Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 28:30—“Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika”


“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 28:30—‘Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 28:30,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 28:30

“Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika”

Sary
zatovo mandalina ny soratra masina

Tao amin’ny lesona iray tany aloha, “2 Nefia 28:27–32,” dia nandalina ny 2 Nefia 28:30 ianareo ary nianatra fa Andriamanitra dia manambara fahamarinana, andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra amin’ireo izay vonona handray izany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Nefia 28:30, hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io, ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Mba hanampiana anao hitadidy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Nefia 28:30, dia manaova tsipika marindrano efatra mifanao ambony ambany toy ny tohatra ao amin’ny diary fandalinanao.

Sary
tsipika tsy mifanitsy fiaingana

Soraty eo ambonin’ireo tsipika ireo toy izao manaraka izao amin’izay ny teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ny toko sy andininy:

Sary
tsipika tsy mifanitsy fiaingana izay ahitana soratra

Eritrereto ny fomba ahafahan’ny tohatra mampahatsiahy anao ny fomba ampianaran’ Andriamanitra antsika “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra”.

Avereno izany andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja izany mandra-pahavitanao mitanisa izany tsy an-kijery.

Tao amin’ny lesona iray tany aloha, “2 Nefia 28:27–32,” dia nianatra ianareo fa Andriamanitra dia manambara fahamarinana, andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra amin’ireo izay vonona handray izany. Mba hanampiana anao hiomana hanazava io fahamarinana io, dia saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto ary avy eo dia vitao ity asa atao an-tsoratra manaraka ity:

  • Inona araka ny eritreritrao no hevitry ny hoe “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra”?

  • Ahoana ny eritreritrao amin’ny hoe ny fandraisana ny fahamarinana efa nomen’ Andriamanitra antsika dia manomana antsika handray misimisy kokoa?

Sary
mari-pamantarana, raketo
  1. Vitao ity sahanasa manaraka ity:

    Misafidiana iray amin’ireto toe-javatra ireto izay ahitana ny mety ilan’ny olona iray fanampiana avy amin’ Andriamanitra:

    1. Filana torohevitra momba ny olana iray atrehin’izy ireo.

    2. Faniriana mba hanana fifandraisana matanjaka kokoa amin’ny Mpamonjy.

    3. Te hahatakatra ny tsodranon’ny patriarik’izy ireo.

    Manorata fanazavana fohifohy momba ny zavatra ianaranao avy amin’ny 2 Nefia 28:30 izay mety hanampy ao amin’ilay toe-javatra nosafidinao.

Fampiharana hanazaran-tena

Mieritrereta teny na andian-teny roa na telo tsapanao fa tena mamaritra ny zavatra ianarantsika avy amin’ny tsirairay amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Nahoana no ireo teny ireo no nosafidinao?

Avereno jerena ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) raha ilaina.

Vakio ireto rafi-tantara roa mombana zatovo samy avy ao amina paroasy iray izay manatrika fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona manaraka ireto. Samy manana ny eritreriny ny tsirairay mandritra ny fivoriana.

  1. Manomboka manontany tena momba izay zavatra mahazo azy i Thomas. Mino an’ Andriamanitra izy ary mino fa marina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Saingy toa tsapany ho marefo ny fijoroana ho vavolombelona ananany raha oharina amin’ny an’ny mpikambana hafa ao amin’ilay paroasy. Manontany tena izy raha ho azony hatao ny mba hahafantatra manokana ireo zavatra rehetra izay ijoroan’ny hafa ho vavolombelona.

  2. Teny antenantenan’ny fivoriana, dia tsy nifantoka intsony tamin’ireo fijoroana ho vavolombelona i Liz. Niteny tamin’ny tenany izy hoe “Efa henoko daholo ny zavatra rehetra lazain’izy ireo, ary efa fantatro fa marina daholo izany.” Tsapany ho nihena ihany koa ny faniriany hamaky ny soratra masina sy hanatrika seminera satria tsapany fa efa matanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

  1. Vitao ity sahanasa manaraka ity ka misafidiana iray amin’ireo rafi-tantara teo aloha mba hifantohana:

    Fariparito ny fomba hampiasanao ny tsirairay amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hanampiana an’i Thomas na i Liz eo amin’ny toerana misy azy ireo. Raha ilaina dia afaka manampy anao ireto fanontaniana manaraka ireto.

Manao asa amim-pinoana

  • Inona no azonao zaraina avy amin’io andiam-pehezan-teny io hanampiana an’i Thomas na i Liz hanao asa amim-pinoana?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana avy ao amin’ny 2 Nefia 28:30 manampy an’i Thomas na i Liz hanao asa amim-pinoana?

Fakafakao amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ireo foto-kevitra sy fanontaniana.

  • Amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaranao avy ao amin’ny 2 Nefia 28:30, inona no azonao zaraina mba hanampiana an’i Thomas na i Liz hahita kokoa ny toerana misy azy ireo toy ny ahitan’ny Tompo izany?

  • Inona avy ireo fahamarinana hafa azonao zaraina mba hanampiana azy ireo hijery ny olan’izy ireo amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Inona no zavatra fantatrao momba an’ Andriamanitra ka afaka manampy azy ireo hahita ny tenan’izy ireo amin’ny fomba ahitany azy ireo?

Mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Nahoana no mety hanampy an’i Thomas na i Liz ny firesahana amin’ny ray aman-drenin’izy ireo na mpitarika ao amin’ny fiangonana momba ny eritreritr’izy ireo?

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina na tantara azonao eritreretina fa afaka manampy azy ireo?