Seminera
Romana 2–3


Romana 2–3

Fanamarinana amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy

Sary
Sary nalaina avy tamin’ny horonantsarin’ny ComeUntoChrist.org tamin’ny 2019.

Tia an’ireo Olomasina Romana i Paoly ary naniry ny hanampy azy ireo mba ho tafaray amin’ny alalan’ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy izy. Ireo Jiosy sy Jentilisa niova fo dia samy nila fanampiana mba hahatakarany mikasika ny fianteherany amin’i Jesoa Kristy sy ny fomba handraisana ireo fitahian’ny Sorompanavotany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny ilantsika rehetra ho voavela heloka, na hohamarinina, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Mila an’i Jesoa Kristy ny olon-drehetra

Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ny sarin’ity toe-javatra manaraka ity:

Alaivo sary an-tsaina hoe eo amin’ny lalana mankany amin’ny toerana irinao fatratra ianao. Rehefa mandroso anefa ianao dia mahita sakana na rindrina manakana ny lalanao. Manakana ny fandrosoanao rehetra ilay sakana ary tsy vitanao irery ny miampita izany.

Asio marika hoe Ny fanatrehan’ Andriamanitrailay toerana haleha.

  • Nahoana no irianao ny fiverenana eo anatrehan’ Andriamanitra?

Avy amin’ny kolontsaina sy fiaviana samihafa ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny andron’i Paoly. Ny hany zavatra nitovizan’izy rehetra dia izy ireo nanota ka tsy mendrika ny hiditra ho eo anatrehan’ Andriamanitra. Rehefa mandalina ny Romana 2–3, ianao dia katsaho ny hahatakatra ny zavatra nataon’ny Ray any An-danitra sy ny Zanaka Malalany mba hahafahan’ny olona rehetra mandresy ilay sakana izay manakana azy ireo tsy hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra.

Mba hahatakarana bebe kokoa ny fampianaran’i Paoly ho an’ny Romana dia mety hanampy ireto famaritana manaraka ireto:

  • Fanamarinana, manamarina, hamarinina: “Afahana amin’ny famaizana noho ny ota ka ambara ho tsy manan-tsiny. Hamarinin’ny fahasoavan’ny Mpamonjy ny olona amin’ny alalan’ny finoana Azy. Aseho amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara izany finoana izany. Ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mamela ny olombelona hibebaka sy hohamarinina na ho voavela heloka ka tsy hiharan’ny famaizana izay tokony ho nihatra taminy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fanamarinana, Manamarina,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Finoana: “Fahazoana antoka sy ny fitokiana an’i Jesoa Kristy, izay mitarika ny olona hankatò Azy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Finoana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Ny lalàna: Ity teny ity dia entina ilazana ny lalàn’i Mosesy sy ireo asa ivelany mifandray amin’izany, na “asa” (jereo ny “7–13 aogositra. Romana 1–6: Ny Herin’ Andriamanitra ho amin’ny famonjena,-” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023; jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Lalàn’i Mosesy,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Fahasoavana: Ny fitahiana, ny famindram-po, ny fanampiana, ary ny tanjaka ananantsika noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Bible Dictionary, “ Fahasoavana ”).

Vakio ny Romana 3:10–12, 20–23, ary tadiavo ny fomba namariparitan’i Paoly ny sakana eo amintsika sy Andriamanitra.

  • Inona avy ireo andian-teny avy amin’ny fampianaran’i Paoly izay manampy antsika hahatakatra ny atao hoe sakana?

Soraty eo amin’ilay sakana amin’ny sary nataonao ireo andian-teny ireo. Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F Uchtdorf ity, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary mitadiava fahatakarana fanampiny momba ny zavatra asehon’ilay sakana:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Koa satria isika rehetra samy efa “nanota, ary tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra,” [Romana 3:23] ary satria koa “tsy afaka miditra ny fanjakan’ Andriamanitra rehefa zavatra tsy madio” [1 Nefia 15:34], dia tsy mendrika ny hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra isika tsirairay avy.

Na dia manompo an’ Andriamanitra amin’ny fanahintsika manontolo aza isika, dia tsy ampy izany, ary dia mbola ho “mpanompo tsy mahasoa” ihany isika” [Môsià 2:21]. Tsy afaka mahazo ny lalantsika mankany an-danitra isika. Ny fitakian’ny fahamarinana no hijoro ho toy ny sakana izay tsy vitantsika ny mandresy azy amin’ny herin’ny tenantsika manokana.

(Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Liahona, mey 2015, 108)

Eritrereto ireo lafin-javatra izay mbola mamparefo anao na ireo fahotana izay ezahinao resena.

Vakio ny Romana 3:24–28 (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny andininy 24, fanamarihana amban’in’ny pejy a), ary tadiavo izay nampianarin’i Paoly momba ny hany fomba hanamarinana antsika, na hamelana ny fahotantsika.

Fahamarinana iray azonao ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe amin’ny alalan’ny fanekena amim-pahatokiana an’i Jesoa Kristy, ny olombelona rehetra dia afaka ny hohamarinina amin’ny alalan’ny fahasoavany.

  • Inona no eritreritra na fahatsapana anananao rehefa misaintsaina an’io fahamarinana io ianao?

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny fomba ahafahan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy manova ny fomba fijerintsika ny fahotantsika sy ny tsy fahatanterahantsika:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Ny Sorompanavotana tsisy fetra nataon’ny Mpamonjy dia manova tanteraka ny fomba fijerintsika ny fandikan-dalantsika sy ny tsy fahatanterahantsika. Afaka mianatra avy amin’izy ireny isika ka ho feno fanantenana toy izay hitanondrika ao amin’izy ireny ka hahatsapa ho tsy azo havotana na very fanantenana. Ny fanomezana manadion’ny fibebahana dia manafaka antsika hamela any amin’ny lasa ireo fahotantsika ka ho tonga olom-baovao isika.

Noho i Jesoa Kristy, ireo tsy fahombiazantsika dia tsy voatery hamaritra antsika. Afaka manefy antsika izy ireny.

(Dieter F. Uchtdorf, “Eo anivontsika Andriamanitra,” Liahona, mey 2021, 8–9)

  • Manao ahoana ny fomba fijerinao ny fahadisoanao sy ny tsy fahatanterahanao raha ampitahaina amin’ny zavatra nofaritan’ny Loholona Uchtdorf?

Ampio fanehoana ny fomba nanampian’i Jesoa Kristy antsika handresy ilay sakana ny sary ataonao.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana no manova ny fomba fahitantsika an’i Jesoa Kristy ny fahatakarana fa samy manota isika rehetra ka mila famonjena?

  • Inona no hevi-baovao, na fihetseham-po, na fahatsapana anananao noho ny zavatra nianaranao tao amin’ity lesona ity?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana no ahafahako mahatakatra bebe kokoa ny fanamarinana?

Ny Loholona D.Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ny dikan’ny hoe fanamarinana:

Sary
Sarin’ny Loholona D. Todd Christofferson. Nalaina tamin’ny martsa 2020.

Noho “ilay toetra tsisy fiafarana ananan’ny Sorompanavotany lehibe,” dia afaka manatanteraka na “manefa ny fitakian’ny lalàna” ho antsika i Jesoa Kristy. Tonga amin’ny alalan’ny fahasoavan’ilay nanefa ny fitakian’ny lalàna tamin’ny alalan’ny fijalian’ny tenany ny famelan-keloka. … Nanaisotra ny fanamelohana antsika Izy kanefa tsy nanaisotra ny lalàna. Voavela heloka isika ary apetraka ao amin’ny toetry ny fahamarinana miaraka Aminy. Lasa toa Azy isika, tsy manam-pahotana. Tohanan’ny lalàna sy ny fahamarinana isika ary arovany. Raha lazaina amin’ny teny iray dia nohamarininaisika.

Toy izany ny olona izay azontsika lazaina fa nohamarinina satria navela heloka, tsy manam-pahotana na tsisy tsiny.

(D. Todd Christofferson, “Justification and Sanctification,” Ensign, June 2001, 20)

Nahoana no mila an’i Jesoa Kristy izao tontolo izao?

Jereo ny horonantsary “Why We Need a Savior (Nahoana isika no mila Mpamonjy)” (2:15), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Nanelingelina ny drafitry ny Ray any An-danitra ve ny fahotana?

Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, hoe:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Efa fantatry ny Raintsika any An-danitra mialoha ny nahatongavantsika teto amin’ity fiainana an-tany ity fa hisy hery ratsy haka fanahy antsika hiala amin’ny lalantsika, “fa samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra” [Romana 3:23]. Izany no antony nanomanany fomba hanaovantsika fanitsiana. Amin’ny alalan’ny dingan’ny fibebahana marina izay feno famindrampo sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, dia azo avela ny fahotantsika ary “tsy ho very … fa hanana fiainana mandrakizay” [Jaona 3:16].

(Dieter F. Uchtdorf, “A Matter of a Few Degrees,” Liahona, mey 2008, 60)

Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa nilaza izy fa “ireo Jentilisa … dia manao izay nandidian’ny lalàna araka ny nahim-pony”? (Romana 2:14)

“Fantatr’i Paoly fa nanana fiainana madio ara-pitondrantena ny Jentilisa sasany. … Nanaraka ny Fahazavan’i Kristy ireo Jentilisa ireo, izay -voataona ho amin’ny tsara eo amin’ny fiainan’ny olon-drehetra (Jaona 1:9; F&F 84:46–47)- [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahazavana, Fahazavan’i Kristy,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org]. Na dia tsy nanana ny lalàn’i Mosesy aza izy ireo, dia nilaza i Paoly fa maneho -ny asan’ny lalàna ho voasoratra ao am-pony izy ireo-(Romana 2:15)” (“Romana 1–3,” ao amin’ny Boky torolalana ho an’ny mpianatra, Testamenta Vaovao [2018], 337).