Seminera
Jakoba 2


Jakoba 2

“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy”

Sary
Zatovo manao tetikasa fanompoana any Australie

Mety hisy fahasamihafana ve eo amin’ny olona iray izay milaza fa mino an’i Jesoa Kristy sy ny olona iray izay mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy? I Jakoba dia nanolotra fanavahana manan-danja hoe ny finoana marina an’i Jesoa Kristy dia tsy hita taratra fotsiny amin’ny zavatra izay eritreretin’ny olona iray na lazainy, fa amin’ny zavatra ataony ihany koa. Ity lesona ity dia hamela anao hamakafaka ny fomba ahafahanao mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy kokoa amin’ny alalan’ny fanaovana asa amim-pahamarinana.

Manampy ireo mpianatra ho mpandray anjara mavitrika. Eo am-piomanana hampianatra, dia mifantoha amin’ny zavatra izay hataon’ireo mpianatra. Amporisiho ny mpianatra mba hiezaka bebe kokoa hianatra avy amin’ny soratra masina sy avy amin’izy samy izy. Rehefa manao izany ny mpianatra, dia hitombo ny fahatokisan’izy ireo amin’ny fahafahany mianatra avy amin’ny soratra masina. Mety hampihatra bebe kokoa ny zavatra nianarany ihany koa ireo mpianatra.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra olona akaiky azy ireo anankiray izay manana finoana matanjaka an’i Jesoa Kristy. Raha azo atao dia asao ireo mpianatra hametraka fanontaniana toy izao manaraka izao amin’ilay olona: “Ahoana no fiantraikan’ny finoanao an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fihetsikao sy ny fitondrantenanao? Inona no zavatra izay ataonao amin’ny fomba hafa noho ny finoanao an’i Jesoa Kristy?” Asao ireo mpianatra mba ho vonona hizara ny zavatra izay nianarany.

Sahanasa fianarana azo atao

Fandraisana fitahiana—toy ny fandrehetana afo

Hevero ny hanao sarina afo eny amin’ny solaitrabe.

Mitady fitahiana na valim-bavaka avy amin’ny Ray any An-danitra ve ianao? Mety hanampy ny mampitaha ny fizotry ny fikatsahana ireo fitahiana ireo amin’ny fandrehetana afo mba hahazoana hazavana sy hafanana.

  • Inona avy ireo dingana tokony hataonao raha handrehitra afo?

  • Inona no maha zava-dehibe ny fampirehetana afokasoka anankiray?

Vakio ity teny izay nataon’ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity mba hianarana ny maha toy ny fandrehetana afo ny fandraisana fitahiana. Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Abound with Blessings,” izay azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:02 ka hatramin’ny 3:27.

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, janoary 2016.

Aoka isika hampitaha ny fitahiana avy any an-danitra amin’ny antontan-kazo goavana. … [Io] antontan-kazo io dia misy solika betsaka, ka afaka mamoaka hazavana sy hafanana mandritra ny andro maro.

Mba hampivoaka ny angovo ao anatin’ilay antontan-kazo dia tsy maintsy akasoka amin-javatra ilay afokasoka ary ny hazo kely fampirehetana mila mirehitra. Vetivety dia handray afo ny hazo fampirehetana ka hahatonga ireo hazo lehibebe kokoa hirehitra.

Ny fanakasohana ilay afokasoka amin-javatra sy ny fandrehetana ilay hazo kely fandrehitra dia fihetsika kely izay mahatonga ny angovo ananan’ilay hazo hivoaka. Mandra-pikasohana ilay afokasoka amin-javatra dia tsy misy na inona na inona mitranga, na manao ahoana na manao ahoana haben’ilay antontan-kazo.

Toy izany koa, ny ankamaroan’ireo fitahiana izay irin’ Andriamanitra omena antsika dia mitaky ny hanaovantsika zavatra—zavatra atao mifototra amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. … Ny asa izay takina anefa dia kely foana raha ampitahaina amin’ireo fitahiana izay azontsika any amin’ny farany.

(Dale G. Renlund, “Be fitahiana,” Liahona, mey 2019, 70)

  • Inona no hevi-baovao azonao avy amin’ny fanoharana nataon’ny Loholona Renlund?

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe manao asa “araka ny finoantsika an’i Jesoa Kristy”?

Hevero ny hamela ireo mpianatra hisaintsaina sy hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana no hoe manana finoana an’i Jesoa Kristy ianao? Inona no asa ataonao noho io finoana io?

  • Inona no valim-bavaka sy fitahiana hafa azonao avy tamin’ Andriamanitra rehefa nampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy ianao? Moa ve misy zavatra fanampiny tsapanao fa tian’ny Tompo hataonao amim-pinoana? Nahoana?

Mivavaha amin’ny Ray any An-danitra mba hitarihany anao rehefa mikatsaka ny valin’ireo fanontaniana ireo ianao mandritra ny fandalinanao.

Finoana an’i Jesoa Kristy

I Jakoba dia nampiasa fanoharana hafa mba hampianarana antsika ny maha zava-dehibe ny fanaovana asa mifototra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Vakio ny Jakoba 2:14–16, ary ezaho alaina sary an-tsaina ny mety ho eritreritrao raha mahita an’io toe-javatra io ianao. (Ny teny hoe “mitanjaka” ao amin’ny andininy 15 dia midika hoe ratsy akanjo.)

Hevero ny hanasa mpianatra anankiroa ho eny aloha. Angataho ny iray amin’izy roa mba hanao toy ny hoe mpangataka ary ny iray hafa mba hanao toy ny olona afaka manampy ilay mpangataka. Manasà mpianatra iray fahatelo mba hamaky mafy ny Jakoba 2:15–16 eo am-pilalaovan’ireo mpianatra roa ny zavatra izay voalaza ao amin’ireo andininy ireo.

  • Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny fanoharana nataon’i Jakoba?

Vakio ny Jakoba 2:17–18, 26 (jereo ihany koa ny Jakoba 1:22) ary tadiavo ny fahamarinana iray nasehon’i Jakoba tamin’ny alalan’io fanoharana io.

  • Ahoana no azonao hamintinana ny zavatra izay nampianarin’i Jakoba?

Ny fomba iray hilazana ny fahamarinana nampianarin’i Jakoba dia ny hoe ny finoana marina an’i Jesoa Kristy dia mitaky fanaovana asa amim-pahamarinana.

  • Araka ny eritreritrao, nahoana no tian’i Jesoa Kristy hampiasa ny finoantsika isika?

Mety hanampy ny manamarika fa iray amin’ireo fampianarana izay miverimberina foana ao amin’ny taratasin’i Jakoba ny hoe tokony hikarakara ny mahantra sy ny marary ary ny sahirana isika (jereo ny Jakoba 1:27; 2:1–9; 5:14–15). Ny fihetsika toy izany dia maneho ny finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Ahoana no mety hanosehan’ny fahatsiarovana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny hatsarany antsika mba hampihatra ny finoantsika?

Ohatra amin’ny fanaovana asa amim-pinoana

Mety hanentana ny fanahy ny mieritreritra ohatra momba ireo izay manao zavatra araka ny finoany an’i Jesoa Kristy. Vakio ny Jakoba 2:21–25, ary mitadiava ohatra momba ireo olona izay nanao asa tamim-pinoana tao amin’ny Testamenta Taloha.

Raha toa ka manampy, dia mametraha fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Inona no niantsoana an’i Abrahama noho ny asany? (jereo ny Jakoba 2:23). Araka ny eritreritrao, nahoana no nitarika tamin’ny fahazoany io anarana fiantsoana azy io ny asa mahatoky izay nataony?

  • Araka ny hevitrao, amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny asantsika manampy amin’ny fanamafisana orina sy ny fanatanterahana ny finoantsika? (jereo ny Jakoba 2:22).

Mety hanampy koa ny manazava fa nampihatra ny finoany i Rahaba tamin’ny fanaovana vy very ny ainy mba hiarovana ny mpanompon’ Andriamanitra (jereo ny Josoa 2:1, 3; 6:17, 23, 25; Hebreo 11:31).

Hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hanoratra ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny tapa-taratasy roa. Afaka mampiasa ny fanomanana ny mpianatra asaina ataony ao amin’ity sahanasa ity ny mpianatra.

  • Iza no olona azonao eritreretina, na avy amin’ny fiainanao izany na avy amin’ny soratra masina, izay maneho ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy? Inona no ianaranao avy amin’io ohatra io?

  • Amin’ny lafiny inona anankiray no maha ohatra amin’ny fanaovana asa am-pahamarinana an’i Jesoa Kristy? Ahoana no hanampian’ny asa am-pahamarinana ataontsika antsika ho tonga tahaka Azy kokoa?

Rehefa avy nanoratra ny valinteniny ireo mpianatra, dia asao izy ireo hamoritra ireo tapa-taratasy roa ary hihazona ny iray amin’ny tanany tsirairay avy. Afaka mivezivezy eraky ny efitrano ny mpianatra avy eo ary misafidy olona iray izay hizarany ny valinteniny. Avy eo dia afaka misafidy ny tanana havanana na ankavian’ilay mpianatra iray hafa ny mpianatra tsirairay avy mba hihainoany ny valinteniny. Afaka mamerina io sahanasa io miaraka amin’ny mpianatra hafa ireo mpianatra.

Manokatra fitahiana amin’ny alalan’ny fanaovana asa am-pinoana nentanim-panahy

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome izao fanamby manaraka izao mikasika ny finoantsika sy ny asa ataontsika:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Mitaky ezaka ny fahombiazana amin’ny zava-drehetra. Tsy maningana amin’izany ny fahalasana ho mpianatra marina an’i Jesoa Kristy. Mitaky ezaka ny fampitomboana ny finoanao sy ny fahatokianao Azy.”

…Inona no hataonao raha toa ka nanam-pinoana bebe kokoa ianao? Saintsaino izany. Soraty. Ary avy eo dia mandraisa finoana misimisy kokoa amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra izay mitaky finoana bebe kokoa .

(Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, 2021, 103)

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no hataonao raha toa ka nanam-pinoana bebe kokoa ianao?

  • Inona avy ireo dingana azonao atao mba hanaovana asa mifanaraka amin’ny fahatsapana anananao?

Makà iray minitra hanombohana mampihatra ireo zavatra tsapanao. Ohatra, miankina amin’izay heverinao fa tokony hatao, ianao dia afaka mandefa hafatra an-tsoratra, manolotra vavaka, mametraka fampahatsiahivana ao amin’ny kalandrie, na manomana izay zavatra hataonao manaraka.

Anontanio raha toa ka misy mpianatra afaka ka tsy mampanina azy ny mizara ny zavatra natombony na nokasainy hatao. Ny fizarana ny hevitra dia afaka manentana ny mpianatra hafa.

Hevero ny hizara fijoroana ho vavolombelona na zavatra niainana manokana mikasika ny antony tokony hamolavolan’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny zavatra izay ataontsika.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Moa ve ny fampianarana sy ny asa izay nataon’i Jakoba momba ny finoana nanohitra ny fampianaran’i Paoly?

Raha ny sahan-kevitry ny Jakoba 2:14 dia nampiasain’i Jakoba tamin’ny heviny hafa izay tsy nitovy tamin’ny nampiasan’i Paoly Apôstôly izany ilay teny hoe asa. Rehefa nampiasa ny teny hoe asa i Paoly, dia niresaka voalohany indrindra momba ny asa ao amin’ny lalàn’i Mosesy (jereo ny Romana 3:27–31 sy ny Galatiana 2:15–16). Rehefa nampiasa ny teny hoe asa i Jakoba, dia ireo asa feno fanolorantena na ireo asan’ny fahamarinana no tiany hambara.

Ny finoana tsy arahin’asa dia maty, fa ahoana kosa ny asa tsy misy finoana?

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona David A. Bednar, sary ôfisialin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. 2020.

Ny finoana marina dia mifantoka amin’i Jesoa Kristy Tompo sy ny momba Azy ary mitarika foana any amin’ny fanaovana asa tsara. … Ny fanaovana asa fotsiny dia tsy finoana ny Mpamonjy, fa ny fanaovana zavatra mifanaraka amin’ireo fitsipika marina no singa fototry ny finoana.

(David A. Bednar, “Ask in Faith,” Ensign na Liahona, May 2008, 95)

Sahanasa fianarana fanampiny

Jakoba 1:22. “Aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany”

Asao ny mpianatra hitady ireo fampianarana izay manampy azy ireo hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy.

Jakoba 2:9. “Fa raha mizaha tavan’olona kosa ianareo, dia manota”

Ity fitsipika ity dia azo ampianarina ho ohatra amin’ny fomba ahafahantsika maneho ny finoantsika amin’ny alalan’ny asa izay ataontsika. Misafidiana an-kisendrasendra mpianatra anankiray ary omeo zavatra kely anankiray izy. Lazao amin’ny iray kilasy fa nanolotra fanomezana an’io mpianatra io ianao noho ny antony tsy neritreretina firy (toy ny lokon’akanjo izay nanaovan’izy ireo). Mametraha fanontaniana toy ny hoe: “Ahoana no fahatsapanareo tamin’ny nataoko tamin’io mpianatra io? Nahoana isika indraindray no mampiseho fiangarana amin’ny hafa?” Manasà mpianatra anankiray hamaky mafy ny Jakoba 2:1–4. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nampitandreman’i Jakoba ny Olomasina. Inona no hitan’izy ireo? Ahoana no fomba hanalavirana ny fiangarana ny olona sasany mihoatra ny hafa?

Asao ireo mpianatra hamaky ny Jakoba 2:8 amim-pahanginana ary hikaroka ny zavatra nampahatsiahivin’i Jakoba an’ireo Olomasina fa tokony hataon’izy ireo izay hanampy azy ireo hanaisotra ny fiangarana. Angataho ireo mpianatra mba hieritreritra olona anankiray fantany izay maneho fitiavana mitovy amin’olona maro miaina toe-javatra samy hafa. Asao ireo mpianatra hizara hoe iza no neritreretiny ary nahoana. Ahoana no nanehoan’i Jesoa Kristy ny fitiavana ny hafa amin’ny fomba mitovy? Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fomba mety hanarahany tsara kokoa ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fomba fijeriny sy fiahiany ny hafa.

Jakoba 2:19–20. Ny fananana finoana an’ Andriamanitra dia tsy mitovy amin’ny fanekena fotsiny fa misy Izy

Ity sahanasa ity dia azo ampianarina aorian’ny teny nambara na horonan-tsary misy ny Loholona Renlund ary ireto fanontaniana manaraka ireto. Ahoana no ahafahan’ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fifandraisan’ny finoana sy ny asa? Asao izy ireo hamaky ny Jakoba 2:19–20, ary hitady ny ohatra nomen’i Jakoba mba hampisehoana fa afaka mino an’ Andriamanitra ny olona na dia tsy manana finoana an’ Andriamanitra aza. Inona no hitan’ireo mpianatra? Ahoana no hamariparitan’izy ireo ny fahasamihafana misy eo amin’ny fananana finoana an’ Andriamanitra sy ny mino an’ Andriamanitra?