“Raha toa ka mitondra korontana eo amin’ny fiainana ny fahotana, dia mitondra fiadanana kosa i Kristy,” Liahona, jan. 2026.
Avy amin’ny Ho an’ny tanora isan-kerinandro
Raha toa ka mitondra korontana eo amin’ny fiainana ny fahotana, dia mitondra fiadanana kosa i Kristy
Na dia ao anatin’ny fikorontanana eo amin’ny fiainana aza, dia afaka mitondra fahazavana, filaminana ary fiadanana ho an’ny fanahinao i Kristy.
Sary nataon’i Kate Birch
Tsapanao ho efa nikorontandrontana kely ve ny fiainana?
Zavatra iainantsika rehetra indraindray ny fahatsapana korontana. Ny fahasarotana eto amin’izao tontolo izao dia manamora ny fanadinoana fa olona ara-panahy isika izay miaina ny fiainana eto an-tany, izay zavatra tsy mbola nataontsika hatrizay.
Fanomezana mahagaga miisa roa nomen’ Andriamanitra antsika ny vatana mety maty sy ny fahafahana misafidy. Ireo fanomezana ireo dia mamela antsika hahatsapa sy haniry ary hanao zavatra ho an’ny tenantsika. Mazava ho azy noho izany fa mety ho toy ny mikorontandrontana na tsy azo antoka ny zavatra mitranga noho ireo safidy mety hataon’ny vehivavy sy ny lehilahy araka ny nofo.
Samy manao hadisoana avokoa isika rehetra. Kanefa rehefa manana olana amin’ny fahotana sy ny fahazarana izay toa tsy haintsika resena isika, na miezaka mafy toy ny ahoana aza isika mba hiova, dia mora ny mahatsapa ho toy ny mikorontana. Noho ny ampahany ara-panahy ao amintsika misintona mankany an-danitra sy ny ampahany amin’ny maha-mety maty antsika misintona antsika mankany amin’izao tontolo izao, dia mety ho tsapantsika ho toy ny ady fifampisintonan-tady tsy tapaka ao anaty izany.
Na zavatra toy ny fifosafosana, ny hatezerana, ny fitsarana tsy marina, ny fampiasana haino aman-jery be loatra, ny fampiasana pôrnôgrafia, na zavatra hafa no ananantsika olana, dia mailaka ery ny fahavalo mikopaka ny lelafon’ny henatra, ny hakiviana, ary amin’ny farany dia ny fikorontanana ara-panahy.
Soa ihany ho antsika fa fantatry ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny fomba hiatrehana ny korontana.
Ny fikatsahana ny fahazavany no dingana voalohany
Nandritra ny Fahariana, izay ny fiandohan’ny zavatra rehetra fantatsika, izao rehetra izao dia voafaritra ho toy ny tao anatin’ny toetra nikorontana sy tsy nilamina: “Ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin’ny lalina” (Genesisy 1:2). Izany korontana sy haizina tsy misy fanantenana izany dia mampahatsiahy antsika ny zavatra ataon’ny fahavalo tsapantsika rehefa manota isika na manao safidy izay mifanohitra amin’ny soatoavintsika. Tiany ny manao izay hahatsapantsika ho voafandrika ary matetika izy no mamporisika antsika hiafina.
Saingy nampianatra Rahavavy Tamara W. Runia, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany hoe: “I Jesoa Kristy dia manome hazavana an’ireo izay mitoetra ao amin’ny haizina. Koa amin’ireo andro izay handrenesanao an’ilay feo izay milaza aminao mba hiafina, fa ianao dia tokony hiafina samirery ao anatin’ny efitrano maizina iray, dia manasa anao aho ho be herim-po ka hino an’i Kristy! Mialà ao ary mankanesa any amin’ny hazavana, dia ilay Fanantenantsika mamirapiratra sy lavorary.”
Teo ambany fitarihan’ Andriamanitra, ny zavatra voalohany nataon’i Jesoa Kristy mba hanesorana ny haizin’ny korontana nandritra ny Fahariana dia ny hitondra fahazavana (jereo ny Genesisy 1:3; Mosesy 2:2–5). Avy eo Izy dia nanohy nandamina ny zavatra nikorontana rehetra, nanomboka tamin’ny lanitra midadasika ka hatramin’ny zana-javamaniry madinika indrindra.
Raha afaka mandamina izao rehetra izao Izy, dia alaovy sary an-tsaina ny zavatra mety hitranga rehefa mitodika any amin’ny Zanany ianao mba hahazo hery manasitrana sy manavotra isan’andro. Rehefa mahatsapa ho toy ny vesaran’ny olanao sy ny haizin’izao tontolo izao ianao, dia ny fiezahana hahazo ny fahazavan’i Kristy no dingana voalohany mankany amin’ny fiadanana sy ny fandaminana avy amin’ Andriamanitra.
Manaraka izany dia tadidio hoe iza ianao
Taorian’ny nanorenana sy nanatsarana ny lanitra sy ny tany dia nanomana lalana ho an’ireo fanahy zanany ny Ray any An-danitra mba ho tonga ety an-tany sy hahazo vatana. Saingy mandritra ny fotoana iainantsika eto an-tany dia miasa mafy ny fahavalo mba hanadinoantsika hoe iza isika.
Afaka mahita ny ezaka ataony isika mba hitaomana antsika tsy hieritreritra ny maha-tahaka an’ Andriamanitra antsika tamin’ilay fotoana niresahan’ Andriamanitra tamin’ny mpaminany Mosesy sy nizarany fahalalana taminy. Ao amin’ny Mosesy 1, Andriamanitra dia miresaka amin’i Mosesy amin’ny anarany ary mamerimberina miantso azy hoe zanany lahy.
Saingy vao lasa Andriamanitra dia niseho i Satana ary niantso an’i Mosesy hoe “zanak’olona” (Mosesy 1:12), naka fanahy azy hanadino hoe iza marina moa izy.
Tian’i Satana hohadinointsika ny hoe iza marina moa isika. Ataony misalasala amin’ny fahafahantsika miova isika. Tiany isika hino fa lehilahy sy vehivavy araka ny nofo sy tsy azo ovaina isika ary ho toy izany foana.
Saingy ny Loholona Patrick Kearon ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mampahatsiahy antsika hoe: “Afaka manatona an’i Kristy amin’ny fahatokiana ny halemem-panahiny feno fitiavana ianareo ary mandray ireo fanomezany rehetra dia ny fifaliana, ny filaminana, ny fanantenana, ny fahazavana, ny fahamarinana, ny fanambarana, ny fahalalana ary ny fahendrena. … Zanakavavy malalan’ Andriamanitra ianareo, zanakalahy lalain’ Andriamanitra ianareo, ary efa nomeny anareo ny Zanany lahy tonga lafatra sy masina mba hanavotra anareo, hanamarina anareo, ary hanamasina anareo.”
Ny fanavotana dia zavatra tsy ho azon’i Satana na oviana na oviana. Ary rehefa mifantoka amin’ny maha-isika antsika ara-panahy isika dia afaka miteny tahaka an’i Mosesy hoe:
“Iza moa ianao? Fa indro izaho dia zanak’ Andriamanitra, manahaka ny endriky ny Zanaka Lahitokany. …
“Mialà eto ry Satana; aza mamitaka ahy; fa hoy Andriamanitra tamiko: Ianao dia araka ny endriky ny Lahitokako” (Mosesy 1:13, 16).
Raha tsapanao ho mikorontana ny fiainana, dia miatoa kely. Tadidio ny maha-andriamanitra anao. Avelao izany fahamarinana izany, ilay hoe zanaka malalan’ Andriamanitra ianao, hisintona anao hankany an-danitra. Mitodiha any amin’i Jesoa Kristy mba hahafahany manampy anao hamerina amin’ny laoniny ny filaminan’ny fanahinao.
Farany dia avelao i Kristy hamadika ny korontana ho fiadanana
Rehefa nandao ny Saha Edena i Adama sy i Eva dia nosoloina tontolo manirery sy mahonena ny fahatsoram-piainana izay efa niainan’izy ireo foana. Saingy nampanantena ny Ray any An-danitra fa afaka manana fiadanana izy ireo satria nanomana Mpamonjy iray mba hanavotra azy ireo amin’ny fahotany sy ny alahelony Izy (jereo ny Mosesy 5:7–10).
Rehefa mahatsapa ho sahiran-tsaina eo anatrehan’ny fiainana an-tany ianao dia tsarovy ity fahamarinana ity: Fantatry ny Ray any An-danitra fa hiatrika fakam-panahy isika, hanao fahadisoana, ary hanota mandritra ity dia miverina mody any Aminy ity, ary isan’ny ampahany mandrafitra ilay drafitra daholo izany.
Ny Ray any An-danitra dia afaka manampy antsika mandrakariva, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, handroaka ny herin’ny haizina eo amin’ny fiainana ary hanolo izany amin’ny fahazavana. Na impiry na impiry isika no manao fahadisoana, dia afaka mamadika ny korontana ho fiadanana ao anatintsika isika, noho ny Mpamonjy antsika, rehefa mibebaka.
Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Russell M. Nelson hoe:
“Hampatanjaka anareo [i Jesoa Kristy]. Hanome fiadanana anareo Izy, na dia ao anatin’ny korontana aza. …
“Nentin’i Jesoa Kristy teo Aminy ny fahota nao , ny fanaintaina nao , ny ratram-po nao , ary ny rofi nao . Tsy voatery hizaka izany irery ianao! Hamela anao Izy rehefa mibebaka ianao. Hanome anao ny zavatra ilainao Izy. Hanasitrana ny fanahinao maratra Izy”.
Na inona na inona mety hanahirana anao, rehefa mitodika any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao mba hangataka fanampiana, dia afaka mamerina amin’ny laoniny foana ny zavatra mikorontana Izy Ireo, manafaka anao amin’ny korontana ateraky ny fahotana sy ny fakam-panahy, ary manatsara ny fiainanao.
Efa nanao izany foana Izy Ireo.