2020
Ahmad S. Corbitt
Mey 2020


Ahmad S. Corbitt

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany

Ahmad S. Corbitt, izay 57 taona, dia naterak’i James Earl Corbitt sy i Amelia Corbitt tamin’ny volana aogôsitra 1962. Nahantra ilay fianakaviana ary nipetraka tany amin’ireo trano nofaina mora naorin’ny fanjakana tany Philadelphie, Pennsylvanie, Etazonia, izay toerana voahodidin’ny heloka bevava sy herisetra ataon’ireo andian-jiolahy. Nampidi-doza ny fivezivezena teo amin’ny manodidina.

Saingy nitarika ny zanany 10 ny bitsika ara-panahy voarain’ny reniny ary niaro azy ireo. Fantany ara-tsindrimandry ny fotoana tokony hilalaovan’ny zanany any ivelany sy ny fotoana tokony hijanonan’izy ireo ao an-trano.

Izany fahatsapan-javatra ara-panahy izany taty aoriana no nitarika azy hanasa ireo misiônera avy amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho ao an-tranony. Tao anatin’ny ankamaroan’ny fotoana naha-ankizilahy sy zatovolahy azy dia nivavaka tao amin’ny Nation of Islam i Ahmad sy ny fianakaviany, ary taty aoriana dia natao batisa tany amin’ny Protestanta izy. Nahatsapa ny fitiavan’ny mpiangona Olomasin’ny Andro Farany azy izy anefa tamin’izany.

Natao batisa ny reniny sy ny sasany tamin’ireo iray tampo aminy ny volana nanaraka. Ny 16 aogositra 1980, izay naha-feno 18 taona azy dia niditra tao amin’ny ranon’ny batisa koa i Ahmad. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana i Henry Brandford Campbell raikeliny, ny taona nanaraka izany.

“Tsy izahay loatra no zava-dehibe ao anatin’izany,” hoy izy. “Fa Andriamanitra sy ny zavatra tiany hataonay. Naneho fahavononana hanetry tena sy hisokatra izahay. Notarihiny izahay.”

Rehefa avy nianatra tao amin’ny Ricks College sy nanompo tany amin’ny misiônan’i San Juan Porto Rico tamin’ny 1982 ka hatramin’ny 1984 izy dia nahita an’i Jayne Joslin nandritra ny dia mankany amin’ny tempoly nokarakaraina ho an’ny tanora tokan-tena. Nivady tany amin’ny tempolin’i Washington D.C. izy roa tamin’ny 24 aogôsitra 1985 ary manan-janaka enina.

Nandritra ny sivy taona taorian’izany dia niasa izy nandritra ny tontolo andro ary nianatra ny alina mba hahazoana mari-pahaizana avy amin’ny The Richard Stockton College of New Jersey sy Rutgers University Law School.

Izy dia efa mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, filohan’ny tsatòka,mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, ary filohan’ny Misiônan’i Saint Domingue Avaratra Répuplique Dominicaine.

Ny Rahalahy Corbitt dia efa mpisolovava tany amin’ny toeram-pitsarana, sy niasa teo amin’ny sehatry ny fifaneraserana amin’ny daholobe ary efa talen’ny Biraon’ny Fiangonana misahana ny raharaham-pifandraisana amin’ny eo an-toerana sy any ivelany tao New York. Amin’izao fotoana izao izy dia miasa ao amin’ny Departemanta misahana ny misiônera.