fomba maro kokoa amin’ireo fomba ireo ianao.