Seminera
Tombano ny fianaranao 4


Tombano ny fianaranao 4

Matio 14–20; Marka 6–10; Lioka 10; 12; 14–18; Jaona 5–11

Sary
Newport Beach Seminary

Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hanao tombatombana ireo tanjona izay napetrakao sy ny fianarana izay nataonao ary ny fivoarana izay azonao manokana nandritra ny fianaranao ny Testamenta Vaovao.

Manatona an’i Jesoa Kristy sy tonga mpianany

Makà fotoana mba hisaintsainana ny fivoaranao amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy anao sy ny fikatsahanao mba hanatona Azy tanteraka rehefa mianatra ny Testamenta Vaovao ianao. Ny sasany amin’ireo fomba izay amporisihanao anao hanao izany dia amin’ny alalan’ny fahafahanao mandray sy manaraka fanambarana ho an’ny tena manokana ary manazava ny sasany amin’ireo anjara asa sy anaram-boninahitra niantsoana an’i Jesoa Kristy sy ny ezaka izay ataonao mba hikatsaka fiadanana eto amin’ity fiainana ity amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Katsaho ny hahafantatra avy amin’ny Rainao any An-danitra ny fomba hivoaranao sy hivelaranao amin’ireo fomba ireo sy amin’izay zavatra rehetra tokony hotohizinao atao na ovainao mba hahafahanao manohy mampitombo ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao.

Ampitomboy ny fahafahanao mandray fanambarana

Makà iray minitra mba hihainoana ireo feo manodidina anao.

  • Inona avy ireo feo izay tsy henonao raha tsy rehefa tena mihaino tsara ihany ianao?

  • Inona ny zavatra azonao atao rehefa zara raha maheno zavatra iray ianao kanefa maniry ny hahafantatra hoe inona ilay izy?

  • Inona no mampitovy ity sahanasa ity amin’ny fandraisana fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina?

Tanjona iray manan-danja amin’ny seminera ny hanampy anao hampitombo ny fahafahanao mandray fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Fanahy Masina.

Ao amin’ny bokin’i Môrmôna i Nefia dia namaritra ny Fanahy Masina ho “feo tony sy malefaka” izay tsapantsika mihoatra noho ny hoe rentsika ( 1 Nefia 17:45). Azontsika atao ny manatsara ny fahafahantsika mihaino na mahatsapa ny Fanahy Masina ao am-pontsika mitovy amin’ny fomba ampiasaintsika mba hihainoana feo moramora. Ny fanatonana akaiky kokoa an’ Andriamanitra ara-panahy, ny fitoniana ao an-tsaintsika, ny fampifantohana ny eritrerintsika, ary ny fanakanana ny feo hafa rehetra manodidina antsika dia tetika mahomby avokoa entina mampitombo ny fahafahantsika mamantatra ny bitsiky ny Fanahy Masina.

Makà fotoana vitsivitsy mba hisaintsainana ny zavatra izay niainanao vao haingana rehefa nandray fanambarana ho an’ny tena manokana avy tamin’ny Fanahy Masina ianao. Mety hamerina hijery ireo zavatra noraketinao an-tsoratra tao amin’ny soratra masinao na ny diary fandalinanao soratra masina ianao. Mety hangataka ny Ray any An-danitra ihany koa ianao mba hanampy anao hamantatra na hitadidy ilay fanambarana ho an’ny tena manokana izay noraisinao. Aorian’izay dia raketo an-tsoratra ireo eritreritra sy fahatsapana izay tonga ao an-tsainao sy ao am-ponao.

  • Inona ny zavatra niainanao vao haingana mikasika ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana? Ahoana no nahafantaranao fa avy amin’ Andriamanitra ireo zavatra niainana ireo?

  • Inona ny zavatra nianaranao tamin’ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao ka afaka manampy anao hamantatra ny Fanahy Masina?

  • Inona avy ireo hevitra azonao zaraina amin’ny olona sahirana amin’ny famantarana ny Fanahy?

Isan’ireo anjara asa fototra tanan’ny Fanahy Masina ny mijoro ho vavolombelon’ny Ray sy ny Zanaka (jereo ny Matio 16:17 ; Jaona 15:26 ; 3 Nefia 11:32).

  • Nampian’ny Fanahy hahatakatra na hahatsapa inona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao?

  • Ahoana ny fomba ahafahana manaporofo fa fitiavan’ Andriamanitra anao avokoa ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ny fahafahana mandray fanambarana ho an’ny tena manokana?

Hazavao ireo anjara asa tanan’i Jesoa Kristy sy ireo anaram-boninahitra fiantsoana Azy

Sary
Making Bread
Sary
Photographic illustration of Jesus Christ holding a white lamb in his arms.
  • Ahoana ny fomba nampiasan’ny Mpamonjy ny mofo sy ny ondry mba hampianarany momba ny Tenany?

Azonao ampahatsiahivina ny fampianaran’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny sarin-teny toy ny hoe “Izaho no mofon’aina” (jereo ny Jaona 6:35, 41, 48, 51), “Izaho no Mpiandry Tsara” ( Jaona 10:11), ary “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana” ( Jaona 11:25).

  • Inona ny zavatra ampianarin’ireo anaram-boninahitra ireo anao momba ny toetran’ny Mpamonjy sy ny anjara asa azony sahanina eo amin’ny fiainanao?

  • Manampy anao hitia Azy bebe kokoa amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana ny toetrany sy ny anjara asa sahaniny?

Rehefa nianatra ny Testamenta Vaovao ianao, dia mety nanao lisitra ireo anjara asany sy ny anaram-boninahitra izay iantsoana an’i Jesoa Kristy tao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Raha manana izany lisitra izany ianao, dia makà minitra vitsivitsy mba hahafahanao mamerina mijery izany. Ampio ireo anaram-boninahitra sy anjara asany izay mbola tsy tafiditra tao anaty lisitra. Raha tsy mbola nanao io lisitra io mihitsy ianao, dia mety ho tianao ny hanombokahanao izany amin’izao fotoana izao, ary hitanisa ireo anjara asa na anaram-boninahitra izay tonga ao an-tsainao. Raha tsy misy tonga ao an-tsainao, dia hevero ny hamerina hijery ny “ Ilay Kristy velona: Ny fijoroana ho vavolombelon’ireo Apôstôly ” (ChurchofJesusChrist.org) na “Jesoa Kristy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina mba hakana hevitra.

1. Misafidiana iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto ary ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izany, na mizarà sahanasa noforoninao izay mitovy amin’izany.

  • Manorata karatra kelyfanehoam-pisaorana ho an’ny Mpamonjy, izay mifantoka amin’iray na ny maromaro amin’ireo anjara asany sy anaram-boninahitra fiantsoana Azy. Ampidiro ao anatin’izany izay mety ho zavatra niainanao tamin’ny fankasitrahana Azy noho ny nanatanterahany izany anjara asa izany teo amin’ny fiainanao, ary manehoa fankasitrahana.

  • Mamorona fitaovana jeren’ny maso izay manazava ny anjara asan’ny Mpamonjy na ireo anaram-boninahitra fiantsoana Azy. Ampidiro ao anatin’izany ireo andinin-tsoratra masina azo ampiharina amin’izany sy ny antony maha-manan-danja aminao ireo anjara asa sy anarana fiantsoana ireo. Hevero ny hizara izany amin’ny tambazotra sosialy rehefa vitanao.

  • Manorata lahateny fohy na manomàna lesona kely momba ny iray na maromaro amin’ireo anjara asa na anaram-boninahitra fiantsoana ny Mpamonjy izay azonao ampianarina amin’ny endrika fampaherezam-panahy ho an’ny seminera, na lesona amin’ny takarivan’ny mpianakavy, na mandritra ny kilasy ao am-piangonana. Ampidiro ao ny lanjan’ilay anjara asa na anarana fiantsoana sy izay mety ho zavatra niainanao rehefa nanatanteraka izany andraikiny izany teo amin’ny fiainanao Izy.

Mahatsapa faniriana lehibe kokoa mba hikatsaka fiadanana ao amin’i Kristy

Tamin’ny fianaranao ny Testamenta Vaovao, dia nanana fotoana nahafahana nianatra sy nisaintsaina mikasika ny fiadanana izay avy amin’i Jesoa Kristy ianao. Ohatra, mety hahatadidy ny fanasan’ny Mpamonjy antsika mba hanatona Azy rehefa mahatsapa enta-mavesatra ianao (jereo ny Matio 11:28–30) na ny nandehanan’i Jesoa teo ambony rano sy ny nanampiany an’i Petera hiakatra rehefa nanomboka nilentika izy (jereo ny Matio 14:26–33). Mety efa nanana fahafahana hanao sary tao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ianao, izay ampahany nandrafitra ny lesona momba ny Marka 4:35–41 izay miresaka ny fomba nampitonian’i Jesoa Kristy ny tafiotra tamin’ny ranomasin’i Galilia. Raha ohatra ka nandray an-tsoratra izany ianao tao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, dia hevero ny hamerina hijery azy ireny.

Saintsaino ary valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto mba hahafahanao manaraka akaiky ny fivoaranao ara-panahy.

  • Niova toy ny ahoana ny fanirianao hitady fiadanana ao amin’i Kristy rehefa avy nandalina ny fiainany sy ny fanompoany ianao?

  • Tsapanao ho nitombo ve sa nihena ny fiadananao ao amin’i Kristy tao anatin’ireo herinandro vitsivitsy farany? Raha eny, dia inona no mba heverinao fa nahatonga izany fiovana izany?

  • Nahoana araka ny hevitrao no i Jesoa Kristy no loharanon’ny fiadanana?

  • Nahoana araka ny hevitrao no maniry ny hanome ny fiadanany ho anao ny Mpamonjy?