Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Lioka 2:36–39


Fifehezana fotopampianarana: Lioka 2:36–39

“Fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao”

Sary
The resurrected Jesus Christ (dressed in white robes) standing at the entrance to the Garden Tomb. Christ is portrayed looking toward the heavens.

Ao amin’ny fandalinanao ny Lioka 24:1–9, 36–48, dia nianatra momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ianao. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Lioka 24:36–39, ity lesona ity dia hanampy anao hampitombo ny fifehezana ny fotopampianaran’ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny alalan’ny fitadidiana ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, ny fanazavana ny fotopampianarana, ary ny fampiharana ireo fitsipika amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ao anatin’ny toe-javatra iray tena mitranga eo amin’ny fiainana.

Fitantanana fotoana. Ireo sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana dia tokony ho fohy sy mahomby. Aoka ianao hahay hifehy tena mandritra ny fanatontosana ireny sahanasa fampiharana ireny mba tsy handany fotoana be loatra.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianarany sy tsapany teo am-pandalinan’izy ireo ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ao amin’ny Lioka 24:1–9, 36– 48 .

Sahanasa fianarana azo atao

Tadidio sy hazavao

Tadidio fa taorian’ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane sy ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana dia nalaina ny vatany ka napetraka tao am-pasana. Telo andro taty aoriana dia nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy. Vakio ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Lioka 24:36–39 ary tsipiho ireo teny na andian-teny izay nampianarin’ny Mpamonjy ny mpianany taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Alaivo sary an-tsaina hoe asaina ianao hamaly izao fanontaniana manaraka izao ho an’ny fizarana “Fanontaniana sy Valiny” ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery!. Eritrereto ny zavatra azonao zaraina ao anatin’ny fehezan-teny 2–3 monja.

Raha toa ireo mpianatra ka tsy mahafantatra ny fizarana “Fanontaniana sy Valiny” ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery! dia hevero ny hizara ohatra avy amin’ny edisiôna vao tsy ela.

  • Inona no zavatra tena miavaka momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty?

Omeo fahafahana ny mpianatra hitadidina ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Lioka 24:36–39 sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina miaraka amin’izany. Ito ambany ito misy ohatra iray amin’ny fomba hanaovana izany.

Mba hizarana amin’ny fanaovana tsianjery io andinin-tsoratra masina io sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina dia zarao efatra ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Soraty ao amin’ny fizarana tsirairay ny andinin-tsoratra masina iray sy ny iray amin’ireo andian-teny (toy ny aseho eto ambany). Hevero ny hanao sary tsotra iray mifandray amin’izany na sary famantarana izay maneho ny tsirairay amin’ireo ampahany efatra ao amin’ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja. Averimbereno atao tsianjery ny tsirairay avy amin’izy ireo mandra-pahafahanao manao tsianjery azy rehetra tsy an-kijery.

  • Lioka 24:36–39

  • Fa ny matoatoa

  • tsy mba manana nofo sy taolana,

  • tahaka izao ahitanareo Ahy izao

Fizàrana mampihatra

Ampio ny mpianatra hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny alalan’ny famitana ny sahanasa etsy ambany ao anatin’ny 3–5 minitra eo ho eo. Hevero ny hangataka azy ireo hanao tatitra raha toa izy ireo ka afaka nanao tsianjery nitanisa ireo fitsipika telo, ary asao ireo izay vonona ny hizara ny fomba nampiasana ireo fitsipika ireo, na ny fomba azo hampiasana, eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Avereno jerena vetivety ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Mety ho fomba iray hanaovana izany ny mijery raha toa ka vitanao ny manao tsianjery mitanisa ireo fitsipika telo rehetra. Avy eo dia raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nampiasanao, na azonao hampiasana, ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainanao.

Izao dia manaova fanazarana mampiasa ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Lioka 24:36–39 amin’ny alalan’ny famakiana ity rafi-tantara manaraka ity sy ny famaliana ireo fanontaniana miaraka amin’izany.

Hevero ny hampifanaraka ity rafi-tantara manaraka ity amin’ny zavatra iainana mba hahatonga izany ho tena manan-danja ho an’ny mpianatra.

Ny iray amin’ireo namana akaiky anao indrindra, Rija, dia nanaiky ny handray ireo lesona ampianarin’ny misiônera ao an-tranonao. Vao haingana i Rija sy ny fianakaviany no nifindra teo amin’ny tanàna misy anao, ary tsy manana fahatakarana na fahalalana momba an’i Jesoa Kristy izy taloha. Rehefa nampianarina ny drafitry ny famonjena sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy i Rija dia toa tsy nahazo aina izany saingy tsy niteny na inona na inona. Avy eo, rehefa lasa ireo misiônera, dia lazainy aminao fa tsy mino ny foto-kevitra momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fiainana aorian’ny fahafatesana izy.

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia natao hanomezana fahafahana ireo mpianatra hizatra hampiasa samirery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Na ny iray kilasy na ao anatin’ny vondrona kely no ifanakalozan-kevitra momba ireo fanontaniana ireo dia ataovy izay hihainoana tsara ny mpianatra mba handrefesana ny fahafahany mampiasa samirery ireo fitsipika ireo. Raha mila fanampiana ny mpianatra dia hevero ny hanoro azy ireo amin’ny alalan’ny fanontaniana toy ireo eo ambanin’ny sasin-tenin’ny fitsipika tsirairay voatanisa etsy ambany.

  • Inona no azonao atao na lazaina mba hanampiana an’i Rija hahatakatra ny fanirianao hanampy azy?

  • Inona avy ireo fanontaniana mety hapetrakao mba hahatakarana bebe kokoa ny zavatra inoan’i Rija na ny mahatonga azy hino izany?

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny tsirairay amin’ireo fitsipika telo hahazoana fahalalana ara-panahy ireo mba hanampiana an’i Rija?

Manao asa am-pinoana

  • Inona no mety hanaovanao asa am-pinoana ao anatin’io toe-javatra io?

  • Inona no mety hozarainao amin’i Rija momba ny fanaovana asa am-pinoana? Nahoana izany no dingana manan-danja eo amin’ny fitadiavana ny valin’ireo fanontaniany ireo?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona avy ireo fanontaniana mety hapetrakao na ireo fahamarinana mandrakizay izay mety hijoroanao ho vavolombelona amin’i Rija rehefa miezaka ny hanampy azy ianao hijrery ny olany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Ahoana no mety hanampian’izany an’i Rija hanomboka hahatakatra izany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Inona no nanampy anao hahatakatra ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty sy ny anjara asan’izany ao amin’ny drafitry ny famonjena?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofinidin’ Andriamanitra

  • Inona avy ireo soratra masina manokana avy ao amin’ny Lioka 24 izay mety hampiasainao rehefa mamaly an’i Rija? Inona avy ireo loharano fanampiny izay mety ho azonao averina mialoha ny hamalianao azy? (Mety hanampy ny sasany amin’ireo fitaovana nohalalininao tamin’ny lesona teo aloha momba ny Lioka 24.)

  • Soratra masina inona ihany koa no hasainao hojeren’i Rija raha toa ka te handalina samirery bebe kokoa izy?

Rehefa avy nomena fotoana ireo mpianatra mba hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia asao izy ireo hisaintsaina ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny fahaizan’izy ireo mampihatra izany. Hevero ny hangataka ny mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo amin’ny fampiharana ireo fitsipika ireo amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Asao izy ireo hizara ny dikan’ireo fitsipika ireo amin’izy ireo.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Ampiasao mandritra ny lesona iray izay hampianarina ato ho ato ity sahanasa famerenana manaraka ity.Asehoy araka ny aseho eto ireto singa efatra izay ao amin’ny andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ho an’ny Lioka 24:36–39 manaraka ireto.

tsy mba manana nofo sy taolana,

Fa ny matoatoa

Lioka 24:36–39

tahaka izao ahitanareo Ahy izao

Asao ny mpianatra hanoratra io andinin-tsoratra masina io sy io andian-teny manan-danja io araka ny filaharany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.