Ny soratra masina
Môzià 10


Toko 10

Nodimandry i Lamàna Mpanjaka—Baribariana sy lozabe ny olony ary nino fomban-drazana diso—Nandresy azy i Zenifa sy ny olony. Tokony ho 187–160 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga dia rafitra indray nanorina ny fanjakana izahay sy nanomboka indray nizaka ny tany tamim-pilaminana. Ary nampanamboatra fitaovam-piadiana isan-karazany aho mba hananako fitaovam-piadiana ho an’ny oloko hiatrehana ny fotoana hiavian’ny Lamanita indray hiady amin’ny oloko.

2 Ary nasiako mpiambina ny manodidina ny tany mba tsy hahafahan’ny Lamanita manafika anay tampoka sy mandringana anay; ary dia toy izany no niambenako ny oloko sy ny biby fiompy, sady nitehirizako azy ireo tsy hianjera eo an-tanan’ny fahavalonay.

3 Ary ny zava-nitranga dia nandova ny tanindrazanay nandritra ny taona maro izahay, eny, nandritra ny roa amby roapolo taona.

4 Ary nasaiko niasa ny tany ny lehilahy ary namboly izay mety ho voa ary izay mety ho voankazo araka ny karazany avy.

5 Ary ny vehivavy dia nasaiko nandrary sy nilofo ary niasa, ary nanao hariry madinika isan-karazany, eny, sy fitafiana isan-karazany mba hahazoanay manafy ny fitanjahanay; ary dia toy izany no niroboroboanay teo amin’ny tany—dia toy izany no nanananay fandriampahalemana lalandava teo amin’ny tany nandritra ny roa amby roapolo taona.

6 Ary ny zava-nitranga dia nodimandry i Lamàna mpanjaka ary ny zanany lahy no nanomboka nanjaka teo amin’ny toerany. Ary nanomboka namoky ny vahoakany izy hikomy amin’ny oloko; noho izany izy dia nanomboka niomana ho amin’ny ady ary niakatra hiady amin’ny oloko.

7 Saingy efa nandefa ny mpitsikiloko tany amin’ny manodidina an’i Semlôna aho mba hahazoako mahafantatra ny fiomanany sy hahazoako miaro tena aminy ka tsy hahazoany manafika ny oloko sy mamongotra azy.

8 Ary ny zava-nitranga dia niakatra tany avaratry ny tanin’i Silôma izy, niaraka tamin’ny miaramilany maro, dia lehilahy nirongo tsipika sy zanatsipika ary sabatra sy simetera ary vato sy antsamotady; ary nokakasany ny lohany ka dia nangadihady izany; ary dia nosikinany hetra hodibiby ny valahany.

9 Ary ny zava-nitranga dia nasaiko nafenina tany an-tany foana ny vehivavy sy ny ankizy tamin’ny oloko; ary nasaiko nifamory miaraka ny lahiantitra rehetra izay afaka mitondra fiadiana, ary koa ny zatovolahiko rehetra izay afaka mitondra fiadiana mba handeha hiady amin’ny Lamanita; ary dia napetrako araka ny filaharany izy ireo, ny olona tsirairay arakaraka ny taonany avy.

10 Ary ny zava-nitranga dia nandeha niakatra izahay hiady amin’ny Lamanita; ary izaho na dia tao amin’ny fahanterako aza, dia nandeha niakatra hiady amin’ny Lamanita. Ary ny zava-nitranga dia nandeha niakatra tamin’ny herin’ny Tompo izahay mba hiady.

11 Ankehitriny, ny Lamanita dia tsy nahalala na inona na inona ny momba ny Tompo, na ny herin’ny Tompo, noho izany izy dia niantehitra tamin’ny herin’ny tenany ihany. Saingy vahoaka matanjaka izy raha ny herim-batana.

12 Olona baribariana sy lozabe ary lian-drà izy, nino ny fomban-drazany izay toy izao—Mino fa noroahina hiala ny tanin’i Jerosalema izy noho ny heloky ny razany, fa nampiaretin’ny rahalahiny ny tsy rariny izy tany an-tany foana ary nampiaretina ny tsy rariny koa izy raha nita ny ranomasina;

13 Ary koa, fa niaritra ny tsy rariny izy raha teo amin’ny tany lovany voalohany taorian’ny nitany ny ranomasina, ary izany rehetra izany dia noho i Nefia nahatoky kokoa tamin’ny fitandremana ny didin’ny Tompo—noho izany izy dia nankasitrahan’ny Tompo, fa nandre ny fivavany ny Tompo ary namaly ireny, ary nandray ny fitarihana ny diany tany an-tany foana.

14 Ary ny rahalahiny dia nisafoaka taminy noho izy ireo tsy nahatakatra ny fitondran’ny Tompo; ary izy ireo koa dia nisafaoka taminy teny ambony rano noho izy ireo nanamafy ny fony tamin’ny Tompo.

15 Ary koa, nisafaoka taminy izy ireo nony efa tonga tany amin’ny tany nampanantenaina, satria nolaizain’izy ireo fa efa norombahiny ny fifehezana ny olona teo an-tànan’izy ireo; ary nokatsahin’izy ireo ny hamono azy.

16 Ary koa, izy ireo dia nisafoaka taminy, satria niainga izy nankany an-tany foana araka ny efa nandidian’ny Tompo azy ary naka ny rakitsoratra izay voasokitra teo amin’ny takela-barahina, satria nolazain’izy ireo fa norobainy izy ireo.

17 Ary dia toy izany no efa nampianarin’izy ireo ny zanany mba hankahalany azy, satria tokony hovonoiny izy, satria tokony horobainy sy hobaboiny ny fananany ary hataony izay rehetra azony atao hamongorana azy; koa nananany ny fankahalana mandrakizay ny zanak’i Nefia.

18 Fa izany no tena antony namitahan’i Lamàna mpanjaka ahy tamin’ny hafetseny sy ny hakingany mandainga ary ny fampanantenany poak’aty, hany ka efa nentiko niakatra nankamin’ity tany ity ireto oloko ireto mba hahazoany mamongotra azy; eny, ary efa niaritra izay taona maro izay izahay teo amin’ny tany.

19 Ary ankehitriny, izaho Zenifa, rehefa avy nitantara izany zavatra rehetra momba ny Lamanita izany tamin’ny oloko, dia namporisika azy handeha hiady amin’ny heriny, hametraka ny fitokiany ao amin’ny Tompo; koa niady taminy nifanatrika izahay.

20 Ary ny zava-nitranga dia natosikay indray izy hiala ny taninay, ary nandripaka azy tamin’ny fandringanana lehibe izahay, maro loatra aza ka tsy nisainay izany.

21 Ary ny zava-nitranga dia niverina indray teo amin’ny taninay izahay ary nanomboka indray nisahana ny biby fiompiny ny oloko ary namboly ny taniny.

22 Ary ankehitriny izaho, izay efa antitra, dia nanolotra ny fanjakany tamin’ny anankiray tamin’ny zanako lahy; noho izany aho dia tsy hiteny intsony. Ary ny Tompo anie hitahy ny oloko. Amena.