Liahona
Mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra
Liahona janoary 2026


“Mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra”, Liahona, jan. 2026.

Mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra

(2 Petera 1:4)

Ny fahalalana ny drafitry ny famonjena dia manolotra fomba fijery sarobidy, mampitombo ny fifaliantsika, ary manome hery antsika mba handresena ireo olana sy fahoriana.

sary maneho an’i Kristy miantso mpianatra roa

Christ Calling Two Disciples [I Kristy niantso mpianatra roa], nataon’i Gary Ernest Smith

Ny Apôstôly Petera dia mampahatsiahy antsika fa raha ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy dia “nomen’ny [heriny masina] ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, amin’ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany:

“Ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra: mba ho tonga mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra amin’izany ianareo” (2 Petera 1:3–4; nampiana fanamafisana).

Ny drafitry ny Ray any An-danitra dia mamariparitra ireo fahamarinana lehibe sy sarobidy ary ireo fampanantenana izay mamaritra ilay maha-izy antsika mandrakizay sy ny tanjontsika mandrakizay.

Araka ny azavaina ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao” hoe:

“Ny olombelona rehetra—lahy sy vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra. …

“Tany amin’ny fanjakana talohan’ny nahaterahana, ireo fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy dia nahafantatra sy nanompo an’ Andriamanitra tahaka ny Rainy mandrakizay ary nanaiky ny drafiny izay hahafahan’ireo zanany hahazo vatana sy hahazo traikefa etỳ ambonin’ny tany mba handrosoany mankany amin’ny fahatanterahana ary hahatratrarany any amin’ny farany ny anjarany tahaka an’ Andriamanitra amin’ny maha mpandova ny fiainana mandrakizay azy.”

Mampanantena ny zanany ny Ray any An-danitra fa raha manaraka ireo fitsipika ao anatin’ny drafiny sy ny ohatra nasehon’ny Zanany Malalany, mitandrina ny didiny ary maharitra amim-pinoana hatramin’ny farany izy ireo dia “hahazo ny fiainana mandrakizay, izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7).

Ny asan’ Andriamanitra dia mifantoka amin’ny fivoarana sy ny fisandratan’ireo zanany. Ny lafin-javatra rehetra ao anatin’ny drafiny dia natao hitahiana ireo zanakalahy sy zanakavaviny satria “lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imaso[ny]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10).

Ilay Drafitry ny Ray

Nandritra ny filankevitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia novelabelarin’ny Ray any An-danitra tamin’ireo fanahy izay zanany ny drafiny ho an’ny fivoaran’izy ireo sy ny fahasambaran’izy ireo mandrakizay.

“Hanao tany iray izay hahazoan’ireto mitoetra [isika];

“Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo;

“Ary ireo izay mitana ny toetrany voalohany no homena fanampiny; ary ireo izay tsy mitana ny toetrany voalohany dia tsy hanana voninahitra ao amin’ny fanjakana iraisana amin’ireo izay mitana ny toetrany voalohany; ary ireo izay mitana ny toetrany faharoa dia hanana voninahitra anampy eo ambony lohany mandrakizay mandrakizay.

Ary hoy ny Tompo: Iza no [hirahiko]? Ary namaly ilay anankiray izay tahaka ny Zanak’Olona hoe: Inty Aho, iraho Aho. Ary ny anankiray hafa dia namaly ary nanao hoe: Inty aho, iraho aho. Ary hoy ny Tompo: Haniraka iry voalohany Aho.

“Ary tezitra ilay faharoa ka tsy nitana ny toetrany voalohany; ary tamin’izay andro izay dia maro no nanaraka azy” (Abrahama 3:24–28).

Marihina fa drafitra iray ihany no novelabelarina nandritra ny filankevitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, dia ny drafitry ny Ray izany. Ny Raintsika any An-danitra dia tsy nametraka fanontaniana hoe: “Inona no hataontsika?” Tsy nangataka fanehoan-kevitra Izy, na niangavy mba hanomezana torohevitra, na nangataka sosokevitra. Fa novelabelariny ireo singa fototra mandrafitra ny drafiny ka nanontany Izy hoe: “Iza no [hirahiko]?” Ny fototry ny fanontaniany dia nifantoka tamin’izay tokony halefa mba hanatanteraka ireo fepetra fototra takina ao anatin’ny drafiny.

Voafaritra ao anatin’ny soratra masina koa ny vokatry ny fikomiana nataon’ilay fahavalo.

“Koa satria nikomy Tamiko i Satana ary nikatsaka ny handrava ny safidin’ny olona, izay efa nomeko … azy, ary nikatsaka ny hanomezako azy koa ny heriko … , dia nasaiko nazera ety ambany izy;

“Ary tonga Satana izy, … ny devoly, ny rain’ny lainga rehetra, mba hamitaka sy hanajamba ny olona, mba hitarika azy ho babo araka ny sitrapony, dia izay rehetra tsy te hihaino ny feoko” (Mosesy 4:3–4; nampiana fanamafisana).

Tsy namelabelatra drafitra izay nolavin’ny ankamaroan’ireo mpandray anjara nandritra ny filankevitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana i Losifera. Tsy olona feno halemem-panahy izay tsy nahomby nandritra ny fifidianana iray izy. Nikomy izy! Ny avonavona sy ny fianjonanjonana ary ny fitiavan-tena no nandrisika ny fikomiana nataony teo anatrehan’ny drafitry ny Ray.

Ny Drafitry ny Ray sy ny Filazantsaran’ny Mpamonjy

Ilay drafitra dia mamariparitra ny asan’ny Ray sy ny Zanaka izay manome fahafahana ny olombelona rehetra hahazo ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay.

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no mandrafitra ny fomba ahafahantsika mandray ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra, dia ireo fotopampianarana, fitsipika, ôrdônansy, ary fanekempihavanana izany, izay tsy maintsy inoan’ny lehilahy sy ny vehivavy sy tsy maintsy arahiny. “Tsy misy anarana hafa nomena ambanin’ny lanitra hahafahana mamonjy ny olona afa-tsy ny anaran’i Jesoa Kristy” (2 Nefia 25:20). I Jesoa Kristy Tompo tokoa no “làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alala[ny]” (Jaona 14:6; nampiana fanamafisana).

Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Ilay drafitra dia nitaky ny Fahariana, ary io indray avy eo no nitaky ny Fahalavoana sy ny Sorompanavotana. Ireo no singa fototra telo ao amin’ilay drafitra. Ny fahariana planeta iray miendrika paradisa dia azo avy tamin’ Andriamanitra. Ny fiainana an-tany sy ny fahafatesana dia tonga teto amin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Fahalavoan’i Adama [jereo ny 2 Nefia 2:25; Mosesy 6:48]. Ny tsy fahafatesana sy ny fananana fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay dia azo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy [jereo ny 2 Nefia 2:21–28]. …

“… Tonga eto an-tany mandritra ny fotoana fohy isika sy hizaka fisedrana sy fitsapana ary hiomana handroso sy hivoatra mankany amin’ilay fodiana feno voninahitra any amin’ilay toeram-ponenana [jereo ny Salamo 116:15; Almà 42:8]. Ny eritreritsika sy ny asantsika [eto amin’ny fiainana an-tany] dia azo antoka fa hanana tanjona kokoa raha toa ka mahatakatra ny drafitr’ Andriamanitra isika sy feno fisaorana noho ny didiny ary mankatò ny didiny” [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:20–21].”

Ireo anarana fiantsoana ilay Drafitra ao amin’ny Bokin’ i Môrmôna

Mianatra fahamarinana manan-danja isika amin’ny alalan’ny fitadiavana sy fandalinana ireo anarana fiantsoana maro samihafa ny drafitry ny Ray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. Ohatra, diniho ireto santionana anarana nosafidina manaraka ireto:

“Ny drafitra feno famindram-pon’ilay Mpahary lehibe” (2 Nefia 9:6).

“Ny drafitry ny Andriamanitsika” (2 Nefia 9:13).

“Ny drafitry ny famonjena” (Jarôma 1:2; Almà 24:14).

“Ny drafitry ny fanavotana” (Almà 12:25, 26, 30, 32, 33; 42:11, 13).

“Ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny” (Almà 41:2).

“Ny drafitry ny fahasambarana” (Almà 42:16).

“Ny drafitra lehiben’ny famindram-po” (Almà 42:31).

Ny tsirairay avy amin’ireo anarana fiantsoana ireo dia manampy antsika hahatakatra mazava kokoa ireo fampanantenana sarobidy fonosin’ny drafitry ny Ray ary mampivelatra ny fomba fijerintsika mikasika ny tanjona sy dikan’ny fiainantsika eto an-tany.

Hita miharihary fa ny anarana fiantsoana ny drafitr’ Andriamanitra fampiasa matetika indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mifantoka amin’ny fanavotana izay azo tanterahina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Nanambara i Almà fa “Raha tsy nisy ny drafitry ny fanavotana izay efa nomanina hatry ny fanorenana izao tontolo izao, dia tsy ho nety nisy ny fitsanganan’ireo nodimandry amin’ny maty; saingy nisy ny drafitry ny fanavotana voaomana, izay hanatanteraka ny fitsanganan’ireo nodimandry amin’ny maty, izay efa noresahina” (Alma 12:25).

Nananatra koa izy hoe: “Manomboha mino ny Zanak’ Andriamanitra, fa ho avy Izy hanavotra ny olony ary hijaly sy ho faty Izy mba hanonitra ny fahotany; ary hitsangana amin’ny maty Izy izay hahatanteraka ny fitsanganana amin’ny maty, ka ny olona rehetra dia hijoro eo anoloany mba hotsaraina araka ny asany amin’ny andro farany sady fitsarana” (Almà 33:22).

Voaomana ny lalana

Ny fanahintsika dia tokony ho vonton’ny fankasitrahana rehefa mandinika ilay drafitra lehiben’ny famonjena, fanavotana, famerenana amin’ny laoniny, famindram-po ary fahasambarana izay nataon’ Andriamanitra isika. Ny fahalalana ny drafiny dia manolotra fomba fijery sarobidy, mampitombo ny fifaliantsika, ary manome hery antsika mba handresena ireo olana sy fahoriana.

Maniry ny hiverenantsika any Aminy ny Ray any An-danitra. Manasa Izy ary mampanantena fitahiana, saingy tsy hanohintohina ny fampiasantsika ilay fahafahana manao safidy ara-pitondrantena izay nomeny antsika. Tsy maintsy mandray andraikitra isika ka misafidy ny hiverina any Aminy amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra nasehon’ny Zanany Malalany.

Sarin’ny tanan’ny ankizy iray izay atolony mba handray ny tanan’i Jesoa Kristy

His Hand Is Stretched Out Still [Mbola mitsotra ihany ny tanany], nataon’i Elizabeth Thayer

“Efa voaomana ny lalana, ary raha mijery isika dia mety ho velona mandrakizay” (Almà 37:46; nampiana fanamafisana).

Mijoro ho vavolombelona amim-pifaliana aho fa ny Ray any An-danitra no namorona ilay drafitra masina ho an’ireo zanany. Mpanavotra sy Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy. Ary amin’ny maha-iray amin’ireo Apôstôlin’ny Tompo ahy amin’izao andro farany izao, dia mijoro ho vavolombelona aho fa Izy tokoa no “làlana sy fahamarinana, ary fiainana” (Jaona 14:6; nampiana fanamafisana).

Fanamarihana

  1. Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”, Médiathèque de l’Évangile.

  2. Russell M. Nelson, “The Creation,” Ensign, May 2000, 84, 86.

  3. Mba hahitana fanadihadiana feno momba ireo anarana maro fiantsoana ny drafitr’ Andriamanitra hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia jereo ny Noel B. Reynolds, “The Plan of Salvation and the Book of Mormon,” Religious Educator, boky 21, laharana 1 (2020), 31–53.