Toko 3
Nanendry mpisorona sy mpampianatra ny loholona tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Tokony ho 401–421 taona taorian’i Kristy.
1 Ny fomba nanendren’ny mpianatra, izay nantsoina hoe loholon’ny fiangonana, mpisorona sy mpampianatra—
2 Rehefa avy nivavaka tamin’ny Ray tamin’ny anaran’i Kristy izy ireo dia nametraka ny tanany taminy sy nanao hoe:
3 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, no anendreko anao ho mpisorona (na raha mpampianatra izy, no anendreko anao ho mpampianatra) hitory ny fibebahana sy ny famelana ny fahotana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, amin’ny fiaretana ny finoana ny anarany hatramin’ny farany. Amena.
4 Ary araka izany fomba izany no nanendreny mpisorona sy mpampianatra, araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’ Andriamanitra ny olona; ary notendreny tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina izay tao aminy izy.