Seminera
Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21


Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21

Topimaso ankapobeny

Taorian’ny nandevenana ny Mpamonjy, dia nahita ny fasana foana ireo mpianatra mahatoky. Nilaza ny anjely fa efa nitsangana tamin’ny maty ny Tompo. Niseho tamin’ny olona maro sy vondron’olona i Jesoa Kristy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Teo amoron-dranomasin’i Tiberiasy (Galilia), dia nisakafo niaraka tamin’ireo mpianany Izy ary nanasa an’i Petera haneho ny fitiavany Azy tamin’ny alalan’ny famahanana ireo ondriny.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Lioka 24:1–12, 36–48

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hampitombo ny fahatakaran’izy ireo ny fotopampianaran’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina sy hihevitra ny hitanisa ireo zavatra fantany momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny antony maha-zava-dehibe ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty amin’izy ireo manokana.

  • Votoatin-javatra haseho: Sarin’ny fasana foana tamin’ny fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty

  • Horonan-tsary:Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty” (15:41; jereo manomboka avy amin’ny mari-potoana 9:06 ka hatramin’ny 12:01).

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence:Azon’ireo mpianatra atao ny mampiasa ny fanaovana resadresaka an-tsoratra mba hamaliana fanontaniana isan-karazany. Ohatra, azon’ireo mpianatra atao ny mizara ny zavatra fantany momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny antony maha-zava-dehibe ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty amin’izy ireo manokana.

Fifehezana fotopampianarana: Lioka 2:36–39

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hampitombo ny fifehezany ny fotopampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty amin’alalan’ny fitadidiana ireo toko sy andininy sy andian-teny manan-danja ao anaty soratra masina, fanazavana ny fotopampianarana, ary fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy amin’ny fiainana andavanandro.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra izay nianarany sy tsapany rehefa nandalina ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty tao amin’ny Lioka 24:1–9, 36–48 .

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence:Zarao mandeha tsiroaroa anaty salles de discussions (sehatra ifanakalozan-kevitra) ireo mpianatra mba hahafahan’izy ireo mifanakalo hevitra momba ny fomba nanampian’ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy azy ireo teo amin’ny fiainany.

Matio 28; Lioka 24; Jaona 20

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona fa velona ny Mpamonjy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamaky ny Etera 12:5–9 miaraka amin’ity fanontaniana ity ao an-tsaina: Ahoana no ahafahanao mahafantatra fa velona i Jesoa Kristy na dia tsy hitanao aza Izy?

  • Votoatin-javatra haseho: Sarin’i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty

  • Horonan-tsary:Mankanesa aty Amiko” (17:36; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 16:18 ka hatramin’ny 16:47)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanasa vahiny isan-karazany hanatrika ny fotoam-pianarana mba hilalao ireo vavolombelona izay voalaza ao amin’ny lesona. Azon’izy ireo atao ny mizara ny zavatra izay niainany amin’ny iray kilasy toy ny hoe isan’ireo olona volaza ao anatin’ilay tantara izy ireo. Tsy mety ny hilalaovan’ny olona iray ny toeran’ny Mpamonjy.

Jaona 21:1–17

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra haneho ny fitiavany ny Mpamonjy rehefa miezaka manompo ny hafa tahaka ny nataony izy ireo.

  • Fiomanan’ny Mpianatra: Asao ireo mpianatra hamaky ny Jaona 21:15–17 any an-trano miaraka amin’ny fianakaviany na namany ary hifanakalo hevitra momba ny dikan’ny hoe hoe mamahana ny ondrin’ny Tompo.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence:Hevero ny hampiasa miaraka amin’ireo mpianatra ny fahafahana manao resadresaka an-tsoratra ao anatin’ity lesona ity. Ohatra, azo asaina ireo mpianatra handefa ireo fomba samihafa hamahanana ny ondrin’ny Tompo.

Tombano ny fianaranao 6

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanombana ny tanjona napetrany sy ny fivoarana azon’izy ireo manokana nandritra ny fandalinany ny Testamenta Vaovao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao mba hisaintsaina ny zavatra izay niainany tamin’ny fandalinana ny tapany voalohany amin’ny Testamenta Vaovao sy ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy ireo mpianatra. Amporisiho ireo mpianatra ho tonga vonona miaraka amin’ny zavatra izay nianarany na tsapany avy amin’ireoFilazantsara efatra (Matio, Marka, Lioka, ary Jaona) izay manan-danja amin’izy ireo.

  • Votoatin-javatra haseho: Ny fanoritsoritana ilay sary fo izay natao teo amin’ny solaitrabe ho an’ny sahanasa fanaovana tombana voalohany; ny andian-teny “Noho Izy dia…” voasoratra eo amin’ny solaitrabe ho an’ny sahanasa fanaovana tombana faharoa

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’alalan’ny visio-conférence: Ho an’ny sahanasa fanaovana tombana voalohany, dia azonao asaina ny mpianatra tsirairay hanao sary fo ho azy ireo manokana sy hitanisa ireo zavatra izay tian’izy ireo momba ny Mpamonjy. Avy eo dia manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hihazona tsirairay ny taratasiny eo amin’ny fakan-tsary (caméra) mba ho hitan’ny rehetra. Ho an’ny sahanasa fanaovana tombana fahatelo, dia hevero ny hanasa ireo mpianatra ho tonga ao an-dakilasy ka efa namita ny zavatra tokony havoakany amin’ny tamba-jotran-tserasera izy ireo. Ny fotoam-pianarana dia azo ampiasaina hamporisihana ireo mpianatra hizara ireo zavatra nosoratan’izy ireo tao amin’ny zavatra navoakany tamin’ny tamba-jotran-tserasera sy hijoroana ho vavolombelona.