Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Matio 5:14–16


Fifehezana fotopampianarana: Matio 5:14–16

“Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo”

Sary
zatovovavy mijoro eo amin’ny tara--masoandro

Nanome torolalana ny mpianany ny Mpamonjy mba ho ohatra ho an’ny hafa amin’ny fanarahana Azy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampiasa ireo fitsipika momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba ho ohatra ho an’ny hafa ary hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Vakio ny Matio 5:14–16.

Manaova sary fanoharana iray momba ilay andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina hoe “Aoka hazava eo imason’ ny olona toy izany koa ny fahazavanareo” sy ny andinin-teny mifandray amin’izany, Matio 5:14–16. Rehefa manao sary ianao dia eritrereto ireo fomba hampidirana ilay andinin-teny mifandray amin’izany mba hanampy anao hitadidy izany.

Eo am-pijerena ilay sary dia avereno imbetsaka ilay andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina. Avy eo dia mijereva fomba hafa, ary miezaha mamerina tsianjery ilay andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina.

Zarao amin’ny havana na namana ny sary nataonao ary hazavao ny fahamarinana avy amin’ilay andalan-tsoratra masina.

Fizàrana mampihatra

Amin’ity fampiharana ity dia hampiasa ireo fitsipika momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy ianao hamaritana ny fomba ahatongavana ho ohatra ho an’ny hafa sy ny hanasana azy ireo hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

Avereno jerena ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

1. Fintino ao amin’ny diary fandalinanao amin’ny fehezanteny roa na telo ny tsirairay amin’ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy.

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity dia hevero izay mety ho fomba famalianao raha ianao no teo amin’ny toeran’i Raul.

I Raul, mpisorona vao notendrena, dia miaraka amin’ny namana maromaro rehefa manomboka miresaka vazivazy maloto ny sasany amin’izy ireo ary miresaka ratsy momba ny olona iray fantatr’i Raul. Dia tsy mahazo aina i Raul ary fantany fa tsy mety ny ataon’izy ireo. Rehefa manontany tena ny amin’izay hatao izy dia nitodika tany amin’i Raul ny namany antsoina hoe Jesse, izay mpikambana amin’ny fivavahana hafa ary tena tian’i Raul, ary nilaza hoe: “Fa maninona ianao no matotra be?”

Diniho ny fitsipika momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy tsirairay hanampy anao hahita valiny.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Misafidy iray amin’ireo olona amin’ilay rafi-tantara (Jesse na ilay olona ihomehezana).

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana araka ny eritreritrao no fahatsapan’ny Tompo momba ilay olona nofidinao?

  • Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fahitana an’ity olona ity tahaka ny fahitan’ny Tompo azy ireo amin’ny fomba hamalian’i Raul ny fanontanian’i Jesse?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

3. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no mety hanampian’ny fitadidiana sy ny fampiharana ireo fitsipika ao amin’ny Matio 5:14–16 an’i Raul?

  • Inona avy araka ny eritreritrao ireo loharanom-pahalalana hafa nofidin’ Andriamanitra izay afaka manampy an’i Raul?

Manao asa amim-pinoana

4. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana no mety ho sarotra ho an’i Raul ny manao asa amim-pinoana amin’ity toe-javatra ity?

  • Inona no asainao ataon’i Raul mba hiasany amim-pinoana?

Mieritrereta toe-javatra iray mitovy amin’ny an’i Raul izay atrehanao ankehitriny na mety hatrehinao amin’ny hoavy.

  • Ahoana no ahafahan’ny zavatra ianaranao androany manampy anao mba ho ohatra ho an’ny hafa?