Seminera
Matio 5:1–12


Matio 5:1–12

Ny Fahasambarana

Sary
Jesus Christ sitting on a hillside preaching to a crowd of people. Mountains and sea are visible in the background. A reproduction by Grant Romney Clawson of the original “Sermon on the Mount” by Harry Anderson.

Hanombohana ny toriteny teo an-tendrombohitra dia nampianatra ny fomba ahafahan’ny olona ho sambatra sy voatahy ny Mpamonjy. Nilaza ny Filoha Harold B.Lee (1899-1973) fa ireo fampianarana ireo “raha ny marina dia mirakitra ny foto-pitsipika ho amin’ny fiainana lavorary” (Teachings of Presidents of the Church: Harold B. Lee [2000], 200). Ity lesona ity dia hanampy anao hamantatra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy sy hanao drafitra hamboly azy ireo eo am-pikatsahanao ny fahasambarana sy ny fahalavorariana.

Mitombo fahasambarana

Sary
Tonga. Group of young men and young women eating.
  • Oviana ianao no tena nahatsiaro hoe sambatra?

  • Naharitra ve ilay fahasambarana? Inona araka ny hevitrao no nampaharitra na tsy nampaharitra izany?

Rehefa nanomboka ny fanompoany ny Mpamonjy dia nitoriteny teo akaikin’ny Ranomasin’i Galilia Izy. Io toriteny io no antsoina matetika hoe ny Toriteny teo an-tendrombohitra ary voarakitra ao amin’ny Matio 5–7 . Rehefa namangy an’ireo Nefita ny Tompo, dia nanao toriteny nitovy tamin’izany Izy (jereo ny 3 Nefia 12–14).

Ny Matio 5:1–12 dia fantatra amin’ny hoe Fahasambarana, izay avy amin’ny teny Latina hoe “fitahiana” na “fifaliana.” Ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo i Jesoa dia nilaza ireo toetra izay ananany sy ny Rainy izay mitondra mankany amin’ny tena fahasambarana eto amin’ity fiainana ity sy amin’ny fiainana ho avy. Ny fampivoarana ireo toetra ireo dia hanampy anao hanahaka bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Vakio ny Matio 5:1–12 ka tadiavo sy asio marika ireo toetra izay nampianarin’ny Mpamonjy sy ireo fitahiana ampanantenaina amin’ny toetra tsirairay.

Sary
Tonga. Group of young men and young women eating.

Fitsipika iray hitantsika avy ao amin’ireo andininy ireo ny hoe rehefa mamboly toetra tahaka ny an’i Kristy isika, dia hahita fahasambarana bebe kokoa.

  • Araka ny hevitrao, amin’ny fomba ahoana ny fomba fiainan’ny Mpamonjy no mitondra fahasambarana ho Azy?

Mianara iray na maromaro amin’ireto toetra manaraka ireto. Diniho ny fomba entin’ny fambolena ilay toetra sy ny fahazoana ny fitahiana nampanantenaina amin’izany amin’ny fanampiana anao mba ho sambatra.

Ny Fahasambarana

Toko sy andininy

Toetra

Matio 5:3; 3 Nefia 12:3

Malahelo am-panahy Manetry tena, na “miaiky amim-pankasitrahana ny fiankinantsika amin’ny Tompo, mahatakatra fa mila fanampiany tsy tapaka isika. Ny fanetrentena dia ny fanekena fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra ireo talenta sy fahaiza-manao izay ananantsika” (Gospel Topics, “Humility,” topics.ChurchofJesusChrist.org).

Matio 5:4

Ory. Mahatsiaro sy maneho alahelo amin’ny zavatra iray. Ny olona iray dia mety ho ory amin’ireo fizahan-toetra izay iainany na iainan’ny hafa. Mety ho ory ihany koa ny olona iray noho ny alahelo vokatry ny fahotana.

Matio 5:5

Malemy fanahy. “‘Matahotra an’ Andriamanitra, marin-toetra, manetry tena, azo ampianarina ary manam-paharetana amin’ny fahoriana’ [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ‘Halemem-panahy,’ scriptures.ChurchofJesusChrist.org]. Ireo izay manana io toetra io dia vonona ny hanaraka an’i Jesoa Kristy ary ny toetra voajanaharin’izy ireo dia tony sy mora manaiky, tia mandefitra ary mpanoa.” (Ulisses Soares, “Aoka ho malemy fanahy sy mietry am-po,” Liahona, nôv. 2013, 9).

Matio 5:6; 3 Nefia 12:6

Noana sy mangetaheta ny fahamarinana. Manana hetaheta lehibe hahafantatra sy hanao ny sitrapon’ Andriamanitra.

Matio 5:7

Miantra. “Mangoraka, manaja, mamela heloka, malemy fanahy, sy maharitra, na dia fantatsika aza ny lesoka izay ataon’ny hafa” (Gospel Topics, “Mercy,” topics.ChurchofJesusChrist.org).

Matio 5:8

Madio am-po. Anisan’ireo izay “tia ny Tompo, sy mikatsaka ny hanaraka Azy sy ny hitandrina ny didiny, ary miezaka miaina fiainana mendrika sy maharitra am-pahatokiana hatramin’ny farany. Ny madio am-po dia ireo izay mahafehy ny eritreriny mba tsy hampirona azy amin’ny fihevitra sy fihetsika tsy mendrika” (Sheldon F. Child, “Words of Jesus: Chastity,” Ensign na Liahona, janoary. 2003, 44).

Matio 5:9

Mpampihavana. “[M]anampy ny olona hahita marimaritra iraisana raha ny hafa kosa mahita fahasamihafana” (Henry B. Eyring, “Mianatra ao amin’ny fisoronana,” Liahona, mey 2011, 63).

Matio 5:10–12

Enjehina noho ny fahamarinana. Vonona hankatò sy hiaro an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany, na dia mety hoesoesoina na hampijaliana noho ny fanaovana izany aza isika.

1.

  • Tamin’ny fomba ahoana ny Mpamonjy no naneho ny iray na maromaro amin’ireo toetra ireo tao amin’ny Soratra Masina na teo amin’ny fiainanao?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao ny fambolena ny toetra na ireo toetra nosafidinao dia hampitombo ny fahasambaranao? Nahoana?

Mamantatra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ao aminao

Ataovy ity fanadihadiana manaraka ity. Natao hanampiana anao hamantatra ireo toetra efa asehonao sy ireo izay tianao hambolena tanteraka kokoa izany.

Mametraha isa 1 hatramin’ny 5 eo akaikin’ireto toetra tahaka ny an’i Kristy manaraka ireto (ny 1 dia midika fa “tsy mbola nambolena tsara” ary ny 5 midika fa “efa tena nambolena tsara”).

__ Malahelo am-panahy aho__ Malahelo ny hafa aho rehefa malahelo izy ireo ary mahatsapa alahelo ihany koa aho rehefa manota.__ Malemy fanahy aho.__ Noana sy mangetaheta fahamarinana aho.__ Miantra aho.__ Madio am-po aho.__ Mpampihavana aho.__ Mahatoky aho na dia voaenjika noho ny finoako.

Fantaro ireo toetra izay tsy manahirana anao ny mamboly azy, ary misaora an’ Andriamanitra amin’ny ezaka ataonao mba hitovizanao bebe kokoa Aminy sy Jesoa Kristy. Saintsaino ireo toetra izay tianao hambolena bebe kokoa, ary mangataha amin’ Andriamanitra mba hanampy anao hamboly izany.

Raha toa ka sahirana ianao mamantatra ireo toetra izay efa tsara na mila ovaina, dia mety hanampy ny firesahana amin’ny ray aman-dreny na olona hafa azo itokisana. Angataho izy ireo mba hamantatra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay hitany any aminao sy ireo izay azonao hatsaraina kokoa.

Ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny fambolena ireo toetra tahaka ny an’i Kristy.

Tsy maintsy mila ny fanampian’ny Mpamonjy isika rehefa mamboly toetra tahaka ny an’i Kristy. Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia manazava fa:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny toetra tahaka ny an’i Kristy. Tsy azo hambolena izany raha tsisy ny fanampiany. Ny fanampiana iray izay ilaintsika rehetra dia omena antsika maimaimpoana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia midika ho fiankinana Aminy tanteraka, fatokiana ny heriny, sy ny faharanitan-tsainy ary ny fitiavany tsy manam-petra. Tonga eo amin’ny fiainantsika ny toetra tahaka ny an’i Kristy rehefa mampihatra ny fahafahantsika misafidy amim-pahamarinana isika. Mitarika hanao zavatra ny finoana an’i Jesoa Kristy. Raha manana finoana an’i Kristy isika, dia hanana fatokiana ampy ho an’ny Tompo ka hanaraka ny didiny—na dia tsy tena takatsika tanteraka aza ny anton’izy ireny. Rehefa mikatsaka ny ho tonga tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa isika dia mila manao tomban’ezaka tsy tapaka ny fiainantsika sy miantehitra amin’ny fahatsaran’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany, amin’ny alalan’ny fibebahana marina.

(Dieter F. Uchtdorf, “Christlike Attributes—the Wind beneath Our Wings,” Ensign na Liahona, Nôv. 2005, 102–3)

  • Inona no zavatra tsikaritrao tao anatin’io fanambarana io izay afaka manampy anao hamboly ireo toetra tahaka ny an’i Kristy?

Manaova drafitra

2. Fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao ity asa ampanaovina manaraka ity.

Manaova drafitra amin’ny asa izay hatao mba ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa. Asio zavatra manokana azonao ampiharina isan’andro izay tsapanao fa hanampy. Tsarovy ny mikatsaka ny fanampian’ny Mpamonjy. Hevero ny hangataka havana na namana azo itokisana mba hanohana anao amin’ireo ezaka izay ataonao. Azonao atao ihany koa ny mirakitra ny drafitrasanao ao amin’ny Boky torolalana ho an’ny zatovo na ny diary fandalinanao.

Tsy voatery atao: Te hianatra bebe kokoa ve ianao?

Tamin’ny fomba ahoana no nampianaran’ny Mpamonjy antsika mikasika ny toetrany tao amin’ilay toriteny teo an-tendrombohitra?

Nampianatra ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973) hoe:

Sary
Head and shoulders portrait of LDS Church President Harold B. Lee.

Tsy ny hanao sorompanavotana ho an’ny fahotan’ny zanak’olombelona fotsiny ihany no nahatongavan’i Kristy teto amin’izao tontolo izao fa ny hanome ohatra ho an’izao tontolo izao amin’ny fenitry ny fahatanterahana ao amin’ny lalàn’ Andriamanitra sy ny fankatoavana ny Ray. Nanome antsika karazana fanambarana momba ny toetrany manokana, izay tonga lafatra, ny Mpampianatra tao anatin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, … ka rehefa nanao izany Izy dia nanome antsika ny lamina arahina eo amin’ny fiainantsika manokana.

(Teachings of Presidents of the Church: Harold B. Lee [2000], 199–200)

Inona no hevitry ny hoe izay mangetaheta ny fahamarinana dia hovokisana?

Rehefa nanao ny toriteny teo an-tendrombohitra tany Amerika ny Mpamonjy dia nilaza Izy fa ireo izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana dia “hofenoina ny Fanahy Masina” ( 3 Nefia 12:6).

Inona avy ireo toetra hafa tahaka ny an’i Kristy?

//media.ldscdn.org/webvtt/youth/2014-youth-activity-resources/2014-01-001-christlike-attributes-eng.vtt