Seminera
Matio 5:17–47


Matio 5:17–47

Ny lalàna ambonimbony kokoa

Sary
Jesus Christ in Sermon on the Mount

Rehefa nanohy ny toriteny teo an-tendrombohitra i Jesoa Kristy dia nampianatra ny fomba nahatongavany hanatanteraka ny lalàn’i Mosesy Izy ary nampahafantatra ny lalàna ambonimbony kokoa an’ny filazantsara. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hiaina ny lalàna ambonimbony an’i Kristy kokoa mba hahafahanao ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra bebe kokoa.

Mampianatra ny lalàna ambonimbony kokoa ao amin’ny filazantsara i Jesoa

  • Oviana no efa nanampy anao hanana fijery tsara kokoa ny fankanesana amin’ny toerana avo kokoa?

  • Inona no hitanao tamin’izay kanefa tsy hitanao teo aloha?

Tahaka ny fahafahan’ny fijerena avy eny amin’ny toerana avo kokoa manome antsika fomba fijery lehibe kokoa no nampianaran’ny Mpamonjy ny mpianany ny lalàna ambonimbony kokoa mba hanomezana azy ireo fomba fijery lehibe kokoa. Io fomba fijery lehibe kokoa io dia afaka manampy antsika ho tonga tahaka Azy sy ny Ray any An-danitra bebe kokoa.Ao amin’ny Matio 5:17–20 dia nampianatra ny Mpamonjy fa tonga mba hanatanteraka ny lalàn’i Mosesy Izy fa tsy tonga mba hanafoana izay mety ho fahamarinana mandrakizay ao amin’ny lalàna. I Jesoa Kristy no namerina tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara izay very noho ny faharatsiana sy ny apôstazia. Nanitsy ireo fampianaran-diso Izy ary nanatanteraka ireo faminaniana nataon’ny mpaminanin’ny Testamenta Taloha. Tafiditra ao amin’ny Matio 5:21–47 ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny lalàna sy ny fombafomba napetraky ny Jiosy tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Tao amin’ireo andininy ireo no nanazavan’i Jesoa Kristy ny tena dikan’ny lalàn’i Mosesy sy nampianarany ny lalàna ambonimbony kokoa momba ny fahamarinana.

Vakio ny Matio 5:38–42 , ka tadiavo ny ohatra iray avy amin’ny didy ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny lalàna ambonimbony kokoa izay nampianarin’i Jesoa ny mpianany ho eo amin’ny toeran’izany.

  • Inona no zavatra nofaritan’ny Mpamonjy ho ampahany amin’ny lalàn’i Mosesy na fomban-drazana hafa napetraky ny olona?

  • Inona ny lalàna ambonimbony kokoa nomen’ny Mpamonjy ho eo amin’ny toerany?

  • Ahoana no hanampian’ny fiainana an’ity lalàna ambonimbony kokoa ity ny olona iray mihoatra noho ilay lalàna taloha mba hahatongavana bebe kokoa tahaka ny Ray any An-danitra?

1. Diniho ny toe-javatra misy anao manokana ary safidio am-bavaka ny iray amin’ireto asa ampanaovina manaraka hovitaina ireto.

Asa ampanaovina A: Ahoana no hifehezako ny fahatezerako?

Saintsaino ny fotoana farany nahatezitra anao.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mety ho zava-dehibe ny mamehy ny fahatezerana?

Vakio ny Matio 5:21–24 , ka tadiavo ny lalàna ambonimbony kokoa nampianarin’ny Mpamonjy momba ny fahatezerana.

  • Misy zavatra eritreretinao ho marihina ve ao amin’ireo andininy ireo? Raha eny dia nahoana?

Ny teny hoe “tsy misy antony” ao amin’ny andininy 22 dia nesorina tao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ).

Nanazava ny Loholona Lynn G. Robbins ao amin’ny Fiadidian’ny Kôlejin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Former Official Portrait of Elder Lynn G. Robbins. Photographed March 2017. Replaced October 2019 (with Telescope ID: 2298123)

Mahaliana tokoa fa ny teny hoe “tsy misy antony” dia tsy hita ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith nentanim-panahy (jereo ny Matio 5:24), na koa ao amin’ny 3 Nefia 12:22 . Rehefa foanan’ny Tompo ny teny hoe ‘tsy misy antony,’ dia tsy avelany manana fialan-tsiny isika. “Fa izao kosa no fotopampianarako dia ny hampitsaharana ny zavatra toy izany” [ 3 Nefia 11:30 ]. Afaka “mampitsahatra” ny fahatezerana isika, satria izany no nampianariny sy nandidiany antsika.

(Lynn G. Robbins, “Agency and Anger,” Ensign, Mey 1998, 80)

Nanazava ny andraikitsika amin’ny fifehezantsika ny fahatezerana ny filoha Thomas S. Monson (1927–2018).

Sary
Official portrait of President Thomas S. Monson, 2008.

Rehefa tezitra isika dia tafalatsaka ao amin’ny fitaomam-panahin’i Satana. Tsy misy na iza na iza afaka mahatonga antsika ho tezitra. Safidintsika izany. Raha toa isika ka mifidy ny hanana ny Fanahy hiaraka amintsika amin’ny fotoana rehetra, dia tsy maintsy misafidy ny hiala amin’ny fahatezerana isika. Mijoro ho vavolombelona aho fa azo atao izany.

(Thomas S. Monson, “School Thy Feelings, O My Brother,” Ensign na Liahona, Nov. 2009, 68)

Raha nisafidy ny asa ampanaovina A ianao dia valio ao amin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny Mpamonjy ho ohatra amin’ny fiainana an’io lalàna ambonimbony kokoa io?

  • Inona no azonao sarihana avy amin’ny herin’ny Mpamonjy mba hanampiana anao hiaina ity lalàna ambonimbony kokoa ity?

Asa ampanaovina B: Nahoana aho no tokony hiala amin’ny eritreritra feno filan-dratsy?

Sary
A dandelion weed.
  • Inona no mety hitranga raha tsy esorina amin’ny zaridaina iray ny ahi-dratsy?

  • Ahoana no mety hitovizan’ny eritreritra tsy mendrika ao an-tsaintsika amin’ny ahi-dratsy ao anaty zaridaina?

Vakio ny Matio 5:27–28 , dia tadiavo ny fahotana nampitandreman’ny Mpamonjy.

Niresaka mikasika ny maha-fahotana lehibe ny fitsiriritana ny hafa ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Nahoana no fahotana mahafaty toy izany ny fanirian-dratsy? Eny, ankoatry ny fiantraikany izay mandrava tanteraka ny fanahintsika dia mihevitra aho fa ota izany satria manimbazimba ny fifandraisana ambony sy masina indrindra izay omen’ Andriamanitra antsika eto amin’ity fiainana an-tany ity—dia ny fitiavana izay misy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy sy ny faniriana ananan’ny mpivady mba hitondra zaza ao anaty fianakaviana iray izay antenaina ho mandrakizay. … Ny fitiavana dia mahatonga antsika hitodika ho azy any amin’ Andriamanitra sy ny hafa. Etsy ankilany, ny fanirian-dratsy dia izay zavatra rehetra ankoatry ny zavatra araka an’ Andriamanitra ary ny fanirian-dratsy koa dia izay zavatra mamporisika ny famelana ny tena hanao izay tiana atao. Ny fitiavana dia tonga miaraka amin’ny tanana sy fo misokatra, ny fanirian-dratsy kosa dia tonga miaraka amin’ny filàna lehibe fotsiny ihany.

(Jeffrey R. Holland, “Place No More for the Enemy of My Soul,” Ensign na Liahona, Mey 2010, 44–45)

Tahaka ny ahafahantsika manala ny ahi-dratsy amin’ny zaridaina, no ahafahantsika manala ny eritreritra maloto ao an-tsaintsika. Vakio ny Matio 5:29–30 , ao anatin’izany ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 5:33–34 (hita ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ). Mariho ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy.

  • Inona no nanaitra anao tamin’ny zavatra novakianao? Inona no fanontaniana anananao momba ireo andininy ireo?

Sary
A dandelion weed.

Raha nisafidy ny asa ampanaovina B ianao dia valio ao amin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hitovizan’ny fanalana ny fahotana amin’ny fiainantsika amin’ny fanongotana ny maso na ny fanapahana tanana?

  • Inona no olana mety hitranga raha tsy manaraka ny torohevitry ny Mpamonjy isika mba hanaisorana ny fahotana amin’ny fiainantsika?

  • Inona no azonao atao mba hisarihana ny herin’ny Mpamonjy hanampiana anao hanaisotra ireo eritreritra feno filan-dratsy na tsy mendrika ireo?

Asa ampanaovina D: Ahoana no fomba tokony hitondrako ny olona tsy mifanaraka amiko?

Mieritrereta olona iray tsy dia mifanaraka tsara aminao.

  • Inona araka ny eritreritrao no fiantraikan’ny fananana eritreri-dratsy momba io olona io amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra?

Vakio ny Matio 5:43–47 , ka tadiavo ny lalàna ambonimbony kokoa nampianarin’i Jesoa izay afaka manampy anao.

  • Inona ireo teny na andian-teny izay nanaitra anao? Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe izy ireo?

Nanazava ny filoha Dieter F. Uchtdorf fa i Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra amin’izany.

Sary
A dandelion weed.
Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Araky ny mahazatra dia i Kristy no ohatra tonga lafatra tokony harahintsika. Natorony antsika tao anatin’ ny fampianarany sy teo amin’ ny fiainany ny lalana. Namela heloka ny ratsy fanahy, sy ny olona ratsy toetra ary ireo izay nikatsaka ny handratra sy hamono Azy Izy.

Nilaza i Jesoa fa mora ny mitia ireo izay tia antsika, ka na dia ny ratsy fanahy aza dia afaka manao izany koa. Kanefa nampianatra lalàna ambonimbony kokoa i Jesoa Kristy. Nanakoako nandritra ny taonjato maro ary mbola manan-kery hatramin’ izao andro izao ny teniny. Natao ho an’ ireo rehetra izay maniry ny ho tonga mpianany izany. Natao ho anao sy ho ahy izany: “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo, misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’ izay manisy ratsy anareo” [ Matio 5:44 ; jereo ihany koa ny andininy 45–47 ].

Rehefa heniky ny fitiavan’ Andriamanitra ny fontsika dia ho “samy halemy fanahy amin’ ny namany avy [isika], ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’ Andriamanitra ny helo[tsika] ao amin’ i Kristy” [ Efesiana 4:32 ].

(Dieter F. Uchtdorf, “Izay miantra no hiantrana,” Ensign na Liahona, Mey 2012, 76)

Raha nisafidy ny asa ampanaovina D ianao dia valio ao amin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no tsapan’ny Mpamonjy amin’ireo izay manao haratsiam-panahy Aminy?

  • Inona no zavatra niainanao tamin’ny fiezahanao ho tia ny fahavalonao na rehefa nivavaka ho an’ireo izay nanao haratsiam-panahy taminao?

  • Inona araka ny eritreritrao no azonao atao mba hisarihana ny herin’ny Mpamonjy mba hanampiana anao hitia ny fahavalonao?

Miaina ny lalàna ambonimbony kokoa

Saintsaino ny singa amin’ilay lalàna ambonimbony kokoa izay tsapanao fa mila ifantohanao ny fiainana azy. Azonao atao ny mangataka famelan-keloka sy fanampiana amin’ny Ray any An-danitra rehefa miezaka ny mibebaka ary miaina ity lalàna ity ianao. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy hahafantarana izay zavatra tokony hatao. Azonao atao ny miresaka amin’ny ray aman-dreninao, na ny evekanao, na mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana hahafahan’izy ireo manampy anao hiaina ity lalàna ity.

Tsy voatery atao: Te hianatra bebe kokoa ve ianao?

Matio 5:18 . Inona no atao hoe litera sy tendron-tsoratra?

Ny litera no kely indrindra amin’ny abidia hebreo. Nytendron-tsoratra dia marika kely manondro fanononana samy hafa ny teny amin’ny fiteny voasoratra. Ny Mpamonjy dia nanondro ireo singa amin’ny soratra ireo ilazana fa hanatanteraka ny ampahany rehetra amin’ny lalàn’i Mosesy hatramin’ny antsipiriany kely indrindra Izy.

Matio 5:22 . Inona no dikan’nyhoe

olom-poana?

Ilay hoe Olom-poana dia teny aramianina sy grika izay milaza fanamavoana. Azo adika ihany koa hoe “tsy misaina, na adala na olona tsy misy saina” izy io.

Matio 5:27–28 . Inona no atao hoe fanitsakitsaham-bady?

Ny atao hoe fanitsakitsaham-bady dia rehefa misy olona roa miray ara-nofo kanefa ny iray na izy roa izay meloka dia manambady olon-kafa. (Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fanitsakitsaham-bady, ” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.)

Matio 5:43 . Avy aiza ilay fitenenana hoe “Tiava ny namanao, ary mankahalà ny fahavalonao” ?

Ny didy hoe “tiava ny namanao” dia hita ao amin’ny Levitikosy 19:18 , fa tsy misy soratra masina ao amin’ny Testamenta Taloha ka mandidy antsika mba hankahala ny fahavalontsika. Hita fa ny Mpamonjy dia niresaka momba ny fomba fiteny fanaon’ny olona tamin’izany fotoana izany.