2020
Vavolombelona velona an’ilay Kristy velona
Mey 2020


Vavolombelona velona an’ilay Kristy velona

Mamerina amin’ny laoniny ny fahalalana marina mikasika ny anjara asa tena manan-danja an’i Jesoa Kristy eo amin’ny famonjena sy fisandratan’ny olombelona ny hafatra fototry ny Bokin’i Môrmôna.

Tamin’ny andro mafanan’ny lohataona iray tamin’ny 2017, raha nizotra tsara araka ny tokony ho izy iny ny varavarana misokatra ho an’ny tempolin’i Paris Frantsa, dia nanatona ny iray amin’ireo mpandray mpitsidika ny lehilahy iray izay nahitana alahelo nisoritra teo amin’ny tarehiny. Nilaza izy fa mipetraka eo akaikin’ny tempoly ary namboraka ny nandavany amim-pahavitrihana ny fananganana izany. Nilaza izy fa indray andro raha nandinika avy teo am-baravarankelin’ny tranony izy dia nahita ilay fitaovana fampiakarana entana lehibe anankiray nampidina sarivongan’i Jesoa avy any an-danitra ka nametraka izany tsimoramora teo amin’ny tokontanin’ny tempoly. Nanambara ilay lehilahy fa izany dia nanova tanteraka ny fahatsapany mikasika ny Fiangonana. Tonga saina izy fa mpanara-dia an’i Jesoa Kristy isika ary nitalaho famelan-keloka ny amin’izay ratsy mety ho naterany teo aloha izy.

Sary
Sarivongana apetraka eo amin’ny Tempolin’i Paris, Frantsa

Ilay sarivongana Christus, izay mandravaka ny tokontanin’ny tempolin’i Paris sy ireo fananan’ny Fiangonana hafa, dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fitiavan’ny Mpamonjy. Ny sarivongana Christus voalohany, izay natao tamin’ny marbra, dia asa-tanan’ny mpahaizava-kanto Danoà antsoina hoe Bertel Thorvaldsen, izay nisokitra izany tamin’ny 1820—tamin’ny taona nitrangan’ny Fahitana Voalohany. Ilay sarivongana dia tsy mifampitaha mihitsy amin’ny ankabetsahan’ireo fanehoana zava-kanto tamin’izany vanim-potoana izany, izay ny ankamaroany dia maneho an’i Kristy mijaly eo ambony hazofijaliana. Ny asan’i Thorvaldsen dia mampiseho an’ilay Kristy velona, nandresy ny fahafatesana, ary manasa ny rehetra hanatona Azy an-tanan-droa. Ny diam-pantsika eo amin’ny tanany sy eo amin’ny tongony ary ny fery eo amin’ny lanivoany ihany no vavolombelona ny amin’ny fanaintainana tsy hay faritana niaretany mba hamonjena ny olombelona rehetra.

Sary
Ny tanan`ny Mpamonjy araka ny nanehoana izany tamin`ilay Christus

Ny antony iray tena hitiavantsika mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany an’io sarivongana io angamba dia noho ilay izy mampatsiahy antsika ny famariparitana omena ao amin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny fisehoan’ny Mpamonjy teo amin’ny kaontinanta Amerikana:

Sary
Ny namangian’ i Jesoa Kristy an’i Amerika

“Ary indro, hitany ny Lehilahy iray nidina avy tany an-danitra; ary nanao akanjo fotsy Izy; ary nidina Izy sy nijoro teo afovoany; …

“Ary ny zava-nitranga dia naninjitra ny tanany sy niteny tamin’ny vahoaka Izy, nanao hoe:

“Indro, Izaho no Jesoa Kristy, …

“… ary nisotro tamin’ilay kapoaka mangidy izay efa nomen’ny Ray Ahy Aho ary efa nankalaza ny Ray tamin’ny nitondrako teo Amiko ny fahotan’izao tontolo izao.”1

Dia nanasa ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy tsirairay Izy hanatona Azy ary hitehika ny lanivoany amin’ny tanan’izy ireo ary hitsapa ireo diam-pantsika teo amin’ny tanany sy ny tongony, mba handraisana vavolombelona manokana amin’ny alalan’izany fa Izy tokoa ilay Mesia nandrasana hatry ny ela.2

Io no tranga faratampony sy manan-danja indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny “vaovao mahafali[n’]” ny filazantsara manontolo dia voafintina ao amin’izany sarin’ny Mpamonjy maninjitra amim-pitiavana ny “sandrin’ny famindram-po[ny]”3 izany, mba hanasana ny olona tsirairay hanatona Azy ary handray ireo fitahian’ny Sorompanavotany.

Ny hafatra fototry ny Bokin’i Môrmôna dia ny hamerina amin’ny laoniny ny fahalalana marina mikasika ny anjara asa tena manan-danja an’i Jesoa Kristy eo amin’ny famonjena sy fisandratan’ny olombelona. Io lohahevitra io dia miverimberina hatrany manomboka any amin’ireo pejy fanolorana ka hatrany amin’ireo teny farany indrindra ao amin’ny toko farany indrindra. Nandritra ny taon-jato maro nisian’ny apôstazia sy ny fisafotofotoana ara-panahy dia lasa very na nodisoina ny fahatakarana lalina ny zavatra nataon’i Kristy tao Getsemane sy tao Golgota. Mety nientanentana erỳ i Joseph Smith raha nandika ny 1 Nefia ka nahita ity fampanantenana mahatalanjona ity: “Ireto rakitsoratra farany ireto, [ny Bokin’i Môrmôna] … no hampitoetra ny fahamarinan’iretsy voalohany iretsy [ny Baiboly] … ary hampahafantatra ny zavatra tsotra sy sarobidy izay efa nesorina tanatiny; ary hampahafantatra amin’ny foko, sy ny samy hafa fiteny, ary ny mponina rehetra fa ny Zanakondrin’ Andriamanitra no Zanaky ny Ray Mandrakizay sy Mpamonjy izao tontolo izao; ary ny olona rehetra dia tsy maintsy manatona Azy, fa raha tsy izany dia tsy azo vonjena izy.”4

Fahamarinana tsotra sy sarobidy momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy no hita manerana ny Bokin’i Môrmôna manontolo. Rehefa mitanisa ny sasany amin’ireo fahamarinana ireo aho dia asaiko ianareo handinika ny fomba nanovan’izany ny fiainanareo na ny fomba hahafahan’izany manova ny fiainanareo.

  1. Ny Sorompanavotana dia fanomezana maimaim-poana atolotra ny olona rehetra izay efa niaina, miaina, ary mbola hiaina ety an-tany.5

  2. Ankoatra ny fitondrana ny enta-mavesatry ny fahotantsika dia nitondra teo Aminy ny alahelo, ny rofy, ny fanaintainana, sy ny aretina, ary ny fijaliana rehetra mihatra amin’ny maha-olombelona i Kristy. Tsy misy fijaliana, fanaintainana, na alahelo tsy niaretany ho antsika.6

  3. Ny sorona fanavotan’ny Mpamonjy dia ahafahantsika mandresy ny voka-dratsin’ny Fahalavoan’i Adama, ka tafiditra ao anatin’izany ny fahafatesana ara-nofo. Noho i Kristy, ny zanak’ Andriamanitra teraka teto an-tany rehetra, na olo-marina izy na tsia, dia hiaina ny fikambanan’ny vatany amin’ny fanahiny indray amin’ny alalan’ny herin’ny Fitsanganana amin’ny maty7 ary hiverina any Aminy mba “[h]otsaraina araka ny asany.”8

  4. Mifanohitra amin’izany kosa, ny fandraisana ireo fitahiana fenon’ny Sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy dia miankina amin’ny zotom-po9 amin’ny fiainana ny “fotopampianaran’i Kristy.”10 Tao amin’ny nofiny i Lehia dia nahita ny “lalana ety sy tery”11 izay mitondra mankamin’ny hazon’aina. Ny voany, izay maneho ny fitiavan’ Andriamanitra hita taratra amin’ny alalan’ireo fitahiana tsy manam-paharoan’ny Sorompanavotana nataon’i Kristy, dia “tena sarobidy [no] sady tena mahatsiriritra indrindra … [ary] lehibe indrindra amin’ny fanomezam-pahasoavana rehetra avy amin’ Andriamanitra.”12 Mba hahazoana io voa io dia tsy maintsy mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika, mibebaka, “[m]ihaino ny tenin’ Andriamanitra,”13 mandray ireo ôrdônansy mila raisina, ary mitandrina ireo fanekempihavanana masina mandra-pahatapitry ny fiainantsika.14

  5. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataony, dia tsy manadio ny fahotantsika fotsiny i Jesoa Kristy fa manome antsika ihany koa hery ahafahan’ ny mpianany “manaisotra ny maha-olona araka ny nofo,”15 mivoatra “andalana anampy andalana,”16 ary mampitombo fahamasinana17 mba hahafahan’izy ireo indray andro any ho lasa olona tanteraka araka ny endrik’i Kristy,18 mendrika ny hiaina indray miaraka amin’ Andriamanitra19 ary handova ireo fitahiana rehetran’ny fanjakan’ny lanitra.20

Fahamarinana feno fankaherezana iray hafa hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa ny hoe, na dia mandrakizay sy tsy manam-petra aza ny Sorompanavotana nataon’ny Tompo dia fanomezana manokana ho an’ny isam-batan’olona, natao ho antsika tsirairay avy izany.21 Tahaka ny nanasan’i Jesoa ny mpianatra Nefita tsirairay hitsapa ny feriny, no nahafatesany ho antsika tsirairay avy, ny isam-batan’olona, toy ny hoe izaho na ianao irery no hany olona eto an-tany. Manome fanasana manokana ho antsika Izy hanatona Azy ary hampiasa ireo fitahiana mahatalanjon’ny Sorompanavotana nataony.22

Vao mainka miharihary kokoa ny maha-ho an’ny isam-batan’olona ny Sorompanavotana nataon’i Kristy rehefa mandinika ny ohatr’ireo lehilahy sy vehivavy miavaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika. Isan’izany i Enôsa, Almà, Zezrôma, ny Mpanjaka Lamônia sy ny vadiny, ary ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamìna. Ny tantaran’ny fiovam-pon’izy ireo sy ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona mahery vaika dia mitondra vavolombelona velona ny amin’ny hoe afaka miova ny fontsika sy ny fiainantsika amin’ny alalan’ny hatsaran-toetra sy famindram-po tsy manam-petran’ny Tompo.23

Nametraka an`izao fanontaniana manitikitika izao tamin`ireo olony ny mpaminany Almà. Nilaza izy hoe: “Raha efa nandalo fiovam-po ianareo ary raha efa nahatsiaro ny hikalo ny hiran’ny fitiavana manavotra ianareo, dia hanontany aho, tsapanareo ve izany ankehitriny?”24 Izany fanontaniana izany dia iankinan’ny fiainana ankehitriny, satria amin’ny maha-mpianatry ny Tompo antsika dia mila ny heriny manavotra isika hiaraka amintsika sy handrisika antsika ary hanova antsika isan’andro isan’andro.

Azo tenenina amin’ny alalan’izao manaraka izao koa ny fanontanian’i Almà: oviana no nahatsapanao farany ny herin’ny Sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy, izay hery mamy tokoa, teo amin’ny fiainanao? Mitranga izany rehefa tsapanao tonga ao aminao ny fifaliana “mahafinaritra sy mamy tokoa”25 izay mijoro ho vavolombelona amin’ny fanahinao fa voavela ny helokao; na rehefa lasa mora hoentina kokoa tampoka ny fitsapana mangirifiry; na rehefa mihamalefaka ny fonao ary afaka maneho famelana ho an’ny olona izay nandratra anao ianao. Na mety ho amin’ny fotoana rehetra hamantaranao ny fitomboan’ny fahafahanao mitia sy manompo ny hafa, na rehefa manova ny tenanao ny dingan’ny fanamasinana, rehefa lasa mitovy amin’ny ohatra nasehon`ny Mpamonjy.26

Mijoro ho vavolombelona aho fa ireo traikefa ireo dia tena misy ary porofo fa afaka miova amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotana natony ny olona. Ny Bokin’i Môrmôna dia manazava sy mampivelatra ny fahalalantsika an’io fanomezana tsy manam-paharoa io. Rehefa mandalina io boky io ianareo dia haheno ny feon’ilay Kristy velona manasa anareo hanatona Azy. Mampanantena aho fa raha manaiky ny fanasany ianareo ka mampifanaraka ny fiainanareo araka ny ohatra nasehony, dia ho tonga eo amin’ny fiainanareo ny heriny manavotra. Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, ny Mpamonjy dia hanova anao isan’andro isan’andro “mandra-pitataovovonan’ny andro”27 ka ianao, araka ny voalazany dia: “hahita ny tavako ary hahafantatra fa Izy Aho.”28 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.