Seminera
Jaona 4, Fizarana 2


Jaona 4, Fizarana 2

Rano velona

Sary
“He Comes Again to Rule and Reign” by Mary R. Sauer.

Nampianatra an’ilay vehivavy Samaritana teo am-patsakana mahakasika ny rano velona izay atolony i Jesoa. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa mahakasika ny rano velona izay atolotry ny Mpamonjy: hoe inona izany, nahoana ianao no mila izany, ary ahoana no fomba ahafahanao mandray izany.

Ny lalana mizotra mankany amin’ny fahasambarana sy ny fahavitana zavatra

Nampianatra ny Loholona Lawrence E. Corbridge ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Lawrence E. Corbridge. Photographed March 2017.

Lalana tokana ihany no mankany amin’ny fahasambarana sy ny fahavitana zavatra. [Jesoa Kristy] no Lalana. Ny lalana hafa rehetra, na izay mety ho lalana hafa, na lalana inona na lalana inona dia hadalana.

Nanolotra loharano velona Izy. Na isika hisotro dia tsy hangetaheta intsony, na tsy hisotro dia hangetaheta foana.

(Lawrence E. Corbridge, “The Way,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 34)

  • Inona no itodihan’ny olona indraindray mba hitadiavany fahasambarana sy mba hahavitany zavatra ka mahatonga azy ireny hahatsiaro ho mangetaheta sy tsy ho afa-po hatrany ara-panahy?

  • Inona araka ny eritreritrao no mahatonga ny olona hitodika amin’ireo zavatra tsy mitondra fahafam-po maharitra akory indraindray?

  • Inona ny zavatra izay nomen’i Jesoa Kristy ka afaka mitondra fahasambarana sy fahatanterahana zavatra maharitra?

Saintsaino ny ifandraisan’ireto fanontaniana ireto amin’ny fiainanao manokana. Misy zavatra itodihanao ve mba hahazoanao fahasambarana sy fahatanterahan-javatra izay tsy manome fahafam-po ireo faniriana ireo? Inona ireo zavatra izay efa niainanao rehefa nahatsapa fiadanana maharitra sy fahasambarana avy tamin’i Jesoa Kristy irery ihany ianao?

Rano velona

Sary
Jesus Christ depicted teaching a Samaritan woman at a well. Christ is portrayed sitting on the edge of the well. The woman is seated on the ground before Him.

Tadidio tamin’ny fandalinanao ny Jaona 4 tao amin’ny lesona teo aloha fa nampianatra vehivavy Samaritana i Jesoa mikasika ny rano velona, izay “tandindon’ny Tompo Jesoa Kristy sy ny fampianarany.” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Rano Velona ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Alaivo sary an-tsaina hoe nangatahina hanomana lahateny amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo mikasika ny rano velona izay atolotr’i Jesoa Kristy ianao. Ankoatry ny lahateny izay hataonao, dia nasaina ihany koa ianao mba hamantatra (1) ny atao hoe rano velona, (2) sy ny antony ilantsika izany, ary (3) ny fomba hahafahantsika mandray izany avy amin’ny Mpamonjy. Amin’ny alalan’ny fampiasana ireto soratra masina sy fanambarana, ary fanontaniana manaraka ireto, miaraka amin’ny loharanom-panampiana fanampiny izay hitanao manokana, dia omano ireo hevitrao ary alamino ny lahateninao.

Rano velona

Vakio ireto soratra masina sy fanambarana manaraka ireto, ary tadiavo ireo hevi-dehibe mahakasika ny rano velona izay atolotr’i Jesoa Kristy.

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Ny rano velona izay resahina ao amin’ny [ Jaona 4:10 ] dia fanehoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Filazantsarany. Tahaka ny ilàna ny rano mba hanohanana ny aina ao amin’ny vatana no ilàna ny Mpamonjy, ireo fotopampianarany, ireo fitsipiny ary ireo ôrdônansiny mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Mila ny Rano Velona avy Aminy isan’andro sy manana tahiry ampy tsara amin’izany izaho sy ianao mba hanohanana ny fivoarana sy ny fitomboan’ny fanahintsika izay mitohy hatrany.Mirakitra ny tenin’i Kristy ny soratra masina ary fitehirizana rano velona izay azontsika ampiasaina avy hatrany ka ahafahantsika misotro araka izay tiantsika sy maharitra. Izaho sy ianao dia tsy maintsy mijery sy manatona an’i Kristy, izay “loharanon’ny rano velona” ( 1 Nefia 11:25 ; ampitahao amin’ny Etera 8:26 ; 12:28), amin’ny alalan’ny famakiana (jereo ny Môsià 1:5), sy fianarana [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26:1] , sy fikarohana (jereo ny Jaona 5:39 ; Almà 17:2), ary fivokisana (jereo ny 2 Nefia 32:3) amin’ny tenin’i Kristy araka ny hita ao amin’ny soratra masina. Raha manao izany isika, dia afaka mandray ny fitarihana sy fiarovana ara-panahy mandritra ny fiainantsika.

(David A. Bednar, “A Reservoir of Living Water” [Church Educational System fireside for young adults, Feb. 4, 2007], 1, broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

Ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa:

Sary
Last official portrait of Elder Joseph B. Wirthlin of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004. Died December 1, 2008.

Maro loatra ireo mipetraka eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary mionona fotsiny amin’ny fihinanana ireo sakafo manoloana azy ireo. Manara-drenirano fotsiny ihany izy ireo—mety manatrika ireo fivoriana, manopy ny soratra masina, mamerimberina ireo vavaka mahazatra—kanefa ny fony dia tena lavitra. Raha marin-toetra izy ireo, dia tokony hiaiky fa mifantoka bebe kokoa amin’ny tsaho isan-karazany izay aelin’ny manodidina, sy ny fironan’ny tsena, ary ny fandaharana izay mandeha amin’ny fahitalavitra ankafiziny izy ireo fa tsy ny fanompoany ny Fanahy Masina akory.Maniry ny hisotro amin’io rano velona io ve ianareo ka hahatsapa ilay loharano miboiboika ao anatinareo izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay?Dia aza matahotra ary. Minoa amin’ny fonareo rehetra. Ataovy izay hananana finoana tsy voahozongozona ny Zanak’ Andriamanitra. Avelao ny fonareo hanandratra vavaka amin-kitsimpo. Fenoy fahalalana momba Azy ny sainareo. Ialao ny fahalemenareo. Mandehana amin’ny fahamasinana sy izay mifanaraka amin’ireo didy.

(Joseph B. Wirthlin, “The Abundant Life,” Ensign or Liahona, May 2006, 100)

Miainga amin’ny zavatra izay nianarana tamin’ireo loharanom-pitaovana ireo na loharanon-kevitra hafa, dia manomboha mamorona drafitra ho an’ny lahateny izay hataonao. Ataovy izay hahazoanao antoka fa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ny drafitra izay foroninao. Saintsaino ihany koa izay fomba ahafahanao mampita ny fahatsapana izay azonao mikasika an’i Jesoa Kristy ao amin’ny lahateny izay ataonao. Hevero ny hizara ireo zavatra izay efa niainanao manokana tamin’ny fandraisanao ny rano velona avy amin’ny Mpamonjy ary ny fiantraikan’izany teo amin’ny fiainanao.

  • Inona ilay rano velona izay atolotr’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana isika no mila ilay rano velona avy amin’ny Mpamonjy?

  • Inona ny zavatra azontsika atao mba handraisantsika ilay rano velona avy amin’ny Mpamonjy?

  • Inona no fiantraikan’ny fahafantarana fa ny Mpamonjy dia maniry ny olona rehetra hisotro amin’ilay Rano velona?

1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny drafitry ny lahateny izay nomaninao. Ny drafitra izay nataonao dia halefa any amin’ny mpampianatrao.

Tsy voatery atao: Te hianatra bebe kokoa ve ianao?

Inona no ifandraisan’ny rano velona izay atolotr’i Jesoa Kristy amin’ny fanasan’ny Tompo?

Nandritra ny naha Mpanolotsaina Faharoa azy tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga Maneran-tany dia nampianatra ny rahavavy Cheryl A.Esplin hoe:

Sary
Final official portrait of Cheryl A. Esplin, second counselor in the Primary general presidency, 2011. Released as second counselor and sustained as first counselor at the April 2015 general conference. Released at the April 2016 general conference.

Azo sitranina sy havaozina ny fanahintsika izay maratra satria tsy mampahatsiahy antsika ny fanoloran’ny Mpamonjy ny vatany sy ny rany ho sorona fotsiny ihany ny mofo sy ny rano fa mampahatsiahy antsika koa ireo tandindona ireo fa ho “mofon’aina”[ Jaona 6:48 ] sy ho “rano velona”[ Jaona 4:10 ] ho antsika mandrakariva Izy.

Taorian’ny nanatanterahany ny fanasan’ny Tompo teo amin’ny Nefita dia hoy i Jesoa hoe:

“Izay mihinana ity mofo ity dia mihinana amin’ny vatako ho an’ny fanahiny; ary izay misotro amin’ity divay ity dia misotro amin’ny rako ho an’ny fanahiny; ary tsy ho noana na hangetaheta na oviana na oviana ny fanahiny, fa hovokisana kosa.

“Ankehitriny, rehefa avy nihinana sy nisotro avokoa ny valalabemandry, dia indro, heniky ny Fanahy izy ireo” [ 3 Nefia 20:8–9 ].

Mampianatra antsika i Kristy amin’ireo teny ireo fa ny Fanahy dia manasitrana sy manavao ny fanahintsika. Ny fitahiana ampanantenain’ny fanasan’ny Tompo dia ny “hananan[tsika] mandrakariva ny Fanahiny miaraka amin[tsika].”[ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77 ].

(Cheryl A. Esplin, “Ny Fanasan’ny Tompo—Fanavaozana ho an’ny Fanahy,” Liahona, nôv. 2014, 13)

Ahoana no ahafahan’ny rano velona izay atolotry ny Mpamonjy hanampy ahy handresy ny fitaoman-dratsy izay eto amin’izao tontolo izao?

Nampianatra ny Filoha James E. Faust (1920–2007) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Last official portrait of President James E. Faust, Second Counselor in the First Presidency, 2001. Died 10 August 2007.

Ny ankabeazan’ireo fahalotoana ara-panahy eo amin’ny fiainantsika dia vokatry ny fampiasana ny Internet, ny kilalao atao amin’ny solosaina, ny fandaharana misy amin’ny fahitalavitra sy ny sarimihetsika izay maneho sary ny toetra fototry ho an’ny zanak’olombelona. Koa satria miaina anaty tontolo toy izany isika dia mila mampitombo ny tanjatsika ara-panahy.

Miresaka momba ny hanoanany sy ny fitomaniany isan’andro sy alina i Enôsa ho fitarainana amin’ny fanahiny [jereo ny Enôsa 1:4 ]. Naniry mafy ny sakafom-panahy izay namaly ny hetaheta avy tamin’ny fahamarinana ara-panahy izy. Araka ny nolazain’ny Mpamonjy an’izao tontolo izao an’ilay vehivavy teo amin’ny fantsakana tao Samaria hoe: “Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ary ho fiainana mandrakizay” [ Jaona 4:14 ].

(James E. Faust, “Sakafom-panahy,” Ensign na Liahona, Nôv. 2006, 55)