Liahona
Mikatsaka an’i Kristy sy ireo fanekempihavanana: Ny fanalahidy avy amin’i Nefia mba hamakiana ny Testamenta Taloha
Liahona janoary 2026


Mikatsaka an’i Kristy sy ireo fanekempihavanana: Ny fanalahidy avy amin’i Nefia mba hamakiana ny Testamenta Taloha

Nizara hevitra vitsivitsy izay afaka manampy anao amin’ny fandalinanao i Nefia.

fanehoana an-tsary an’i Jesoa Kristy

Christ’s Image (Sarin’i Kristy), nataon’i Heinrich Hofmann, nahazoana lalana avy tamin’ny C. Harrison Conroy Co., Inc.

Tiako ny mamaky ny Testamenta Taloha. Tao anatin’ny taona maro dia nahita fanalahidy roa hotadiavina ao amin’ny Testamenta Taloha aho mba hitondrana fifaliana sy hampitomboana ny fahatakarana: Kristy sy ireo fanekempihavanana.

Ireto misy fomba vitsivitsy ahafahantsika mitady an’i Kristy sy ireo fanekempihavanana ao anatin’ny fandalinantsika ny Testamenta Taloha amin’ity taona ity.

Mikatsaka an’i Kristy

Hoy i Nefia izay namaky ny soratra masina avy ao amin’ireo takela-barahina: “Indro, finaritra ny fanahiko amin’ny fanaporofoina amin’ny oloko ny fahamarinan’ny fiavian’i Kristy; satria, izany no antony nanomezana ny lalàn’i Mosesy; ary ny zavatra rehetra izay efa nomen’ Andriamanitra ny olona hatry ny fiandohan’izao tontolo izao dia tandindony” (2 Nefia 11:4).

Afaka mahita an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Testamenta Taloha amin’ny fomba maro isika.

sary maneho ny menarana varahina sy ny Mpamonjy teo amin’ny hazofijaliana

Moses and the Brass Serpent (I Mosesy sy ny Menarana Varahina), nataon’i Judith A. Mehr; Christ on the Cross (I Kristy teo amin’ny hazofijaliana), nataon’i Carl Heinrich Bloch

Ny Andriamanitry ny Testamenta Taloha

Satria fantatsika amin’ny alalan’ny fanambarana maoderina fa i Jesoa Kristy no Andriamanitry ny Testamenta Taloha (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:3–4), dia afaka mahita ny heriny ao amin’ny Fahariana isika ary amin’ny maha-Mpanome lalàna Azy teo an-tendrombohitra Sinay nampianatra an’i Isiraely ny fomba hahatongavana tahaka an’ Andriamanitra. Ianarantsika ny fahasoavany tao amin’ilay fanavotana avy amin’ny fanandevozana tany Egypta, ny fitiavany tao anatin’ny fikarakarana ny vahoakany tany an-tany foana sy ny fanafahana azy ireo ho any amin’ny tany nampanantenaina, ary ny fiahiany tsy an-kiato tamin’ny alalan’ny fandefasana mpaminany sy ny fanolorana famelan-keloka ho an’i Isiraely rehefa nibebaka tamin’ny fahotany izy ireo.

Fanehoana an’ohatra an’i Jesoa Kristy

Maro ireo fanehoana an’ohatra (na fanehoana) an’i Jesoa Kristy ao amin’ireo tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, ary maro amin’izy ireo no tandindon’ny fiaviany amin’ny ho avy araka izay voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ny Bokin’i Môrmôna. Ny tantaran’i Abrahama sy i Isaka dia tandindona maneho an’ Andriamanitra Ray nanao sorona an’i Jesoa Kristy Zanany. Nanavotra ireo rahalahiny tamin’ny mosary ara-batana i Joseph, tahaka ny hanavotan’i Jesoa Kristy antsika amin’ny mosary ara-panahy. Nanafaka ny olony tamin’ny fanandevozana i Mosesy tahaka ny hanafahan’i Jesoa antsika amin’ny fahotana. Nampianatra ny zanak’i Isiraely ny herin’ny finoana Azy sy ny Sorompanavotany ny Tompo tao amin’ny tantaran’ilay menarana varahina tany an-tany foana. Naneho an’ohatra ny Mpamonjy i Elia sy i Elisa rehefa nanasitrana ny marary sy nanangana ny maty.

sary maneho an’i Abrahama sy Isaka

Abraham and Isaac (I Abrahama sy i Isaka), nataon’i Harold Copping, © Look and Learn/Bridgeman Images

Fanamarihana momba ny Mpamonjy ao amin’ny Testamenta Vaovao

I Jesoa Kristy dia aseho an’ohatra ao amin’ireo tantara ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny lalàn’i Mosesy. Ny tantaran’ny Paska sy ny sorona ao amin’ny lalàn’i Mosesy dia manondro an’i Kristy. Nanasitrana ny marary sy nanangana ny maty ireo mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha ary izany dia tandindon’ny asa nanirahana an’i Jesoa. Tamin’ny alalan’ny mpaminany Jeremia no nampanantenain’ny Tompo antsika “fanekena vaovao” (Jeremia 31:31; jereo koa ny andininy 32).

Ao amin’ny Testamenta Vaovao i Jesoa dia tonga mba ho fahatanterahan’ny lalàna sy ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha. Nanome ny fanekena vaovao tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra Izy ary nanorina ireo tandindon’ny fanekempihavanana nandritra ny sakafon’ny Paska tamin’ny Fanasana Farany. Nampianatra antsika mba hifankatia sy hifanompo i Jesoa rehefa nanasitrana ny marary sy nanangana ny maty. Nanavotra antsika tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana Izy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany, ary nanorina ny Fiangonany teto an-tany. Rehefa manaiky an’i Jesoa ho ilay Andriamanitry ny Testamenta Taloha isika dia afaka mahatakatra kokoa ny Aminy ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Mikatsaka ireo fanekempihavanana

Nampianatra antsika koa i Nefia mba hitady ireo fanekempihavanana ao amin’ny soratra masina: “Ary ny fanahiko koa dia finaritra amin’ny fanekempihavanan’ny Tompo izay efa nataony tamin’ny razantsika” (2 Nefia 11:5).

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanamafy koa ny maha-zava-dehibe ny fanekempihavanana. Hoy izy: “Ny fankasitrahana lehibe indrindra izay mety ho azo eto amin’ity fiainana ity dia ny ho fantatra hoe mpitandrina fanekempihavanana. Ny valisoan’ny mpitandrina fanekempihavanana dia horaisina amin’ity fiainana ity sy any ankoatra.”

Fampanantenana mahatalanjona tokoa izany! Na dia efa vita batisa sy nanao fanekempihavanan’ny tempoly aza isika dia mety tsy ho tsapantsika hoe mety ho toy ny ahoana ny halehiben’ny fiantraikan’ireo fampanantenana ireo eo amin’ny fiainantsika andavanandro mba hahalasa tsaratsara kokoa izany. Ny Testamenta Taloha nefa dia mampahatsiahy antsika ny tena dikan’ny hoe “vahoakan’ny fanekempihavanana” sy ny fomba ahafahantsika mahatakatra tsara kokoa ireo fitahiana sy andraikitra izay miaraka amin’izany.

Ny fanekempihavanan’i Abrahama no ilay fanekempihavanana fototra voalaza ao amin’ny Testamenta Taloha. Afaka mahita fahamarinana momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika ao amin’io fanekempihavanana io, izay mitondra antsika ho any amin’i Jesoa Kristy, izay ahitantsika ny famonjena.

Ireto misy fomba vitsivitsy hanampian’ny Testamenta Taloha antsika mba hahatakatra sy hitandrina kokoa ireo fanekempihavanantsika.

Mahatakatra ny anjara asantsika ao amin’ny fanekempihavanan’i Abrahama

Ny fanekempihavanan’i Abrahama dia andiana fampanantenana sy fitahiana nomena an’i Abrahama izay mitohy hatramin’izao andro izao ao amin’ilay “fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay” naverin’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny laoniny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:30–31). Nampianatra ny Filoha Nelson hoe:

“Niseho tamin’izao andro farany izao ny Tompo mba hanavao io fanekempihavanan’i Abrahama io. Hoy ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“-Abrahama dia nandray fampanantenana momba ny taranany sy ny amin’ny nateraky ny kibony—avy ao an-kibony no niavianao, … ry Joseph mpanompoko. …

“-Izany fampanantenana izany koa dia anareo, satria taranak’i Abrahama ianareo- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana132:30–31].”

Tamin’ny alalan’io fanekempihavanana io no naharian’ny Tompo fianakaviana marina iray izay ahafahany mampianatra ny filazantsarany sy mitondra ny zanany ho any amin’i Jesoa Kristy. Nampianatra antsika ny Apôstôly Paoly fa raha manatona an’i Kristy isika dia lasa isan’ny fianakavian’i Abrahama: “Raha an’i Kristy hianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana” (Galatiana 3:29; jereo koa ny andininy 27). Lasa mpianakavin’i Isiraely sy mpandova ireo fitahian’ny fanekempihavanan’i Abrahama ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny alalan’ny Fanekempihavanan’i Abrahama.

Afaka mianatra momba ny anjara asantsika ao amin’ny fanekempihavanana isika amin’ny alalan’ny famakafakana ny fiainan’ireo izay ao amin’ny Testamenta Taloha, amin’ny alalan’ny fandalinana ireo fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’ireo zanany ao amin’ny didy, ary amin’ny alalan’ny fihainoana ireo mpaminany fahiny izay nitalaho tamin’ny zanak’i Isiraely mba hibebaka sy hankatò ny fanekempihavanany.

Mahita ireo fitahiana nampanantenaina amin’ny alalan’ireo fanekempihavanantsika

Rehefa mamaky ny Testamenta Taloha isika dia afaka mitady ireo filazana mikasika ny fihazonan’ny Tompo ireo fampanantenana natao tao amin’ny fanekempihavanan’i Abrahama. Ireo fitahiana telo manan-danja indrindra dia tany, izay tandindon’ny lova ao amin’ny fanjakan’ny Ray any An-danitra; taranaka izay fampanantenana fitomboana mandrakizay; ary ireo fitahian’ny filazantsara sy ny fisoronana, “izay fitahian’ny famonjena, dia ny fiainana mandrakizay” (Abrahama 2:11).

Nampanantenaina i Abrahama fa amin’ny alalan’ny taranany no “hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Genesisy 12:3). Nidika izany fa ho tonga eto amin’izao tontolo izao i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama ary hitahy ireo firenena rehetra eto an-tany amin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany amin’ny maty (jereo ny Galatiana 3:16).

sary maneho ny Mpamonjy mivavaka ao Getsemane

Sombin-tsary avy amin’ny Gethsemane (Getsemane), nataon’i J. Kirk Richards, tsy azo adika

Inona no fitahiana hitanao eo amin’ny fiainanao ankehitriny noho ny fanekempihavanan’i Abrahama?

Ny Adidy hanangona an’i Isiraely

Ankoatra ireo fitahiana, ny maha-isan’ny ao amin’ny fanekempihavanan’i Abrahama dia ahitana andraikitra vitsivitsy. Amin’ny alalan’ny fandalinana ny Testamenta Taloha dia mianatra ny fomba hanatanterahana ireo andraikitra mahakasika ny fanekempihavanantsika isika. Amin’ny maha-fianakavian’i Abrahama azy ireo dia voantso hanangona an’i Isiraely ireo mpikamban’ny Fiangonana. Rehefa mandray anjara amin’ny asa fitoriana, ny fanompoana, ny asa atao any amin’ny tempoly, ny antso ao am-piangonana, ary ny fampianarana sy ny fanabeazana ny fianakaviantsika isika dia manangona an’i Isiraely amin’ny alalan’ny fitondrana ny hafa hanakaiky kokoa an’i Kristy.

Ny Filoha Nelson dia nampianatra hoe: “Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona, eo amin’ny lafy roan’ny voaly, ianao hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny tempoly manan-danja, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely ianao.”

Mianatra mitia ny Testamenta Taloha

Amin’ity taona ity, rehefa mamaky ny Testamenta Taloha ho an’ny fandalinantsika ny Avia, hanaraka Ahy ianao dia afaka mianatra mitia ny fampianarany amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatr’i Nefia amin’ny fikarohana ireto lohahevitra roa ireto: Kristy sy ireo fanekempihavanana. Rehefa manao izany ianao dia afaka mahatakatra kokoa ny amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ary ny filazantsarany. Azonao atao koa ny mianatra misimisy kokoa momba ny “fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay” sy ny anjara asanao ao anatin’izany amin’ny maha-mpianatr’i Kristy sy amin’ny maha-isan’ny ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely anao.

Ireo tantara sy fampianarana ao amin’ny Testamenta Taloha dia afaka manampy antsika hampitombo ny fifandraisantsika amin’ny Mpamonjy sy ny fahatakarantsika ary ny fanolorantenantsika amin’ireo fanekempihavanantsika manokana.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Fanekempihavanana,” Liahona, nôv. 2011, 88.

  2. Russell M. Nelson, “Fanekempihavanana,” 87.

  3. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org; nampiana fanamafisana ao amin’ny lahatsoratra niandohana.