Seminera
Lioka 24:1–12, 36–48


Lioka 24:1–12, 36–48

Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty

Sary
Jesus Christ’s empty tomb - set at Goshen, Utah

Taorian’ny fandevenana ny Mpamonjy dia nitondra zava-manitra tany amin’ny fasana ireo mpianatra mahatoky. Ho solon’ny fahitana ny vatana mangatsika an’ny Mpamonjy, dia nahita fasana foana izy ireo. Nanambara ireo anjely fa efa nitsangana ny Tompo. Afaka kelikely tamin’io alina io, rehefa niara-nivory ireo mpianatra dia niseho tamin’izy ireo Izy ary nampiseho azy ireo ny vatany efa nitsangana tamin’ny maty. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampitombo ny fahatakaranao ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainanao.

Mampiasa sary. Ny sary dia afaka hanampy ny mpianatra hahita sy hamakafaka ary hahatakatra ny soratra masina, indrindra rehefa ampiasaina hanentanana ny fifanakalozan-kevitra izany. Rehefa mampiasa sary iray dia ataovy izay ahazoana antoka fa manamafy ny tanjon’ny lesona izany fa tsy mampiala ny hifantohana amin’izany.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina sy hieritreritra ny hanao lisitra ny zavatra fantany momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny antony mahazava-dehibe ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty amin’izy ireo manokana.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty

Diniho ny sarin’ny fasana foana nisy an’i Jesoa Kristy izay hita any am-piandohan’ity lesona ity, ary saintsaino ny valinteninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no hevitr’io sary io aminao?

Saintsaino ny zavatra fantatrao momba ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainanao amin’ny alalan’ny famaliana ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Hanana fahafahana hamerina hijery ireo fanontaniana ianao any amin’ny fiafaran’ny fandalinanao androany.

Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto mba ho hovalin’ny mpianatra. Ireo mpianatra dia hitodika amin’ireo fanontaniana ireo aorian’ny zavatra niainan’izy ireo mandritra ity lesona ity mba handinihana ny fitombon’ny fahatakaran’izy ireo. Noho izany dia azon’izy ireo atao ny mamaly ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

  • Inona no fantatrao momba ny fitsanganana amin’ny maty?

  • Miantraika aminao manokana amin’ny fomba ahoana ny fahalalanao sy ny finoanao momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty?

Raha toa ka nandray anjara tamin’ny fanomanana ny mpianatra ny mpianatra dia asao izy ireo mba hijery sy hizara izany fampahalalana izany amin’izao fotoana izao (raha toa ka tsy mampaninona azy ireo izany).

Rehefa avy nanome ny ainy an-tsitra-po teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa Kristy dia nalaina ny vatany ary nofonosina tao anatina lamba madio vita amin’ny hariry madinika ary napetraka tao amin’ny fasana iray. Taorian’ny Sabata dia niverina tany am-pasana vao maraina i Maria Magdalena sy ireo vehivavy mahatoky vitsivitsy (jereo ny Lioka 24:10 ; Jaona 20:11–18).

Vakio ny Lioka 24:1–12 , ary tadiavo ny zavatra hitan’izy ireo sy nianarany raha mbola teo amin’ny fasan’ny Mpamonjy izy ireo.

  • Inona araka ny eritreritrao no neritreretin’ireo mpianatra sy ny zavatra tsapan’izy ireo taorian’ny zavatra izay hitany sy reny?

Fotoana fohy taorian’io zavatra niainany io dia niseho tamin’ny mpianatra roa teny amin’ny lalana nankany Emaosy i Jesoa Kristy (jereo ny lioka 24:13–32). Niverina tany Jerosalema izy ireo mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ireo Apôstôly (jereo ny Lioka 24:33–35).

Ao anatin’ny lesona iray any aoriana any ny mpianatra dia handalina tantara bebe kokoa mikasika ireo vavolombelona tsirairay momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Ato amin’ity lesona ity, raha toa ireo mpianatra ka hahazo tombontsoa avy amin’ny fandalinana ny tantaran’i Jesoa Kristy teo amin’ny lalana nankany Emaosy ao amin’ny Lioka 24:13–35 , dia hevero ny hampiasa ny sahanasa fianarana fanampiny “Lalana mankany Emaosy” avy ao amin’ny Lesona “Matio 28; Lioka 24; Jaona 20.”

Vakio ny Lioka 24:36–48 mba hikarohana ny zava-nitranga rehefa tafavory ireo mpianatr’i Jesoa mba hifanakalo hevitra momba ny fisehoan’ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty.

  • Inona no manaitra anao ao amin’ireo andininy ireo avy amin’ny tenin’ny Mpamonjy tamin’ireo mpianany?

Mety hanampy ny fametrahana fanontaniana fanampiny toy izao manaraka izao: Nahoana araka ny eritreritrao ny Mpamonjy no hanasa azy ireo mba hahita Azy sy hikasika Azy mialoha ny nizarany ny hafany tamin’izy ireo? Inona araka ny eritreritrao no zavatra tsapan’ireo mpianany na nianarany avy tamin’io zavatra niainana io?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no “Fiadanana ho anareo” no anisan’ireo teny voalohany izay nolazain’ny Mpamonjy tamin’izy ireo? ( Lioka 24:36).

  • Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo momba ny hoe iza moa ny Mpamonjy ary inona no tiany ho takatry ny mpianany?

Mampitombo ny fahatakaranao ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe i Jesoa Kristy dia manana vatana nofo sy taolana nitsangana tamin’ny maty.

  • Inona no dikan’ny hoe mitsangana amin’ny maty?

Raha mila fanampiana ny mpianatra amin’ny famaritana ny dikan’ny hoe mitsangana amin’ny maty dia azo zaraina ny famaritana etsy ambany.

Ny fitsanganana amin’ny maty, “ny fitambaran’ny fanahy amin’ny vatana nofo sy taolana aorian’ny fahafatesana,” dia natao ho antsika tsirairay avy noho i Jesoa Kristy (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fitsanganana amin’ny maty ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Noho ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nataon’ny Mpamonjy izay hahafahantsika tsirairay hiaina hiaraka Aminy sy ho tonga tahaka Azy.

Saintsaino izay fanontaniana anananao momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty sy ny dikan’izany eo amin’ny fiainanao. Ny fanontaniana sasany izay mety anananao momba ny fotopampianaran’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia voatanisa etsy ambany. Hevero ny hanao lisitra ireto fanontaniana ireto ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

  • Nahoana no manan-danja ny hoe manana vatana nofo sy taolana i Jesoa Kristy?

  • Inona no dikan’ny Fitsanganan’i Mpamonjy tamin’ny maty eo amin’ny fiainako?

Ampio ny mpianatra hahatakatra ny mahazava-dehibe ny fianarana mametraka fanontaniana amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana fanaraha-maso toy ny hoe “Misy fiantraikany aminao amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana ny valin’izany?” “Ahoana no ahafahan’ny fakana fotoana hisaintsainana sy hanoratana fanontaniana mitondra fiantraikany eo amin’ny fandalinanao?” ary “Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fametrahana io fanontaniana io eo amin’ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy?”

Amporisiho ny mpianatra mba ho tia karokaroka amin’ny fomba fitadiavana valiny amin’ireo fanontaniana ireo. Isan’ny fomba iray ny masana ny mpianatra hieritreritra ny hanoratra ny fanontanian’izy ireo ho toy ny famoronana fanontaniana iray izay azo ifanakalozana amin’ny hafa mba hahitana valiny.

Fomba iray hitadiavana valiny amin’ireo fanontaniantsika ny mandalina ny zavatra nampianarin’ireo mpaminany sy apôstôlin’ny Tompo. Ireto ambany ireto misy fampianarana sasany avy amin’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Rehefa mandalina ireo teny ireo ianao, dia tadiavo ny valin’ny sasany amin’ireo fanontaniana anananao. Hevero ihany koa ny hitady teny fanampiny avy amin’ireo mpanompo voatendrin’ny Tompo izay mety hanampy anao.

Sary
Portrait of Elder D. Todd Christofferson. Photographed in March 2020.

Eritrereto vetivety ny mahazava-dehibe ny Fitsanganana amin’ny maty eo amin’ny famahana tanteraka amin’izay, ny mahakasika ny hoe iza marina moa i Jesoa avy any Nazareta sy ny momba ireo adihevitra lehibe ara-pilôzôfia sy ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana. Raha tena nitsangana tamin’ny maty ara-bakiteny tokoa i Jesoa, dia tsy maintsy mandeha ho azy avy amin’izany ny hoe olona iray izay andriamanitra Izy. Tsy misy olona tsotra mety maty ka hanana fahefana avy amin’ny tenany hiverina ho amin’ny fiainana indray rehefa avy maty. Koa satria Izy nitsangana tamin’ny maty, dia tsy afaka ny ho mpandrafitra fotsiny ihany i Jesoa na ho mpampianatra fotsiny, na ho raby fotsiny na ho mpaminany fotsiny. Noho Izy nitsangana tamin’ny maty, dia tsy maintsy hoe Andriamanitra i Jesoa Kristy, dia ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray.

Noho izany, dia marina ireo zavatra izay nampianariny; tsy afaka mandainga Andriamanitra.

Noho izany, dia Izy no Mpahary ny tany araka izay nolazainy.

Noho izany, dia tena misy ny lanitra sy ny helo, araka izay nampianariny.

Noho izany, dia misy ny tontolon’ny fanahy izay novangiany taorian’ny nahafatesany.

Noho izany, dia Ho avy indray Izy araka ny nambaran’ilay anjely, ary “hanjaka eto an-tany mihitsy” [ Ireo fanekem-pinoana 1:10 ].

Noho izany, dia misy ny Fitsanganana amin‘ny maty sy ny Fitsarana farany ho an’ny olon-drehetra.

(D.Todd Christofferson, “Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty,” Liahona, mey 2014, 113).

  • Inona no mety hanampianao ny valinteninao tamin’ireo fanontaniana tany am-piandohan’ny lesona?

  • Ahoana no hanazavanao hoe inona ny atao hoe fitsanganana amin’ny maty amin’ny olona iray izay tsy mahafantatra an’io fampianarana io?

  • Misy fiantraikany amin’ny fankasitrahanao sy ny fitiavanao an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty?

Hevero ny hanome fahafahafana ireo izay tsy mahazo aina amin’ny fizarana mba haneho ny zavatra nianarany na tsapany teo am-pandalinana, ary farano amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainantsika amin’izao fotoana izao.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Nahoana no manan-danja amiko ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty?

Ao amin’ilay lahateniny manao hoe “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?” Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra ny fiantraikan’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty eo amintsika tsirairay (Liahona, mey 2021, 75–77).

Sahanasa fianarana fanampiny

Ireo fampianaran’ny Bokin’i Môrmôna

Hevero ny hanantitrantitra ny anjara asa manan-danja sahanin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fanampiana ny fahatakarantsika ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty. Asao ireo mpianatra hikaroka ao amin’ny andinin-tsoratra toy ny Môzià 15:19–20 ; Môzià 16:7–9 ; Almà 11:40–44 ; ary ny Môrmôna 9:13 , ka hitady ny zavatra ianaran’izy ireo momba ny fitsanganana amin’ny maty. Hevero ny hamela ny mpianatra hizara ny zavatra hitany, sady manantitrantitra ny zavatra izay tsy ho fantatsika momba ny Fitsanganana amin’ny maty raha tsy nisy ny fanomezana ny Bokin’i Môrmôna.