2020
Steven J. Lund
Mey 2020


Steven J. Lund

Filohan’ny Zatovolahy maneran-tany

Amin’ny maha-filohan’ny Zatovolahy maneran-tany vaovao azy, i Steven J. Lund dia nanaiky andraikitra masina mba hanampy amin’ny fitarihana zatovolahy ao amin’ny taonan’ny Fisoronana Aharôna izay an’arivorivony ao anatin’ny Fiangonana iray miely maneran-tany.

Raha afaka nihaona mivantana tamin’ny tsirairay tamin’izy ireo izy dia fantany tsara ny zavatra holazainy: “Tsy sarotra ny fahatongavana ho mpikambana mahomby ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Tian’ny Ray any An-danitra ianao. Mila mamaly fitia Azy fotsiny ianao. Ary rehefa manao izany isika dia ho voaro sy ho faly.… Hanjary hisy dikany ny fiainantsika.”

Tsy zavatra vita ao anatin’ny alahady iray monja ny fanomezana lanja ny Fiangonana. Misy fahafahana manao izany isan’andro, araka ny nolazain’ilay mpisolovava lasa talen’orinasa.

“Mamaky ny soratra masina, mandeha miangona, mibebaka raha vantany vao diso lalana isika, manokatra ny vavantsika ary mijoro ho ohatra eo amin’ny fiainana ny filazantsara, izany no drafitry ny Raintsika any An-danitra,” hoy izy.

Ny Rahalahy Lund izay naterak’i Jay sy i Toy Ellen Lund tamin’ny 30 ôktôbra 1953, dia lehibe tany amin’ny faritra avaratr’i Californie (Santa Rosa) sy tany amin’ny faritra atsimon’i Californie (Long Beach), Etazonia. Ny asa nataony tao amin’ny Tafika Amerikana dia nitondra azy niverina tany Eorôpa, izay kontinanta lasa tiany nandritra ny asa fanompoana nataony tany amin’ny Misiônan’i Amsterdam Pays-bas.

Taorian’ny firotsahany ho miaramila dia niditra nianatra tao Brigham Young University izy izay nifaneraserany indray tamin’i Kalleen Kirk, izay tovovavy fantany tamin’izy nitoby tao Allemagne. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake i Steven sy i Kalleen taty aoriana tamin’ny 8 aogôsitra 1980. Manan-janaka efatra izy ireo.

Taorian’ny nahazoany mari-pahaizana momba ny lalàna tao BYU, dia mpisolovava no asan’ny Rahalahy Lund nialoha ny nahatongavany ho filoha sy tale jeneralin’ny Nu Skin Enterprises. Amin’izao fotoana izao dia filoha mpanatanteraky ny filankevi-pitantanan’ireo tale ao amin’ilay orinasa izy. Izy koa dia filoha mpisolo toerana ao amin’ny Utah System of Higher Education.

Ny Rahalahy Lund dia efa filohan’ny Misiônan’i Atlanta Georgia ary mpandrindra ny Kômity misahana ny fanokanana ny Tempolin’i Provo City Center. Izy koa dia efa mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Zatovolahy maneran-tany ary Fitopololahin’ny Vondromparitra.