Seminera
Jakoba 1


Jakoba 1

“Mangataha amin’ Andriamanitra”

Sary
Zatovovavy iray mivavaka eo amin’ny sisin’ny fandriany.

Tsapanao ve fa afaka mangataka fanampiana amin’ Andriamanitra ianao rehefa manana fanontaniana tsy voavaly na mila ny fahendreny amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra lehibe? Nanambara i Jakoba fa na iza na iza tsy manana fahendrena dia afaka “mangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra … ary dia homena azy izany” (Jakoba 1:5). Ity lesona ity dia natao hanamafisana ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa hanome fahendrena anao ny Ray any An-danitra ho valin’ny vavaka ataonao.

Mampianatra ny soratra masina sy ny tenin’ny mpaminany amim-pinoana sy ao anatin’ny fananana tanjona. “Ny zavatra imasoanareo voalohany, ny andraikitrareo izay tena ilaina ary hany andraikitrareo, dia ny mampianatra ny filazantsaran’ny Tompo Jesoa Kristy arak’izay nanambarana azy amin’izao andro farany izao. Ianareo dia natao hampianatra ity filazantsara ity, ka hampiasa ho loharano sy fahefana, ireo soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana sy ny tenin’ireo izay nantsoin’ Andriamanitra hitarika ny vahoakany amin’izao andro farany izao” (J. Reuben Clark Jr., The Charted Course of the Church in Education, edisiona nohavaozina [1994; lahateny natao tamin’ireo mpampianatra filazantsara ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 8 Aog. 1938], 10, ChurchofJesusChrist.org).

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamaky ny Jakoba 1:5–6 sy hieritreritra ireo lafin-javatra eo amin’ny fiainan’izy ireo izay ilana fahendrena na fitarihana avy amin’ Andriamanitra.

Sahanasa fianarana azo atao

Valiny manan-danja

Asehoy ireto safidy sy fanontaniana manaraka ireto. Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana amim-pahanginana ny valin-teniny alohan’ny handrosoana.

Jereo tsirairay ireto fanontaniana manaraka ireto ary saintsaino ireto zavatra tsirairay ireto: (1) Moa ve aho nahazo valiny avy amin’ Andriamanitra? (2) Moa ve aho mikatsaka valiny avy amin’ Andriamanitra izay tsy mbola azoko? (3) Mbola tsy liana amin’ny fikatsahana valiny ve aho?

  • Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ve no Fiangonana marina?

  • I Jesoa Kristy tokoa ve no Mpamonjy ahy?

  • Amin’inona no tokony hifantohako mba hahatonga ahy ho mpanara-dia an’i Jesoa Kristy tsara kokoa?

Asao ny mpianatra hizara ny sasany amin’ireo fanontaniana manan-danja hafa izay mety itadiavan’izy ireo sy ireo manodidina azy ireo valiny.

Rehefa mandalina ny tenin’ny Apôstôly Jakoba ao amin’ny Jakoba 1 ianao dia tadiavo ireo fitsipika afaka manampy anao hahita ny valin’ireo fanontaniana manan-danja eo amin’ny fiainanao.

Zarao ny tantaram-piainan’i Jakoba sy ny sahan-kevitra manodidina ny epistiliny. Mety hanampy ny sasany amin’ireto fampahalalana manaraka ireto. Raha tsy izany dia azo asaina mizara ny zavatra mety ho fantany momba an’i Jakoba sy ny epistiliny ireo mpianatra.

Vakio ity fampahalalana momba an’i Jakoba manaraka ity. Eritrereto ireo fanontaniana mety ho nikatsahany valiny nandritra ny androm-piainany.

  1. Azo inoana fa rahalahin’i Jesoa Kristy iray reny aminy izy (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Jakoba, Rahalahin’ny Tompo,” ChurchofJesusChrist.org).

  2. Tahaka ireo rahalahin’ny Tompo hafa rehetra, dia mety tsy nino izy tamin’ny voalohany fa i Jesoa no Kristy (jereo Jaona 7:3–5

  3. Taty aoriana i Jakoba dia lasa Apôstôly ary araka ny voalazan’ireo mpanoratra Kristianina tany am-boalohany dia lasa eveka voalohany an’ny Fiangonana tao Jerosalema izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 12:16–17; 21:17–18; Galatiana 1:18–19;2:9).

Vakio ny Jakoba 1:1 hahitana hoe tamin’iza i Jakoba no nanoratra.

Ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa “i Jakoba dia niresaka tamin’ny … olona izay tokony mbola hangonina, mbola tsy nandray ny filazantsara, ary tokony mbola hiditra ao amin’ny valan’i Kristy” (Doctrinal New Testament Commentary [1973], 3:243).

  • Inona avy ireo fanontaniana mety ho ananan’ny olona izay mbola tsy nandray ny filazantsara?

Vakio ny Jakoba 1:5–6 dia tadiavo ireo fahamarinana nampianarin’i Jakoba izay afaka manampy antsika rehefa manana fanontaniana manan-danja ary afaka manampy ireo izay mikatsaka ny fahamarinan’ny filazantsara. (Mety hanampy ny mahafantatra fa ny hoe mandatsa dia midika hoe mitsikera na mibedy.)

  • Inona no hitanao?

Henoy tsara ny valin-teny izay aroson’ireo mpianatra. Mety ilaina ny manontany ny mpianatra hoe nahoana no zava-dehibe ny zavatra hitany sy ny zavatra tsapany momba izany. Raha toa ka tsy mizara zavatra mitovy amin’ilay fitsipika etsy ambany izy ireo dia apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no zavatra ianaranao momba ny Rainao any An-danitra avy amin’ireo andininy ireo?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ireo mpianatra.

Fahamarinana iray hita ato amin’ity andalana ity ny hoe Andriamanitra dia hitahy antsika amin’ny fahendrena raha mangataka Aminy amim-pinoana isika.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mangataka amim-pinoana, tsy hiahanahana? ( Jakoba 1:6).

  • Nahoana no tian’ny Ray any An-danitra hitodika Aminy isika mba hahazo valiny?

Eo am-panohizanao ny fandalinanao dia eritrereto ireo hevitra sy fahatsapana ary zavatra niainanao rehefa nikatsaka fahendrena, na valin’ireo fanontanianao, avy amin’ Andriamanitra ianao.

Alohan’ny hanombohana ny ampahany manaraka amin’ny lesona dia mety hanampy ny mahafantatra fa ao amin’ny lesona manaraka “Fifehezana fotopampianarana: Jakoba 1:5–6 dia hasaina ny mpianatra handalina ny Joseph Smith—Tantara 1:8–17.

Ny ohatra nasehon’i Joseph Smith

Sary
I Joseph Smith Zanany aseho an-tsary nandohalika tao amin’ilay Ala Kely Masina nandritra ny Fahitana Voalohany. Misy tara-pahazavana hita avy eny amin’ny lanitra miditra amin’ireo hazo mankany amin’i Joseph.

Mety hanampy ny misaintsaina ohatra iray maneho ilay fitsipika fa hitahy antsika amin’ny fahendrena Andriamanitra raha mangataka Aminy amim-pinoana isika. Nisy fiantraikany lalina teo amin’i Joseph Smith ny fikatsahana fahendrena avy amin’ Andriamanitra.

Jereo ny horonan-tsary “Joseph Smith: Ilay mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny” manomboka amin’ny mari-potoana faha 5:07 ka hatramin’ny 8:42, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ka tadiavo ny fiantraikan’io fahamarinana io teo amin’ny fiainan’i Joseph.

  • Inona no tena nanohina anao tamin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith?

  • Inona no fiantraikan’ny valin-tenin’ Andriamanitra, izay tonga tao amin’ny Fahitana Voalohany, teo amin’ny fiainan’i Joseph? Inona no fiantraikan’izany teo amin’izao tontolo izao? Inona no fiantraikan’izany taminao?

Ny zavatra niainanao

Omeo fotoana ireo mpianatra hamitany izao manaraka izao ao amin’ny diary fandalinany:

Soraty ny eritreritra sy ny fahatsapana ary ny zavatra niainanao nandritra ny fikatsahana fahendrena avy amin’ Andriamanitra. Azo atao anisan’izany ity manaraka ity:

  • Ny eritreritrao sy ny fahatsapanao momba ny fahavononan’ Andriamanitra hamaly ny fanontanianao (jereo ny Jakoba 1:5–6).

  • Ny eritreritrao sy fahatsapanao momba ny zavatra niainan’i Joseph Smith tamin’ny fangatahana fahendrena tamin’ Andriamanitra.

  • Ny zavatra niainanao na iainanao ankehitriny amin’ny fikatsahana fahendrena avy amin’ Andriamanitra sy ny fahazoana valiny. (Ireo zavatra niainana ireo dia mety ahitana ny fikatsahana ny valin’ireo fanontaniana any am-piandohan’ny lesona.)

  • Ireo fomba tianao hikatsahana fahendrena avy amin’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao na amin’ny hoavy.

  • Ireo fahatsapana azonao avy amin’ny Fanahy Masina nandritra ity lesona ity ka mety hanampy anao.

Manasà mpianatra maromaro hizara ny hevitr’izy ireo. Miezaha mandray sy mihaino izay tiany hozaraina. Isaory izy ireo noho ny valin-teniny. Ireto manaraka ireto dia fanontaniana mety ho tohiny:

  • Inona no fahasamihafana misy eo amin’ireo eritreritra sy fahatsapana na zavatra niainana ireo teo amin’ny fiainanao?

  • Afaka mizara zavatra niainana mitovy amin’izany ve ny olona iray hafa ao an-dakilasy?

Raha toa ka manana fanontaniana mikasika ny fikatsahana fahendrena avy amin’ Andriamanitra ireo mpianatra dia azony atao ny mitadidy ireo fanontaniana ireo ho an’ny lesona manaraka hoe “Fifehezana fotopampianarana: Jakoba 1:5–6,” izay andalinana ny fomba ahafahan’ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy amin’ny fikatsahana fahendrena.

Mba hanampiana ireo mpianatra hanomana ity fanasana manaraka ity dia asehoy ny horonan-tsary “Origin” (4:57) araka ny soso-kevitra ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho”.

Eritrereto ny fahazaranao manokana mivavaka sy mangataka fahendrena ary valim-panontaniana avy amin’ Andriamanitra. Oviana no fotoana farany nangatahanao tamin’ny Rainao any An-danitra fahendrena na ny valin’ireo fanontanianao? Inona no ataonao anio hanombohana manontany amin-kitsimpo sy matetika kokoa? Raketo ao anatin’ny diarinao ny zavatra tsapanao fa tian’ny Ray any An-danitra hataonao noho ny zavatra nianaranao androany.

Mety hanampy ireo mpianatra ny mahafantatra fa ao amin’ilay lesona manaraka hoe (“Tombano ny fianaranao 11 dia hanana fotoana ianao hanaovana jery todika ny zavatra notapahinao fa hataonao noho ity lesona momba ny Jakoba 1 ity.

Mijoroa ho vavolombelona momba ny fitiavan’ Andriamanitra ny mpianatra tsirairay sy ny faniriany hitahy ny tsirairay amin’ny alalan’ny fanomezany fahendrena. Mijoroa ho vavolombelona fa hotahiana ny fiainan’izy ireo amin’ny alalan’ny fikatsahana fahendrena avy Aminy.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Nahoana no zava-dehibe ny mandray fahendrena avy amin’ Andriamanitra sy mahazo fijoroana ho vavolombelona ahy manokana avy Aminy?

Eritrereto ilay fanontaniana teo aloha rehefa mijery ilay horonan-tsary “Origin” (4:57) ianao, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Tena te hiresaka aminareo ve Andriamanitra? Eny! …

Tsy mila manontany tena mikasika izay marina ianareo [jereo ny Môrônia 10:5]. Tsy mila manontany tena ianareo hoe iza no azonareo itokiana. Amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana, no ahafahanareo mahazo fijoroana ho vavolombelona anareo manokana fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna, fa mpaminany i Joseph Smith ary ity no Fiangonan’ny Tompo. Na inona na inona mety holazain’ny hafa na hataony, dia tsy misy olona afaka hanaisotra ny fijoroana ho vavolombelona napetraka tao am-ponareo sy ao an-tsainareo momba izay marina. …

Mpanara-dia an’i Jesoa Kristy isika. Ny fahamarinana manan-danja indrindra azon’ny Fanahy Masina hijoroana ho vavolombelona aminareo dia hoe i Jesoa no Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra velona. Velona Izy!

(Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95–96)

Jakoba 1:6. Inona no dikan’ny hoe “mangataka amim-pinoana”?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny Jakoba 1:5–6 ary nanazava hoe:

Sary
Loholona David A. Bednar, sary ôfisialin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. 2020.

Jereo tsara ny zavatra takina ao anatin’ny fangatahana amim-pinoana izay raha ny fahatakarako azy dia ahitana ny hoe filana manao asa fa tsy hoe mangataka am-bava fotsiny, ilay adidy roa dia ny miangavy sy ny manatanteraka, ary ilay fitakiana mba hifandray sy hiasa. …

Tsy nifantoka tamin’ny zavatra nilainy ho fantarina fotsiny ihany ny fanontanian’i Joseph fa tamin’ny zavatra tokony hatao ihany koa! Ny vavaka izay nataony, dia tsy hoe “Aiza no Fiangonana marina?” Fa ny fanontaniany dia hoe: “Aiza no Fiangonana tokony hidirako?” Nandeha tany amin’ilay ala kely i Joseph mba hangataka tamim-pinoana, ary tapa-kevitra ny hanao zavatra izy.

Ny finoana marina dia mifantoka amin’i Jesoa Kristy Tompo sy ny momba Azy ary mitarika foana any amin’ny fanaovana asa tsara. … Mandroso hatrany isika ary maharitra ao amin’ilay asa mifono fanoloran-tena avy amin’ny vavaka, aorian’ny fitenenantsika hoe “amena,” amin’ny alalan’ny fandraisantsika andraikitra momba ireo zavatra izay nambarantsika tamin’ny Ray any An-danitra.

Ny fangatahana amim-pinoana dia mitaky fanaovana ny marina, ezaka, fanoloran-tena ary faharetana.

(David A. Bednar, “Mangataha amim-pinoana,” Ensign na Liahona, mey 2008, 94–95)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fijoroana ho vavolombelona ataon’ireo ray aman-dreny

Mba hanamafisana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny mpianatra momba ny vavaka, dia angataho ny ray aman-dreniny na ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana, iray na roa andro mialoha ny fotoam-pianarana mba hanoratra ny zavatra niainany tamin’ny fahazoana fahendrena avy amin’ Andriamanitra ho valim-bavaka. Vakio amin’ny iray kilasy ny tantara tsirairay. Amin’ny toe-javatra sasany dia mety mahasoa ny manome tahadikan’ny tantara ho an’ny mpianatra raha toa ka momba ny ray aman-dreniny na ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izany.

Torohevitra avy amin’ny mpaminany momba ny fikatsahana fahendrena avy amin’ Andriamanitra

Raha toa ka mahasoa ny mpianatra ny mandalina torohevitra fanampiny avy amin’ny mpaminany momba ny fikatsahana fahendrena avy amin’ Andriamanitra dia asao izy ireo haka minitra vitsivitsy hikarohana ireo loharano misy. Mety hitady teny toy ny hoe “Vavaka,” “Fanambarana,” na “Fijoroana ho vavolombelona” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile izy ireo. Ireto manaraka ireto dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay mety hofidiany ho ao anatin’ny fandalinana izay hataony: Ohabolana 3:5–6; 2 Timoty 3:15–17; 2 Nefia 28:30; Môzià 4:9; Môrônia 10:4–5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38; 8:2–3.

Fanoherana ny fakam-panahy

Ity hevitra manaraka ity dia mety ho ilaina amin’ny lesona hatao manaraka:

Asao ny mpianatra hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ahitana ireo fakam-panahy mahazatra izay atrehin’ny tanora.

Asao ny mpianatra hamaky ny Jakoba 1:12–16 mba hahitana ireo fahamarinana nampianarin’i Jakoba momba ny fakam-panahy. Mety hanampy ny manamarika fa ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Jakoba 1:12 dia manova ny hoe “maharitra fakam-panahy” ho “manohitra fakam-panahy” (jereo ny Jakoba 1:12).

Hevero ny hametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Nahoana no zava-dehibe ny fahalalana fa tsy loharanon’ny fakam-panahy velively Andriamanitra?

  • Inona no nanampy anao hanohitra fakam-panahy?

  • Ahoana no ahafahantsika mitodika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hanampy antsika handresy ny fakam-panahy?