“Ny lalanao no lalako,” Liahona, jan. 2026.
Olomasina any amin’ny tany rehetra
Ny lalanao no lalako
Nandao ny tranony izy, niampita ranomasimbe iray mba hitory ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ary maty teo amin’ny faha-26 taonany, rehefa nijanona ho mahatoky tamin’ireo fanekempihavanany.
I Emma Purcell (eo amin’ny laharana voalohany) sy ireo misiônera hafa tao amin’ny Misiôna Samôana, ôktôbra 1902
Tamin’ny 5 mey 1901 dia nanaiky ny antso hanao asa fitoriana tany Samoa i Emma Purcell izay 17 taona. “Manome toky anao aho fa ny ezaka rehetra hataoko dia ny hampandroso ny asan’ny Tompo,” hoy izy tao anatin’ny taratasy iray nosoratany ho an’ny Filoha Lorenzo Snow. Nampanantena koa izy hoe, “Hataoko fahafinaretana ho ahy foana ny hiaro ireo fitsipiky ny Filazantsara amin’ny fotoana sy ny toerana rehetra izay hananako fahafahana hanaovana izany.”
Rehefa niomana ny hanompo i Emma dia zara raha nahafantatra ny zavatra nandrasana izy. Niavaka teo anivon’ireo misiônera namany izy. Vao nanomboka niantso vehivavy tokan-tena ho misiônera manompo amin’ny fotoana feno mihitsy ny Fiangonana telo taona talohan’izay. Ary hatramin’io fotoana io dia izy no zandriny indrindra nantsoina tamin’izany.
Izy ihany koa no ho vehivavy Samôana voalohany hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Na dia nipetraka tany Salt Lake City aza izy dia teraka tany Malaela, tanàna kely iray tany amin’ny farany atsinanan’ny nosy Samôana ao Upolu. Rehefa feno 12 taona izy dia nandao ny tranony sy ny fianakaviany mba hianatra tany Utah, izay 8.047 kilaometatra miala eo.
Tsy maintsy sady nampientanentana no tsy mora tamin’i Emma ny nieritreritra ny hiverina tany Samoa dimy taona taty aoriana. Mba hanomanany tena ara-panahy dia nandray ny fanafiana masina tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy. Tahaka ireo misiônera ankehitriny dia nanao fanekempihavanana masina tamin’ Andriamanitra izy ary nampanantenaina fitahiana tamin’ny alalan’ny fahatokiany.
Ary araka ny asehon’ny tantarany dia nanao izay tsara indrindra azony natao izy mba hitandremana ireo fanekempihavanana ireo rehefa nanompo ny Tompo.
Avy tany Upolu nankany Utah, dia niverina
Teraka tamin’ny 26 jona 1883 i Emma, izay zanak’i Viliamu sy i Matafua Purcell fahafito. Iray tamin’ireo fianakaviana Eorôneziana (Eorôpeana amin’ny ampahany ary Pôlineziana amin’ny ampahany) maro tao Malaela sy manodidina an’i Malaela ny fianakaviany. Ny reniny dia avy any amin’ny nosy Savai’i, izay any avaratra andrefan’i Upolu. Ny rainy dia zanakalahin’ny lehilahy Anglisy iray izay tonga tao Samoa nanodidina ny taona 1834, nanambady vehivavy Samoana iray, ary nipetraka tany Malaela.
Angamba fony i Emma niara-nipetraka tamin’i John sy i Nanave Rosenquist, izay mpivady Olomasin’ny Andro Farany nandray azy ho toy ny zanakavavy natsangana, no nahafantaran’i Emma voalohany momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Natao batisa teo amin’ny faha-12 taonany izy tamin’ny 3 nôvambra 1895. Nisy misiônera iray nanatrika ilay fotoam-batisa nijoro ho vavolombelona momba ny fanahy mahery vaika tsapa nandritra ilay batisa.
Volana vitsivitsy taty aoriana dia nahazo fankatoavana avy tamin’ny Fiadidiana Voalohany i John W. Beck, filohan’ny Misiôna Samôana mba handefa an’i Emma sy ireo ankizy Samôana hafa ho any Utah mba hianatra. Niala tao Apia, izay seranan-tsambo lehibe ao Upolu izy, niaraka tamin’ny Filoha Beck sy ireo misiônera hafa tamin’ny 23 aprily 1896. Na dia nanome fankatoavana ny handehanany aza ireo ray aman-dreny niteraka azy, dia nitomany izy ireo rehefa nanao veloma.
Efa ho telo herinandro no nandehanan’i Emma tamin’ny sambo mandeha amin’ny etona sy tamin’ny fiaran-dalamby nankany Salt Lake City. Lehibe lavitra noho ny tanànany ao Upolu ilay tanàna, ary tsy maintsy tena nanelingelina azy ireo arabe feno olona sy feo tsy nahazatra azy tao. Tamin’izany fotoana izany dia zara raha nisy mponina Pôlineziana tao Utah. Tamin’ny ankamaroan’ny fotoana dia tsy nahita olona nitovy endrika taminy izy.
Fony izy tao Utah dia tao amin’ny Paroasy fahatelo ambin’ny folo tao Salt Lake City i Emma no nipetraka, nahazo fanabeazana tsara tao amin’ireo sekolin’ny Fiangonana, ary nifandray tamin’ireo misiônera nahavita asa fitoriana avy tao amin’ny Misiôna Samôana. Tsikaritry ny evekany mialoha be ny fahafahana ananany hanao zavatra lehibe ary nanoro hevitra azy izy mba hiomana hanao asa fitoriana tany an-tanindrazany.
Noraisin’i Emma tamin’ny fony ny teniny, ary rehefa tonga ilay antso tamin’ny fiandohan’ny taona 1901 dia vonona izy.
Nanompo tao Malaela
Niverina tany Upolu i Emma tamin’ny 25 jolay 1901, faly nahita ny rainy niandry azy teo amin’ny seranan-tsambo. Nandritra ny tsy naha-teo azy dia lasa tsy dia nahay niteny Samôana i Emma. Saingy rehefa nasaina mba hanao vavaka famaranana izy nandritra ny fivoriana iray dia nanentana azy ny Fanahy, ary nanolotra izany tamin’ny fitenin-drazany izy.
Voatendry hanompo tao Malaela, tanàna niaviany i Emma, izay toerana nitantanan’ny Fiangonana sekoly iray nanomboka tamin’ny 1896. Nandray andraikitra nampianatra ireo mpianatra vehivavy izy. Nitarika ihany koa ny Fikambanana Fifampivoaran’ny Zatovovavy tao amin’ny Sampana Malaela izy. Isaky ny alahady sy nandritra ny herinandro dia nitory sy nampianatra niaraka tamin’ireo misiônera hafa izy.
Tamin’ny voalohany dia nanohitra ny asany ny fianakavian’i Emma sasany tao amin’ilay nosy ary namporisika azy handao ny Fiangonana. Araka ny voalazan’ny filohan’ny misiôna William G. Sears anefa, dia “niaro ny asa fitoriana ny filazantsara nataony” izy ary nanapa-kevitra ny hanaja ny fanekempihavanany, na dia teo aza ny fanoherana.
Nahavita tsara ny asany tahaka ireo misiônera hafa ihany koa izy. Indray mandeha dia nosoloin’ny elder anankiroa rano tsotra ny ranom-boaniony tamin’ny sakafo maraina mba hisangiana azy. “Nandiso fanantenana” an’i Emma ilay sangisangy, kanefa ho valin’izany dia norosoany voanio feno sira fa tsy siramamy ireo elders.
Na dia teo aza ny sangisangy toy izany, dia nanaja fatratra an’i “Soeur Purcell” ny misiônera. Nilaza ny misiônera iray fa “feno ny fanahin’ny anjara fanompoany sy ny antsony” izy. Nisy elder iray hafa nanoratra tamim-pankasitrahana mikasika ny hatsaram-panahiny. Indray mandeha i Emma dia namela akondro teny an-dalana mba hananan’izy sy ny mpiara-mitory aminy sakafo hohanina nandritra ny dia.
Hita ao anatin’ireo firaketana fa nitory momba ny fahefan’ny fisoronana sy ny Bokin’i Môrmôna ary ireo lohahevitra hafa ao amin’ny filazantsara izy. Rehefa avy nandre an’i Emma nitory momba ny fiainann’i Joseph Smith sy ny iraka nampanaovina azy ny misiônera iray dia nanoratra hoe, “Tena tiako tokoa ny zavatra nolazainy, ary nalahelo aho rehefa nitsahatra niteny izy
Indrisy fa voan’ny éléphantiasis izy tamin’ny faramparan’ny asa fitoriana nataony ka dia nahazo fisaorana mialoha. Rehefa nahafantatra ireo vehivavy sy ankizivavy tao amin’ilay sekoly fa hiverina any Utah izy dia nitomany izy ireo. Nanao fivoriana fanaovam-beloma ho azy ny sampana Malaela, ary nanome azy fahafahana farany hitory. “Niteny tamin-kery tokoa” izy, araka ny voalazan’ny tatitra momba ilay fivoriana, “ary namporisika ny rehetra mba ho mahatoky amin’ny filazantsara.”
Lovan’ny fanolorantena
Nijanona ho mahatoky tamin’ny filazantsara sy tamin’ny fanekempihavanany i Emma nandritra ny androm-piainany sisa. Rehefa tonga tany Utah dia nanohy ny fianarany izy, nandray anjara tao amin’ny vondrom-piarahamonina Pôlineziana tao amin’ilay faritany, ary nanome torohevitra mahakasika ny fihirana an’ny Olomasin’ny Andro Farany voalohany tamin’ny teny Samôana. Nisy fotoana izy nihaona ihany koa tamin’ny Olomasina iray avy ao Hawaii izay nantsoina hoe Henry Kahalemanu. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy ireo tamin’ny 31 janoary 1907.
Telo taona taty aoriana dia nodimandry teo amin’ny faha-26 taonany i Emma ary nalevina tao Iosepa, izay toerana nipetrahan’ireo Olomasina Pôlineziana tany amin’ny 97 km andrefan’i Salt Lake City. Na dia fohy aza ny fiainany dia mijanona ho ohatra mahery vaika ho an’ireo Olomasina manerana izao tontolo izao ny fanolorantenany tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, indrindra fa ireo zatovovavy izay mamaly ilay antso mba hanompo amin’izao fotoana izao.